Areheto O

2007-10-11 @ 07:41 in Toekarena

Marina fa ho fenon’ny setroka indray ny lanitry Gasikara fa tsy any akory ny resaka tiako ahatongavana. Zavadoza eto amin’ny firenena io tranga io ka tsy azo hamaivanina velively. Ny mpanaraka ny eto amin’ity blaogy ity dia mahafantatra tsara ny famerimberenako ny tsy fankatoavako ity fanapaha-jiro ity. Betsaka ny lafiny tsy itiavako azy na dia mody hoe ny fihemoran’ny mpandraharaha tsy hanao zavatra eto raha ho tapatapahina lava ny jiro no hany ambara. Fatiantoka ho azy ny hiaritra tsy fisian-jiro nefa ny asa rehetra, raha tsy ny ankamaroany dia miankina amin’io avokoa. 

 

Efa nasehoko tsara ny safidiko fony nialoha ny fifidianana ho depiote ireny. Nolazaiko mazava tsara fa nirotsaka teo amin’ny fari-pifidianana nisy ahy ny minisitry ny angovo tompon’andraikitra voalohany misahana io resaka io ka tsy hifidy azy velively aho ho fanoherako izay nataony nandritra ny nitantanany ny jirama aloha dia ny minisitera mihitsy avy eo. Lazaiko etoana fa nilaza ny hevitro tamin’ny radio mihitsy aho ka niteny hoe tsarao amin’ny asany ny minisitra nirotsaka fa ny ahy delestazy no fantatro. Saingy aim-bery maina izany antsoko izany. Ankehitriny… 

 

Tahaka ny mandainga aho raha manoratra aminareo etoana fa ny fari-pifidianana nisy indrindra io minisitry ny angovo io no ifandimbiasan’ny delestazy amin’izao fotoana izao: Antaninarenina, Isoraka, Isotry, Tsaralalàna, 67ha, Ampefiloha fa ny faritra hafa (Boriborintany moa no ilazany azy) kosa dia gaga raha iresahanao izany toe-javatra izany. Ho an’Antananarivo Renivohitra io, tompoko. Satria nifidy ahy ireo (angamba hoy ny tenany any ambadika any) dia nankasitraka izay nataoko izany ka amin’izy ireo ihany no hanaovako delestazy ho an’Antananarivo renivohitra. Ny tanàna hafa manodidina ihany koa dia miverina soa aman-tsara ny delestazy. 

 

Nandre resaka ihany koa moa aho fa izay ela izay ka fantatra fa mbola hafa ny safidin’ny mponina tao an-tampontanànan’I Toamasina dia tsy nisy loatra ny delestazy tany. Fa nony injay lany ho depiote ny avy ao amin’ny TIM dia arahaba ry delestazy, avelao koa izahay mba hiaina azy. Ny ao Mahajanga tampon-tanàna indray moa tsy manana olona hifandraisana any loatra aho. Mino aho fa noho io resaka io no nampihintsana be dia be ny TIM tao amin’io tanàna io. Efa ela niaretana manko ny tao. Ny any Toliary moa, izay gropy rehetra tonga any simba avokoa…mahery loatra angaha ny toetr’andro any ( mba tsy ilazana hoe misy mangalatra hatrany angaha ny piesy rehefa tonga any na fatin-gropy foana no mba alefa any). 

 

Ankehitriny ihany, miandry Lafrantsa. Hanampy ny fanarenana ny jirama izahay (indrindra raha omenareo anay ny fitantanana io sehatra io). Amin’ny alalan’ny solontenan’ny tahirim-bola iraisam-pirenena izay milaza ny tsy maintsy hampakarana ny vidin-jiro eto Madagasikara no hilazana ny fanampian’ny firenena any ivelany ny jirama. Angaha misy miteny ny olona? Efa miandry fotsiny. Ny mpitondra fanjakana koa, indrindra fa ny filoha Ravalomanana, tsy aharenesam-peo manohitra izay fampakarana ny vidin-jiro izay. 

