Tsara sy mora notadidiana ny toritenin'ny mpitandrina tao amin'ny FJKM Anjanahary Maritiora androany 9 marsa 2014. Hosoratako eto ny ambangovangon'izany, sady ho tahiry no ho fampitàn-kafatra ihany koa. Misy karazany telo ny fisarihana ataon'ny devoly ny olombelona hahalavo azy, ary nosedrain'i Jesoa ihany koa izany fisarihana izany :
Rehefa noana i Jesoa dia tarihin'ny devoly ianao hanaonao foana. Bitsihiny ianao hangalatra, bitsihiny ianao hamono olona, bitsihiny ianao handroba na zavatra hafa mety tsy ho ampoizinao. Jesoa eto nampirisihany hamadika ny vato ho lasa mofo, izany hoe hanao karazana mazia. Toy ny hoe izay hitanao manodidina anao eto tonga dia hano sy raiso ho anao satria noana ianao. Mety havadikao ho lasa fanararaotra avokoa ny zavatra rehetra eo akaikinao, tianao avadika ho hanina daholo. Tsy niditra tamin'izany anefa i Jesoa fa namaly avy tamin'ny Tenin'Andriamanitra hoe tsy ny mofo ihany, na ny hanina miditra am-bava ihany, no iveloman'ny olona. Ireo efa mahay ny Soratra dia mahalala fa misy tohiny eo manao hoe... Fa avy amin'izay rehetra nivoaka ny vavan'YHWH. (Ny teny rehetra avy amin'YHWH, hoy ny nandikantsika azy!) Satria ny tenin-Andriamanitra rehetra no mamelona antsika.
Tsy azony tamin'ny alalan'ny hanina dia tarihiny indray any amin'ny zavatra hafa karohin'olombelona fatratra ihany koa, ny hita maso ary ny ambony indrindra amin'izany dia ny fahefana faratampony eto amin'izao tontolo izao. Amin'izao fotoana izao dia manintona tokoa ny rentirentin'ny fandrosoana, ka iray amin'izany ny fahafahana sy ny mora fahazoan-javatra amin'izay zavatra karohina amin'ny aterineto. Tsy voatery ho ratsy ho azy tsy akory ireny fa misy fomba hisarihan'ny devoly anao kosa hihevitra fa mahazo manao izay tianao atao ianao, [na dia ny mifanohitra amin'ny nanamboaran'Andriamanitra anao aza, hoy ny mpanoratra eto] . Toy ny mpanjakan'izao tontolo izao ianao manoloana izany toe-javatra izany. Koa indro ary ny fandriky ny devoly : ahy ireo ka omeko izay tiako, omeko anao raha miankohoka eto anatrehako ianao. Na teo aza izany dia mbola tamin'ny Tenin'Andriamanitra ihany no namaliany azy ary nilazàny fa tokana ihany no hiankohofana sy tompoina dia YHWH.
Fantatry ny devoly ary fa tamin'ny Tenin'Andriamanitra hatrany no namaliana azy, dia mba nampiasa ny Tenin'Andriamanitra ihany koa izy hamandrihany an'i Jesoa. Ao anatin'ny fampiasana izany anefa dia misy fanolanana ny teny, na hoe fampiasana azy amin'ny tsy izy. Sady mampiasa ny Tenin'Andriamanitra ny devoly no manaitra ihany koa ny toetran'olombelona mora mirona mankany amin'ny fireharehana sy ny vedetisma. Raha tena voataizan'ny Tenin'Andriamanitra tokoa anefa tsy tokony hiròna mankany amin'ny fisehosehoana sy fireharehana [ho manana an'Andriamanitra] fa mankany amin'ny fanetre-tena kosa. Mariho fa efa maro ankehitriny ny fiangonana milaza tena ho kristiana no efa mihazakazaka mankany amin'izany fireharehana sy ny vedetisma izany koa anjaran'ny tsirairay ny mandinika manoloana ireo fandriky ny devoly ireo. Fa na dia misy aza ny voasoratra ao amin'ny tenin'Andriamanitra dia misy ny mampiasa azy io hamitahana ny hafa hankany amin'ny fahalavoana. Ka ny fanafody tsara indrindra manoloana ireo karazana fitaka mety hiandry anao dia ny fahalalàna sy ny fihinanana isan'andro ny Tenin'Andriamanitra sy mahalala ny sitrapony [mbamin'ny toetrany?].