 

Fa ny tsaroako tsara nanombohan’ity delestazy ity dia ny filazana mialoha fa tsy maharaka ny solika manodina ny milina, avy eo dia hoe hampiana milina hafa ny eo amin’ny tohadranon’Andekaleka mba ahafahana manana herin’aratra matanjatanjaka kokoa ka mba mihafy kely aloha isika. Hay ity resaka ity ny delestazy mandeha fa ny milina napetraka toa tsy hita akory. Aty amin’ny enimbolana faharoan’ny taona 2007 vao lazaina fa hatao (mbola fotoana ho avy ihany koa) ny tolobidy amin’ny fametrahana milina vaovao sy fikojakojana ny efa eo. Dray izany izy!  Tsy aleo izany mieritreritra hoe amin’ny fotoana fahatelo itondran’ny filoha Ravalomanana any mihitsy angamba vao tena hisy ny hijerena (mbola hijerena fa tsy miditra amin’ny asa) ity raharahan’ny jiro eto Madagasikara ity.  

 

Fa mbola nofinofy ihany izany raha mbola io minisitry ny angovo io ihany no mitantana io sampan-draharaha io. Tokony hoporofoin’ingahy minisitra amin’ny asa vita fa tsy marina ny tsaho efa mahery loatra manao hoe ahodiny avokoa ny vola tokony nikarakarana io orinasa mihafadiranovana io ka mahatratra anjatony miliara izany vola miodina izany… Tsaho io nefa fantatsika tsara ny Malagasy fa ny tsaho no inoany kokoa satria resaka afenina ireny.  

Ry fitaratra O! iza no tsara noho izaho?

2007-10-10 @ 08:49 in Toekarena

Fony fahakely aho dia nandre karazan’anganom-bazaha nilaza ny fialonan’ny renikely ny zanaky ny mpanjaka. Izay no fitadidiako azy. Nihevitra ramatoa  fa izy no tsara tarehy indrindra amin’ny fanjakana. Rehefa manatrika ny fitaratra izy dia manontany ny fitaratra hoe: “iza no vehivavy tsara tarehy indrindra?”. Dia mamaly tokoa, hono, ilay fitaratra. Izay tsara noho ramatoa dia omeny vorika na vonoiny avokoa. Angano Rainiboto io raha tsy diso ny fitadidiako. Mahatsiaro ilay angano aho raha mahita ny zavamisy eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. 

 

Efa hitako ihany nanomboka ny tapaky ny volana septambra ny fanapahana ny takela-by fanaovana dokambarotra eo ambonin’ny lozok’Ambanidia. Alindalina ihany manko aho no miserana eo matetika. Tsy nataoko hahagaga loatra raha nahita ny mpiasa mpamonjy voina sy mpamonjy haitrano nanala takela-by aho. Noheveriko fa fikarakarana tsotra ny nataon-dry zareo ka hanolokolo ny manodidina io toerana io no nanaovan-dry zareo io fanapahan-kevitra io. Na izany aza efa maizimaizina ihany ny andro no manao ny raharahany eo ry zalahy. Ora fanampiny ahazoana tambi-karama io izany, hoy aho anakampo. 

 

Tonga indray ny fotoana manaraka dia nametaka takela-by indray ry zalahy rehefa avy noavahavaina ny manodidina. Fetsy koa anie ry zalahy izany e! Fa ny somary elaela ny nanaovan-dry zalahy azy dia ilay takelaby somary bebe velarana noho ny mahazatra izay (mbola tsy vita io hatramin’izao ary tsy nitohy ny asa hatramin’ny nivoahan’ny raharaha tamin’ny gazety). Tsarovy fa amin’ny alina hatrany ry zalahy no niasa tamin’ireo fotoana nolazaiko ireo. Tena mikarakara kosa ry zalahy izany hoy aho mahita ny fitohizan’ny asa. 

 

Kanjo namoaka fanambarana nameno pejy iray tamin’ny gazety rehetra ankoatra ny an’ny filoham-pirenena mazava loatra na teny malagasy na teny vahiny ny orinasa Injet tantanin’Atoa Andry Rajoelina fantatra amin’ny anarana hoe “Andry TGV”. Tamin’ny anarana maha-mpitantana ny orinasa domapub (Dokambarotra Malagasy) moa no nanaovany ny fanambarana. Taratasy misokatra ho an’ny PDSn’Antananarivo Renivohitra manambara ny alahelony ny amin’ny fanapatapahana ny takelabin’ny domapub.  