Tsy mijanona hatreo ny fisarihan'ny devoly anao fa miandry sy mikendry hatrany ny fotoana mety handavoany anao izy. [Lioka 4 : 13]
Indro ny perikopa nakana izany toriteny araka ny fomba nandrafetako azy izany :
1 Ary feno ny Fanahy Masina i Jesoa niverina avy tany Jordana, ary noentin’ ny Fanahy tany an-efitra nandritra ny 40 andro Izy2 ka nalain’ ny devoly fanahy tany. Tsy nihinana na inona na inona Izy nandritra ireo andro ireo, ka rehefa tapitra ireo, dia noana Izy. 3 Hoy ny devoly taminy: raha Zanak’ Andriamanitra Ianao, baikoy io vato io ho lasa mofo. 4 Fa Jesoa namaly azy hoe: Voasoratra fa : Tsy mofo ihany no hiveloman’ ny olona [Deo. 8. 3] .
5 Ary ny devoly nampakatra Azy tamin'ny toerana avo, ka naneho Azy tanatin'ny indray mipi-maso ny fanjakana rehetra amin’ izao tontolo izao. 6 Dia hoy ny devoly taminy: Homeko Anao izao fahefana rehetra izao mbamin’ ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy; 7 koa raha hiankohoka eto anatrehako Ianao, dia ho Anao avokoa. 8 Fa Jesoa namaly azy hoe: Voasoratra fa: YHWH Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao [Deo. 6. 13; 10. 20]
9 Dia mbola nitondra Azy nankany Jerosalema ny devoly, dia nametraka Azy teo an-tampon’ ny tempoly ka nanao taminy hoe: Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, mitsoraha avy eto mankany ambany any;10 satria voasoratra hoe: Izy hibaiko ny anjeliny momba anao hiarovany Anao;11 Lanjain'ireo an-tànana Ianao, Fandrao ho tafintohin'ny vato ny tongotrao [Sal. 91. 11, 12] . 12 Fa Jesoa namaly azy hoe: Voalaza hoe: Aza maka fanahy an’ i YHWH Andriamanitrao [Deo. 6. 16] .
13 Ary rehefa nanao ny fomba rehetra hisarihana Azy ny devoly, dia niala kely mandra-pisian'ny fotoana mety hanaovana izany indray.
Raha ny fahatsiarovako dia sambany aho vao nankalaza noely ambanivohitra, nefa tsy tena hoe ambanivohitra raha ny endriny anatiny fa lavi-dalana tsara fotsiny. Lalan-tany manko no mankany. Ny anaran'ny tanàna dia Isahafa, izay mandalo an'i Lazaina, anatin'ny kaominina Sabotsy Namehana, Antananarivo Avaradrano.
Ankafizo ary ny sary sy ny lahatsary mba nalaiko tamin'ilay finday Tecno T82 kely mba takatry ny faripananana izay. Tsy mba ahafahana mandefa MMS manko izy io fa raha tsy izany nataoko saika mivantana tamin'ny alalan'ny twitter mihitsy.
Ny endrik'ilay Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara Isahafa hatrety ivelany tamin'ny firavana
Toy izao kosa ny tao anatiny, hay eo an-dalam-pananganana ny akany ry zareo
Endrika ankapobeny ny ao anaty trano fiangonana
Hira iray nandritra ny fotoam-pivavahana
Dia miarahaba antsika nahatratra ity noely 2011 ity ary mirary soa ho antsika rehetra!
Anatin'ny Herinandro Masina isika ho an'ny kristiana. Raha ny Alakamisy masina sy ny alahadin'ny Paska no tena fantatry ny besinimaro dia manana ny anjarany ihany koa ny Zoma Masina ho an'ny fiangonana maro. Eo ny ankamaroan'ny antoko mpihira ao am-piangonana no manao antsam-panahy na toriteny an-kira. Saripika no aseho anareo tao amin'ny fiangonana nentina hahatsiarovana ny maritiora nandritra ny fanenjehana kristiana (protestanta) miorina eo amin'ny vohitra ihany koa saingy tsy miaraka vohitra amin'ireo fiangonana maritiora hafa eto Antananarivo. Iza ary io fiangonana io?
Andro alina hatreo ivelan'ny vavahady
Sary nalaina hatreo am-baravarana iray
Ny antoko mpihira
Sary nalaina hatreny ambony rihana
Nampanakaikezina kokoa ny antoko mpihira ny kinendry
Nalaina hatreo ambadiky ny mpijery, tsy nampiasa flash nandritra ny fakan-tsary rehetra
Ny mpanatrika sy ny atrehina
Ny mpanatrika ambony sy ambany rihana.
Ny mpanoratra dia mirary paska sambatra ho antsika rehetra. Hifampitondra am-bavaka anie ny mpino rehetra.
Efa mandeha siosio eny ihany ny resaka momba izay nitranga tao amin'ity toerana iray ity. Ireto indray aloha no azo marihina:
Voalohany, tsy ny collectif GTT no nahita ity resaka ity voalohany raha ny tamin'ny aterineto no resahina. Efa andro vitsivitsy taty aoriana aho vao nahatadidy fa efa nisy ny mpamaham-bolongana (jereo Zouboon) avy any Mahajanga niresaka momba azy ity tamin'ny 7 desambra 2010. Efa nanontany ny mpanoratra aho tamin'io daty io hoe afaka milaza ny toerana ve izy saingy tsy namaly mivantana. Ny Collectif GTT kosa dia tapabolana taty aoriana vao namoaka mihitsy ny ampahan-dahatsary izay efa nosoratan'ny mpamaham-bolongana voatonona etsy ambony nilaza fa naharitra iray ora sy sasany (ny ora iray ihany no hitantsika). Hita tsipalotra ihany anefa fa efa nisy sahady ny fanamboarana ny fandaharana ny fandehan'ny tantara raha tarafina ny nitantaran'ilay mpamaham-bolongana azy. Angamba tsara kokoa raha manontany izay nahita ny "lahatsary iray manontolo" ny niafaran'ny tantara isika izay liana amin'izany.
Faharoa, rehefa nahita ny lahatsary indray ny collectif GTT dia toy ny nampifandray azy tamin'ny resaka politika. Ilay izy somary niaro ny filoha voafidim-bahoaka teo aloha no tena nampafana ny adihevitra sy nielezan'ilay lahatsary haingana kokoa, indrindra fa ho an'izay niserasera. Azo heverina izany fa nanana ny tanjony ny namoaka azy ho VCD izay nahitana ny fiparitahany tany Mahajanga ary tsy mitovy tamin'izany tanjona izany kosa ny an'ny collectif GTT na dia naka "sombiny" tamin'ilay tantara aza. Ny iraisan'ny roa tonta kosa anefa dia ny fanalana baraka ny FPVM.
Ankoatra izany kosa dia mba niezaka nikaro-baovao araka izay azonay natao izahay ary dia zaraina aminareo izay voaangona tamin'izany fikaroham-baovao izay:
Isika dia namakivaky izay voasoratra any amin'ny dinika isan-karazany any. Tsy maintsy mikaroka izay olona mety ho fantatra tao anatin'ilay lahatsary. Nisy tokoa ny nahita an'i Ta... izay mpihira ao amin'ny tarika evanjelika iray antsoina hoe Me... avy ao amin'ny fiangonana FJKM Ambalavao Isotry. Ny forum no nahitako fa mpiasa voaroaka na niala tao amin'ny vondron'orinasa tiko io Ta... io ary efa lasa mpitarika tanora tao amin'ny FPVM. Notadiavina ny fanamarinana hoe efa lasa ao amin'ny FPVM tokoa ve io mpihira ao amin'ny tarika Me... io? resaka an-jorom-bala tsy avy amiko fa notaterina tamiko ary somary namboarina fa ny hevitra nampitaina no notandrovina (mpiandry tao ihany no nanontaniana):
__ Mahalala mpihira ao amin'ny tarika Me... miangona ao amin'ny FPVM ve ianao?
Tsy re na hitan'ny olona tsy manana aterineto ny zavatra malaza aty amin'ny aterineto amin'izao fotoana izao. Nisalasala ihany vao tapa-kevitra ny hanoratra. Isika mpiserasera ihany aloha no maharaka ny fisian'ilay lahatsary izay notapatapahina sy mikorontana ny filaharany ka tsy fantatra intsony izay lohany ary tsy hita tsara izay farany. Fahadisoana voalohany nataon'izay namoaka ny lahatsary telo mifampitohy toy ny manao endrika mitohivakana na miverimberina ilay izy. Avy amin'izay tsy nandaharana araka izay fandehan'ny tantara izay no tsy dia ahafahana loatra mitsara haingana sy befahatany. Toa samy ahitana ny sombin'ny fizarana voalohany sy faharoa ary fahatelo mifangaro avokoa ireo lahatsary telo lazaina ho mifampitohy: manana ny rariny ihany noho izany izay miteny fa namboarina ilay lahatsary na dia mety ho zava-misy tao amin'ny FPVM Antaninanandrano tokoa aza ny sehatra.
Manaraka izany, tsy fantatra tsara ny mahazo ireo "mpandray anjara fototra" nefa izy telo ireo no toy ny nasongadina tao amin'ilay lahatsary [video]. Ny iray tamin'ny mpaka sary moa dia niteny hoe "tsy tenenina intsony hoe tsy mety!" nandritra ny fotoana nibaikobakoan'i Rija ireo roa vavy nampijaliana sy nampanaovina zavatra tsy mifanaraka amin'ny maha-olombelona. Andeha atao hoe samy tsy ao anatin'ny fahasalamany loatra ilay mpibaikobaiko, tsy fantatra mazava raha izay ny ritoaly tsy maintsy notanterahina hanalana ny rofy sy ny aretina sy ny devoly na bibilava manjaka ao anatin'ilay marary [na nalàna fahalemena sy fahajambana mbamin'ny tsy fandrenesana]. Tsy nifanaraka loatra amin'izay heverina ho fampianarana momba ny finoana kristiana sy momba ny "Fifohazana" koa anefa ny zava-natao.
Amin'ny fandroahana ny devoly sy ny asany rehetra ary ny fombany rehetra dia alefa any amin'ny farihy mirehitra afo sy solifara ireo zavatra telo ireo, na ilay antsoina ao amin'ny Apokalypsy ihany koa hoe fahafatesana faharoa fa tsy averina velively any amin'ilay lazaina fa nanao azy [ny famosaviana, ambalavelona,sns...]. Tsy ny olona na oviana na oviana no tokony enjehina sy ampijaliana fa ny devoly mpamitaka izao tontolo izao. Averiko indray fa tsy azoko atao ny mitsaratsara fahatany, ao amin'ny lahatsary aloha dia tsy nanitsy ny teny tsy mety hoe "avereno aminay izay nanao azy" izay mety ho mpiandry tao nefa noho ny fanapatapahana ny lahatsary dia azo atao ihany koa ny manahy hoe sao dia natao hanalana baraka fotsiny ny tantara naseho nefa tsy araka izay filaharany tokoa.
Etsy ankilany indray raha ny fandehan'ny famotorana natao dia tsy fantatra mazava na "nitolo-batana" ireo olona ireo na "azo teo ampanaovan-dratsy"... toa tsy nandositra intsony anefa ry zareo. Tsipalotra tamin'ny alalan'ny resaka fa karazan'ny andro faharoa nanaovana ny famotorana ny nakana ny sary. Miteny hoe nakana ny sary moa dia tsy tokony ho nalaina sary velively ihany koa ny toe-javatra sahala amin'ireny. Betsaka ny olona mety tsy hahazaka ny fanalana ny devoly fotsiny na dia tsy nisy aza ireny fampijaliana ara-batana sy ara-tsaina nahazo ireo olona roa ireo. Asa na manao ahoana na manao ahoana ny tena fandehan'ny raharaha fa toa karazana valifaty no tena natao na naseho ho hitantsika mpiserasera fa tsy fanavotana fanahin'olona velively.
Farany, raha tsy misy azonao izay rehetra nolazaiko dia "soa ihany" izany satria aleo izay nahita ihany no hahazo tsara izay voasoratro, tsy nikendry ny hanazava loatra aho fa ny hilaza ny hevitro fotsiny ihany ho an'izay nahita tahaka ahy. Ho an'izay nametraka ny lahatsary dia miangavy azy ireo hamerina araka ny fandehan'ny tantara ny zavanisy tamin'io fotoana io hahafahana tena mamakafaka azy fa tsy hanaitaitra fotsiny ny olona. Ary ny fehiny ataoko dia hoe "Raha hoy isika: tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika. Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia Mahatoky sy Marina Andriamanitra [Izy] ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra."I Jaona 01: 08-09
Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.
Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.
Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!