 

Teo aho vao gaga… hay ve tsy nierana tamin’ny mpitantana ny domapub ireo asa hitako ireo e! (ny hitako no lazaiko) Nosoratany fa 58 ny takelaby notapahin’ny Kaominina. Gazety iray no nahitako fa 46 ny takelabin’ny domapub fa 12 ny an’ny injet ka ireo isa ireo mitambatra no nolazain’ny manome ny 58 nosoratan’ny mpitantana. Manaraka izany dia nisy taratasy nalefan’ny Kaominina nanambara fa ireo takelaby izay notapahina dia afaka alain’ny domapub (sy ny injet) amin’ny alalan’ny fandoavana 100.000 Ar isaky ny takelaka. Fa inona ny heloky ny mpitantana? Lasa lavitra avy hatrany ny sain’ny mpanara-baovao. 

 

Mananontanona (amin’ny 12 desambra 2007) manko ny fifidianana ho Ben’ny tanàna sy ny mpanolotsainan’ny tanàna ka mijery izay mpifanandrina atahorany handresy azy ny eo amin’ny antokon’ny fitondrana. Fahadisoana voalohany ny nampivandravandra teo imason’ny rehetra izany olona atahorany izany. Tsy nahay nianatra ny leson’ny tantara mihitsy ny mpitondra. Tamin’ny fanenjehana be dia be natao tamin’ny filoham-pirenena ankehitriny no namantaran’ny mponina teto andrenivohitra ny olona natahoran’ny Arema tamin’ny fotoan’androny. Ankehitriny, ny adala ihany no mamerina fahadisoana mitovy tamin’ny teo aloha. 

 

Manaraka izany, teo amin’ny leson’ny tantara ihany, rehefa tena an-tenda ny aina ka manahy ny ho bankirompitra I Andry TGV, dia tsy maintsy mirotsaka hofidiana izy amin’io fifidianana ho avy io. Famonoantena ny namoaka fanambarana nefa tsy manohy ny andraikitra efa noraisina vokatry ny fanambarana. Efa be sahady ireo mivonona ny hanohana an-dranamana. Ny mpanohitra ihany koa efa faly anaty mahita ity olona nataon’ny fitondrana sorona ity. Ny ainga tena nifotoran’ny adi-hevitry ny olona moa dia ny resaka hoe nahoana no ny tanora miezaka sy misandratra toy ireny no anaovana antsojay toy izao? Ny fiaraha-miasa aza no tena tsara nojerena fa tsy ankasomparana. 

 

Ny nampihomehy moa dia nanararaotra ihany koa ny mpifaninana amin-dry zareo amin’ity karazana dokambarotra amin’ny takelaby ity ka nanapa-kevitra ny hanapaka ireo takelabin’ny injety sy ny domapub ihany koa. Ny I-mada sy ny MadaOI (ny nasolo ireo takelaby teo ambonin’ny lozok’Ambanidia) moa no tena fantatra amin’izany fanararaotana izany. Tsy mbola nahitako na naharenesako kosa ny Jocker sy ny orinasa nitsangana vao haingana ny naharenesako azy dia Publivel, tsy fantatra ihany koa raha misy vondrona avy amin’iretsy Mada roa iretsy ireo farany na tsia. Ny tsaho, izany hoe tsy voamarina kosa, dia malaza ny hoe ireo I-mada sy MadaOI ireo dia miaraka amin’ny Mbsgroup ihany. 

Aondrany avokoa...

2007-09-27 @ 10:47 in Toekarena

Hira nanana ny lazany tamin’ny fotoan’androny, nilaza ny zavamisy tamin’izany fotoana izany. Efa ho telopolo taona lasa izay, tokony ho efa lefy amin’izao taonarivo fahatelo izao, nefa dia mbola miverina amin’ny heriny indray ankehitriny ilay hiran’ny tarika Mahaleo namatrapatraka ny nataon’ireo mpanondrana ny harena voajanaharin’I Madagasikara rehetra, na avy anaty tany io, na ety ambonin’ny tany. 

 

Naseho sary tamin’ny televiziona, noresahin’ny rehetra, saingy indrisy tsy hitako, izany nolazain’ny televiziona Reinoney ho Emeraoda milanja 536 kg izany. Tao anaty vanim-potoanan’ny fifidianana indrindra no nipoitra io resaka io fa somary niandry kely vao nipoaka amin’izay. Natao fampirantiana tao amin’ny nosy akaiky tokoa manko io vatosoa io, izay nolazainy fa avy teto Madagasikara, ary nirehareha mihitsy ilay Shinoa nahazo azy.  Nangataka alalana hitondra azy any Shina manko ranamana saingy tsy navelan’ny fitondrana frantsay raha tsy mandoa ny hetra mifanaraka amin’ny sandan’ny vatosoa. Teo vao taitra ny rehetra. Nifanontany amin’izay hoe nivoaka an-tsokosoko io sa nivoaka ara-dalàna? Ary mba manao ahoana moa ny vola niditra tamin’ny kitapom-bolam-panjakana? 

 

Voatery niditra an-tsehatra ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany Donat Andriamahefamparany (hitantsika amin’ny gazety any izay nambarany), nilaza fa tsy nisy sora-pamoahana Emeraoda 536kg tany fa Beryl 536kg no hita. Nambara ihany koa fa raha Emeraoda dia tsy maintsy ny “Guichet unique” no manome alalana, fa raha beryl kosa dia ny sampan-draharaham-paritany ihany dia efa afaka mamoaka azy ary dia tany ilay orinasa no naka fahazoan-dalana. Nohazavaina manko fa tsy tafiditra ao amin’ny sokajin’ny atao hoe vatosoa sarobidy ny beryl fa vato fipaika fotsiny. Dia nanambara ny Minisitra avy eo fa asiana ny “contre-expertise” avy amin’ny minisitera na tena Emeraoda tokoa io vato io na beryl araka ny nosoratana tao amin’ny taratasim-pamoahana azy teny amin’ny seranana (nivoaka ara-dalàna soa aman-tsara ilay zavatra izany!). 

 

Nisendaotra indray ny mpikarajia. Raha tsy nidehadehaka nandraty ilay vatosoa izany ilay Shinoa dia vitavita ho azy tany ity raharaha ity? Hita mihitsy fa natao ho an’ny vahoaka tsotra ny Bianco fa tsy kitihiny mihitsy ny vaventy! Tampi-maso aseho ny mpamatsy vola iraisam-pirenena fotsiny ny nananganana io sampan-draharaha  anankiray io. Iza no nanao ny sonia? Iza moa no nampianatra ny Malagasy ny karazam-bato ka raha izay ve ny nolazain’ny nampianatra antsika dia ho sahy hanohitra izany isika? Sy ny karazany tsy ho tanisaina lava intsony. Mihevitra manko ny maro fa fanodikodinan-dresaka fotsiny ny tenin’ny Minisitra. Tahaka ny momba an’I Steeve Turmell izay tsy fantatra intsony ny misy azy amin’izao fotoana izao (nangina tsy miteny manko ny fanjakana ka mitaky ny misy azy ny gazety iray miteny malagasy). Tany amin’ny faraparan’ny adi-hevitra no nilaza ilay ramatoa fa iray karazana ihany [Be3Al2]ny beryl sy ny emeraoda, ary ao anatin’ny sokajin’ny beryl ihany koa ny emeraoda fa manana ny lafiny mahatsara azy kokoa. Hein! Hahita fialana bala indray izany ilay orinasa raha izany k’ty. Tsy nandainga aho, hoy izy fa jereo ny rakibolana. 

 

Ny hita tahaka ny Iceberg fotsiny io raharaha Emeraoda naranty tao La Réunion io fa mihevitra ny be sy ny maro ankehitriny hoe mbola aiza ireo tsara afina ny fanondranana azy. Fa ny azy, tokoa, ny valizy efa feno ny devizy. Eto ampamaranana miarahaba an-dRajiosy miditra amin’ny sehatry ny vohikala. Mahavità be!

Baobaba sa Ravinala?

2007-07-19 @ 07:24 in Toekarena

Mahavantana ny Malagasy rehafa manao sarim-pamantarana an’I Madagasikara eo amin’ny zavamaniry ny mametraka sarina ravinala. Vao tsy ela akory no nahenoako fa ny toerana be mpitsidika indrindra eto Madagasikara dia ny lalam-ben’ny Baobaba (allée de baobab) any Morondava any. Nisy aza moa mpitarika mpizahantany nanamarika fa ny Japoney rehefa tojo ireny Baobaba ireny dia sahala ny mahita andriamanitra mamihimpihina azy eo. Ary mihevitra ny maro amin’ny mpizahantany fa tsy nitsidika an’I Madagasikara raha tsy mahita Baobaba. Nianarana tany ampianarana rahateo fa misy karazany fito izy io eto Madagasikara raha tsy misy afa-tsy karazany tokana monja any Afrika.

 

Tsy tana ny eritreritra eo anatrehan’izany toe-javatra toa mifanohitra izany. Ataon’ny malagasy ho rehareha ny ravinala ary manamarika izany indrindra ny sary famantaran’ny lalaon’ny nosy fahafito hotanterahina tsy ho ela, toa tsy ao an-tsaina loatra mifanindran-dalana amin’izany ny Baobaba. Dia hoy aho hoe maninona moa mahafantatra io fitiavan’ny mpizahantany io raha mba misy sary famantarana zavamaniry hafa ihany koa ka tsy ambaniana mihitsy ny Baobaba fanintonanaireny vahiny ireny hitsidika an’I Madagasikara?

Io indray Ravalomanana

2007-06-13 @ 08:35 in Toekarena

Mahoraka tamin’ny rehetra indray ny kabarin’ny filoham-pirenena Ravalomanana omaly teo anoloan’ny lapan’ny tanàna tany Taolagnaro omaly 12 jona 2007 (efa voahitsy e!) maraina. Nametraka ny vatofehizoro (vatofototra no ilazan’ny haino aman-jery azy) anamboarana ny seranana ao Ehoala manko izy tamin’io fotoana io.

 Minisitra folo ankoatra ny praiministra ary tompon’andraiki-panjakana maro hafa no niaraka taminy nandritra io fitokanana io sy ny fitsidihana ny toerana hananganana ny ozinina ihany koa moa. Ny ozinina izay eo amin’ny 13km miala ny seranan’i Ehoala eo ho eo. Niara-nijery sy niara-nidinika tamin’ny tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Qmm moa izy nandritra izany fotoana izany.

 Fa ny tena nahasarika ny mpanao gazety sy ny mpanara-baovao moa dia ny kabarin’ny filoha nandritra izany fitsidihana omaly izany. Nivantana tamin’ny mpndraharaha teo an-toerana aloha ny resaka. Niteny tamin’ny Qmm aloha izy. Fantatrareo fa manana ny zavaboary izay azy manokana i Madagasikara koa miteny aminareo aho tandrovy ny zavaboary. Io teny nivantana tamin’ny teo an-toerana io moa mety ho tsy dia mahasarika ny mpampita vaovao.

 Manaraka izany dia niteny tamin’ireo mpandraharaha « privé » sasany izy (izay no filazany azy). Fantatsika rehetra, hoy izy, fa miroborobo fatratra ny varotra petrole eto amintsika. Tsinontsinona eo dia misondrotra ny vidin’ny petrole. Hilaza zavatra roa aminareo aho : voalohany, miakatra (mari-toerana) izao ny sandan’ny vola malagasy. Efa niresaka taminareo ny governeran’ny banky foibe tamin’io toe-javatra io. Nefa dia mbola nakarinareo ihany ny vidin’ny solika.

 Faharoa manaraka izany, samy mpandraharaha isika, samy manaraka ny vidin’ny solika iraisam-pirenena noho izany samy mahalala ny vidiny. Tsy hitako izay tokony hampakarana ny vidiny tahaka izao. Samy mahafantatra fa produit sensible ny petrole ka nahoana no tsy niera tamin’ny governemanta akory ianareo tamin’ny fampakarana azy ? (araka ny filazan’ny sasany manko dia mila fierana hatrany io fisindrotana io fa tsy ataotao fotsiny amin’izao). Sa niera taminareo ve izy Atoa praiminisitra ? (tsia !). Eto dia manome baiko ny governemanta aho hifampidinika amin-dry zareo amin’ity raharaha ity.

 Ho antsika Malagasy ihany koa dia mila miteny sy miray hina isika, ary maneho ny mahalamagasy antsika. Izany no nampandroso ny Japoney, ny Amerikana, ny Alemana. Nampiseho ny mahamalagasy azy izy (izay no teny disony). Rehefa tsy miteny isika dia manao izay saim-pantany izy. Tamin’ity kabary ity moa dia niverina indray ilay teny hoe « mandehana mody » fa noho ny halakin’ny teny nambarany dia tsy araka mihitsy. Ary dia tsinjoko amin’ny gazety moa fa saiky tsy naharaka ny teniny ny maro. Ilay kabary anefa tsy novakiana fa izay tao antsainy ihany no nambarany.

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2017 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30    
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox