Ny herinandro taona mifarana

2009-12-30 @ 23:00 in Finoana

Nankalazaina fatratra indray fa fampiatoana ny adiady sy ny fifandirana eo amin'ny sehatra politika indrindra indrindra ity herinandro farany misy ny fetin'ny faran'ny taona ity. Tetikady avokoa anefa izany rehetra izany entina hametrahana milamina izay rehetra tiana apetraka ary ao anatin'izany ny hetsiketsika rehetra ataon'ny mpitondra FAT amin'izao fotoana izao. Koa izay angaha no nidiran'ny mpitondra fivavahana eo amin'ny sehatry ny fiainam-pirenena indray. Maro no tsy mankasitraka izany saingy ny marina eo amin'ny fiainan'ny Malagasy dia miankina mandrakariva amin'ny zava-misy hatrany.


Seraseran'ny tanora: tetika fandambolamboana

Nisy fihaonana nolazaina fa ara-koltoraly, miompana ho an'ny tanora, notontosaina tetsy amin'ny Lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena tamin'ny farany sy fiandohan'ny herinandro teo. Raha ny fijeriko dia fomba iray handambolamboana ny tanora sy handrefesana ny fitiavan'ny tanora ny mpitondra ankehitriny io fihaonana ara-koltoraly io. Azo lazaina tsy misy hambahamba fa nandamoka ity hetsika ity amin'ny ankapobeny. Voalohany amin'izany, tsy feno ny tranoheva natsangana teny amin'ity toerana ity. Faharoa, vitsy tsy araka ny noheverina ireo tanora niroboka teny. Nalalaka ny toerana, nalalaka ihany koa ny lalana nifamezivezen'ny olona. Ny loko manga sy laoranjy amin'ny afisy kosa aloha dia efa fambara amin'ny zavatra tian-ko tarafina amin'ity hetsika ity. Dia nanao tsoa-kevitra ny zaatra hitako aho aloha.

Raha nolazaina ho niompana ho an'ny tanora ny hetsika, ireo tranoheva kosa dia ny sampandraharahan'ny minisitera sy ny fikambanana tanora tokana, dia an'ny zanaky ny zandary avy etsy amin'ny cité-ny etsy Ivato seranana ihany no hita teny. Tsy nahitana fikambanana tanora tsy miankina hafa sy fikamban'ny tanora miankina amin'ny fiangonana kosa teny. Mivandravandra avy hatrany ny fahabangana toa mitaratra fa novonjivonjena ny fanaovana ity hetsika ity. Rezimanta-na zandary iray Kamiao ihany koa no nisahana ny filaminana teny, ary sahiko no milaza fa mitovy amin'ny isan'ireo olon-tsotra nitsidika ny toerana ny isan-dry zalahy ireo... azo itarafana ihany koa ny filaminana eto Antananarivo tamin'ny andron'ny alatsinainy maraina nitsidihako azy ity. Gaga aho hoe inona koa no antony mahabetsaka zandary ato anatin'ity fihaonana ity? Mbola tsy naheno izay nitranga teny Ampahibe aho tamin'io fotoana io.


Ilay fikomiana sandoka tetsy Ampahibe

Miala tsiny aho raha tonga dia mitsara ilay zava-nitranga tetsy amin'ny Régiment d'Appui et de Soutien ny maraimben'ny alatsinainy ho fikomiana sandoka avy hatrany. Nandalo teny aho, tanaty fiarakaretsaka, ny alahady hariva ary gaga raha nahatsikaritra fa tsy nahita na dia vata-miaramila iray aza niambina ny vavahadin'ireo toby rehetra teny sy ny vavahadin'ny biraon'ny minisiteran'ny Fiarovana. Mpijerijery hatrany ny zavamisy ny tena, noho izany, efa niahiahy zavatra hafahafa sahady aho raha nanana io tsikaritra io. Amin'ny fotoanan'ny hotakotaka indray ve vao tsy misy miambina ny toby? Na misy fandrika mivelatra eo na efa misy fifanarahana miafina eo amin'ny samy miaramila indrindra fa eo amin'ny lohandohan'ireto miaramila ireto. Efa nisy fanomezantoky eo amin'ny fifanarahana hatao sahady angamba hoe ataovy amin'izay ny iraka nampanaovina anareo fa navelanay malalaka ny toerana hanaovanareo azy!

Tsy tena gaga loatra aho ny maraina raha nandre fa nisy fikomiana nataona vatamiaramila notarihina manamboninahitra lefitra tamin'ny toby iray tetsy Ampahibe ity. Vao maika moa tsy gaga mihitsy aho raha nandre fa voafehy vetivety ihany ilay fikomiana sady nanaiky hosamborina mora foana ilay mpitarika ity fikomiana sandoka ity. Dia efa fandre sy mahazatra ihany koa raha malaza avy hatrany fa nahitana volabe teny an-toerana ary nanaiky avy hatrany ireo mpandray anjara fa nandray vola tamin'ny fanaovana ity fikomiana ity. Dia nisy koa ny solombavam-bahoaka notondroina no nanome ny vola hanaovana ilay hetsika. Hita avy hatrany fa fihetsiketsehana fotsiny no betsaka ary misy ny fandrihana. Raha misy olona manakarama amin'ny fanaovan-javatra toy itony tsy hisehoseho ho hitan'ny mpanatanteraka rehetra izy fa olona iray ihany raha be dia ny olona manelanelana azy sy ny lehiben'ny mpikomy no isehoany. Na iza na iza manao zavatra toy itony dia izany no fitandremana bitika indrindra tokony atao. Izay no ahafaha-milaza fa tetika handotoana olona sy hamandrihana andia-miaramila tsy manaiky hofehezin'ny mpitondra ao amin'ny FAT no nanaovana ity hetsika hafahafa ity. Taty aoriana moa dia nisy vohikala nilaza fa hay iray amin'ny niandry kendritohina ny minisitry ny fiarovana ny Amiraly Mamy Ranaivoniarivo tamin'ny volana marsa 2009 ity lehiben'ny mpikomy teny Ampahibe ity.

Mifanindran-dalana manamafy ny tetikady miaramila ihany koa ny famoriana nataon'i Vital tetsy amin'ny Tranom-Pivoriana Iraisam-pirenena Ivato ho an'ny mpitandro ny filaminana rehetra. Ity famoriana ity no miampanga tena ireo atidoha nikotrika ity fikomiana sandoka ity. Niantso indrindra indrindra ireo lehibe isan-tsokajiny eo amin'ny tafika sy ny zandary ary ny polisy manko ny lehilahy tamin'ity fotoana ity. Teo amin'izay no nambara fa iray tsy mivaky ny tafika sy ny mpitandro ny filaminana. Mihevitra manko ry zareo amin'io fotoana io fa tonga soa aman-tsara eo amin'ny tanjona notratrariny ny paika napetrak'izy ireo. Ilay fikomiana voafehy dia enti-maneho na amin'ny miaramila na amin'ny sivily fa tsy azo hozongozonina intsony ny rafitra efa napetraka amin'izao fotoana izao. Fampitandremana mialoha ireo izay manam-pikasana fa efa tsy mandeha ilalana intsony izany fanonganam-panjakana na fiokoana ankoatra ny efa vitany izany. Eo ihany koa ny fametrahana fifampiahiahiana eo amin'ny samy mpitandro ny filaminana fandrao misy ny mihevitra ny hanohintohina ny fahefan'izy ireo izany. Tsy dia sarotra vinaniana intsony noho izany izay mety ho nandehanan'ny Komandy voalohan'ny zandarimaria ny jeneraly Razafindrakoto Bruno Wilfrid teny amin'ny Tobin'ny Hery Vonjy Taitra Ivato rehefa tsy hitan'izy ireo tao amin'ny Tranom-Pivoriana Iraisam-pirenena ny Komandà Roger Luc. Diplaomasia ara-miaramila izany na dia mody lazaina aza fa tsy manao sy tsy mahay diplaomasia izany ny tafika. Hatreto izany dia azo ambara fa voafehy eo ambany fahefana tokana ny tafika iray manontolo.


Hetsiky ny mpitondra fivavahana

Nandritra ny andron'ny alatsinainy maraina ihany koa dia nisy fotoam-pivavahana lehibe nokarakaraina mpitandrina roa no niakatra telo, nahatratra sivy ary lasa ampolony vitsivitsy avy eo teo amin'ny kianjan'Antsahamanitra, 200 metatra eo ho eo miala ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra. Tsy azo lavina velively fa ny mpitandrina FJKM no maro an'isa amin'izy ireo na dia misy ihany koa aza ireo avy amin'ny fiangonana hafa. Antony maro no mahatonga izany fa izay tadidiko etoana ihany no ho voambara mazava loatra. Voalohany amin'izany, eo amin'ny lafiny ara-tantara : Ny Protestanta amin'ny ankapobeny dia tsy manaiky hofehezina na hoziogain'olona iray na vitsivitsy na oviana na oviana. Tsy anavahana na iza na iza io, indrindra fa avy amina mpitondra politika (ary tafiditra amin'izany tsy ekeny hanazioga azy izany ihany koa ny filoha Ravalomanana, ialana tsinyamin'ny mpanaraka satria izay no zava-misy). Mitady matetika ny fifandanjana izy ireo, koa tsy atao mahagaga loatra raha misy ny fiangonana (protestanta) no misedra olana noho izay fisainam-pahafahana tandroviny izay.

Faharoa : Tsy vitsy mihitsy ihany koa ny mpitondra fivavahana ao aminy no tsy manaiky ny isian'ny fifangaroana na fifampidirana eo amin'ny politika sy ny fiangonana, izany hoe diso ny filazana safobemantsina avy hatrany hoe Ravalomanana = FJKM satria nomena fahafahana ny olona tsirairay hanaraka ny safidy politika tiany arahina ary tsy manan-jò hanery ny mpivavaka ao aminy hanaraka ny safidy politikany ny mpitandrina. Tsy manaiky ny fiangonana raha idirana politika hitantana ny firenena ny anarany nefa tsy hain'ny fiangonana leferina mihitsy ihany koa ny fitsabahan'ny politika amin'ny resa-piangonana. Ohatra tsy misy mpahalala loatra amin'izany, tamin'ny Repoblika voalohany dia nisy ny fanerena nataon'ny fitondrana ny tsy maintsy hametrahana saina ao am-piangonana. Natahotra na nanoa izany baikon'ny fitondrana izany avokoa ny fiangonana rehetra ankoatra ireo izay nanorina ny FJKM. Nanao fandrahonana ny fitondrana fa hakatona avokoa izay fiangonana tsy manaikyny hametrahan sainam-pirenena ao am-piangonana fa tsy nampihontsona ny FJKM, "Akatony ary!" no valinteny nataony. Tsapan'ny mpitondra fanjakana fa tsy azo nahodi-doha ny protestanta reforme ka dia tsy nampihariny indray ny fandrahonana hanakatona ny fiangonana FJKM rehetra.

Koa nahoana ary ireto mpitondra fivavahana ireto no toa minia miditra an-tsehatra amin'ny resaka politika? Valiny: Niditra any amin'izay tsy tokony idirany ao amin'ny fiangonana ny mpitondra fanjakana mpanao politika ka niseho amin'ny maha-protestanta azy ny FJKM indrindra indrindra. Ohatra: efa nomena alalana hanitatra ny fiangonana ny FJKM Antanimena atsinanana (tsy miankina izy ity teo alohaloha teo) no norarana indray tsy hanao izany; efa natomboka anefa ny fandravana hanaovana ny fanitarana; inona no tena tadiavin'ny mpitondra fanjakana? Nitakian'ny fanjakana hetra ihany koa ny foibe FJKM ary tafiditra ao anatin'izany (araka ny gazety Tia Tanindrazana nivoaka 30 desambra 2009) ka ao anatin'izany ny IBS (Impots sur les bénéfices de la Société) taona 2006, 2007 ary 2008... izany hoe napetraky ny mpitondra fanjakana ho raharaham-barotra misy tombom-barotra izany ny raharaham-piangonana. Mafy loatra angaha ny fitadiavam-bola no tonga amin'izany izy ity. Efa saiky noadinoina ny saika hanaovana barofo ny fitaovam-panorenana ny sekoly FJKM tamina tanàna lehibe vitsivitsy teto Madagasikara. 

Manaraka izany, nandritra ny vavaka fifonana no netina nanambarana fa mangatsiaka tanteraka amin'izao fotoana izao ny fifandraisana eo anivon'ny FFKM, fomba enti-milaza izany fa anarana sisa izany FFKM izany fa nopotehina avy ao anatiny nandritra ny telovolana voalohan'ny taona 2009 ihany io sehatra nanana ny anjara toerany teo amin'ny fiainam-pirenena io, nefa tsy nitady toerana eo amin'ny fitondrana amin'ny maha-FFKM azy fa mpandamina sy mampihavana ary mpanelanelana mandrakariva rehefa tojo krizy ny firenena. Mahatsapa ho manana andraikitra hijoro ho mpandamina, tahaka ny nataon'ny FFKM nandritra ny andro nampalaza azy ireto mpitondra fivavahana ireto. Tsy mitady seza izy ireo saingy mitady kosa ny vahaolana ho an'ny firenena mba tsy idirana amin'ny ady an-trano sy ny fanaovana herisetra ary ny tsindry hazolena isan-karazany eo amin'ny fiaraha-monina.

Ity eto ity kosa dia hevitro manokana, miditra na mikasa ny hiditra eo amin'ny fitantanana ny firenena ny tafika izay mitazona ny fitaovam-piadiana eto amin'ny firenena. Sarotra ny hifehy na hanaramaso ny olona mitazona ny fitaovam-piadiana tsy hanakana ny fahafahan'ny tsirairay. Ho fisorohana izay mety ho fihoaram-pefy sy fikorisana mankany amin'ny tsy refesi-mandidy izay dia mety indrindra ny idiran'ny sehatra ara-panahy ho tsindry lentam-pahefana (hisian'ny fitovian-danja eo amin'ny mizana) amin'izao fiainam-pirenena latsaka lalina anaty krizy novolena izao. Azoko heverina fa singa tsy ampoizin'ny mpitondra fanjakana ny fijoroan'ireto mpitondra fivavahana ireto. Raha efa tadiavin-dry zareo amin'ny fomba rehetra manko ny hanagiazana ireo mpitari-tolona ao amin'ny ankolafy telo, ka anatin'ny teti-panorona ilay fikomiana sandoka tetsy Ampahibe, dia sarotra ihany satria hiteraka rikoriko ho an'ny sarambambem-bahoaka raha ireto mpitondra fivavahana ireto no hampangaina ho manao baomba ny mikasa ny hikomy ara-miaramila. Raha sanatria ka tsy afa-mikofoka intsony ny mpitaky ny ara-dalàna dia efa vonona sahady ireo sahy hifanandrina am-panahy ny fitondrana ankehitriny. Ao amin'ireto mpitondra fivavahana ireto aza no misy ny charisme tsy ampy teo amin'ny mpitari-tolon'ny ara-dalàna. Ny maha-hafa ireto indray kosa dia mifankafantatra avokoa ny ankamaroan'ny mpitondra fivavahana ka sarotra ihany ny hisian'ny mpitsikilo avy amin'ny fanjakana. Mety hisy ihany anefa izany mpitsikilo hanao tatitra ny fivoriana natao hanomanana ny hetsika izany fa mety ho mora fantatra.


Ilay fotoam-pivavahana teo Antsahamanitra

Ninia aho nanasaraka ny fotoam-pivavahana sy ny antony nanaovan'ny mpikarakara ity hetsika ity. Fanamarihana voalohany: tsy tao anaty fotoam-pivavahana velively no nanaovana ny fanambarana izay efa navoakako manontolo tsy nanampiana tsy nanalana teto ihany. Efa vita tanteraka ny tso-drano sy ny Amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina vao nolazaina ny fanambarana. Diso ihany koa ny vaovao iniana aely fa tsy nivonona hiandry izany fanambarana izany velively ireo nanatrika ity fotoam-pivavahana ity. Tena niandry zavatra tamin'ireto mpitondra fivavahana ireto mihitsy ireo nanatrika tao ary porofon'izany ny tehaka sy ny horaka sesilany nisy nandritra ny nanaovana izany fanambarana izany. Ambarako sahady ary fa amin'ny Asabotsy 2 janoary amin'ny 2 sy sasany tolakandro ny fotoana manaraka hihaonan'ny olom-pirenena rehetra amin'ireto mpitondra fivavahana ireto eny Antsahamanitra ihany.

Betsaka ihany ny olona tonga teny amin'ny maha-andavanandro maraina ny fotoana tamin'ny alatsinainy teo satria fenony tsara ny antsasak' Antsahamanitra. Vao miditra ianao dia ny sora-baventy manao hoe "Dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry" Matio 9:36 no sora-baventy hitanao eo amin'ny sehatra. Ny tena maro an'isa amin'ireo olona nanatrika teo dia olona efa lehibe heverina ho efa retirety amin'ny asany avokoa, izaho kosa moa mba tsy niasa aho io alatsinainy maraina io ka nanararaotra nankeny, indrisy moa fa tsy ho afaka hanatrika ilay amin'ny Asabotsy aho noho ny asa ihany, nefa azo inoana sahady fa ho maro noho ny tamin'ny alatsinainy no ho avy amin'ny Asabotsy io.

Ireo teny novakiana tamin'io andro io dia hita ao amin'ny bokin'i Estera 4: 14 - 17 miaty ny resak'ilay Estera anisan'ny vadin'i Ahasoerosy (Xeres) nanjaka hatrany Etiopia ka hatrany India tamin'ny dadatoany antsoina hoe Mordekay fa misy ny tetika handringanana ny jiosy manerana ny fanjakana ka nahatonga an'i Estera hilaza hoe: " Mandehana Ary, vorio ny Jiosy rehetra izay hita ato Sosana, Ary mifadia hanina noho ny amiko, ka aza mihinana na misotro hateloana na andro na alina; Ary izaho sy ny ankizivaviko hifady toy izany koa, Ary amin’izany no hidirako ao amin’ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalàna aza; koa raha sanatria maty aho dia izay izany no izy." izany hoe eo amin'ny fanapahan-kevitra lehibe izay hatao dia ny mivavaka no atao voalohany indrindra.

Ny vakinteny faharoa kosa dia izay hita ao amin'ny Matio 26: 36 - 46 milaza ny fitarihana nataon'i Jesoa tao Getsemane, fantany tsara fa hiatrika zava-dehibe eo amin'ny fiainany ihay koa izy ka nitokana nivavaka manao hoe: " Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao." Tao anaty fahoriana sy alahelo indrindra no nanaovany izany vavaka izany. Na ny vakinteny voalohany na ny vakinteny faharoa dia samy manambara ny anjara toeran'ny vavaka manoloana ny fanaphan-kevitr alehibe izay hatao ary mihatra aman'aina mihitsy izany. Ny mpamaky baiboly dia mahafantatra fa nivoaka nandresy fa tsy maty i Estera sy ny Jiosy tao amin'ny vakinteny voalohany nefa maty ihany i Jesoa na dia namerimberina ny vavaka nataony aza amin'ity vakinteny faharoa ity.

Ny vakinteny fahatelo kosa dia izay hita ao amin'ny  Asan'ny Apostoly 4: 23 - 31 ahitana ny vavaka mahery nataon'ny Apostoly sy ny mpianatra fa sahy tokoa izy ireo ny hijoro vavolombelona nitory ny tenin'Andriamanitra na dia norarana tamin'izany aza ary na dia nandrahona sy nampitahotra avokoa na ny jiosy na ny jentilisa na ny mpitondra. Ny fandrahonana natao tamin'ny mpitarika no niitaran'ny fitoriana hotanterahin'ny rehetra tamim-pahasahiana. Ny toriteny kosa moa dia niainga avy tamin'ilay andinin-tSoratra Masina efa malaza ao amin'ny bokin'i Estera 8:6 manao hoe: "Ataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko.

Raha fehezina ny toriteny dia toy izao: "Sahia mandray andraikitra". 1. Ny hetsika voalohany tokony atao dia ny tsy mihetsika... fa mivavaka.2. Rehefa hihetsika kosa amin'izay dia tsy ny tapany fotsiny no mihetsika fa ny vatatena manontolo no mihetsika.3. Manana tanjona mazava hotratrarina ho fijoroana vavolombelona. Ny hetsika tsy misy tanjona mazava manko dia ho ezaka verimaina ihany.4.Fahavononana hisedra ny mafy, hoy ilay mpitoriteny iray antsoina hoe Saddhu Seddhar  Sung hoe tsy misy ny La Couronne raha tsy misy aloha ny La Croix.5. Tsy voatery ho andraikitra lehibe no andraikitra omena antsika fa eo amin'ny toerana misy anao no iantsoan'Andriamanitra anao ho vavolombelona. Io dia araka ny tenin'ilay mpitondra fivavahana mainty hoditra Amerikana malaza iray antsoina hoe Martin Luther King hoe: "Na mpamafa lalana aza ianao, ataovy ho toy ny tsapan'ny anjely mety handalo eo fa olon'Andriamanitra no namafa ny lalana teo". Tsy misy olona noho izany ka hamaivanina ny anjara toerany.


Farany : resaka hafa mihitsy Araraoty fa ity faran'ny taona ity ihany koa no hanoloranao ny Best of Malagasy blogs ankafizinao. Na efa nisy nifidy aza dia apetaho ihany satria mikaonty ho anaty fisafidianana ny fahamaroan'ny bolongana na blaogy iray. Dia samy tratran'ny farany izany ary hiatrika Tolona vaovao indray anie e!



Jentilisa, 31 desambra 2009 amin'ny 01:05


Paska eo am-pijerena ny tontolo politika eto Madagasikara

2009-04-12 @ 21:58 in Finoana

Tonga tamiko teo ampamakiana ny Soratra Masina fanao isan-kalina ato an-trano ity abosako ity. Iarahantsika rehetra mahalala fa mandia Paska isika ary eo amin'ny kristiana ny Paska dia mitory ny fitsanganan'i Jesoa Kristy tamin'ny maty rehefa novonoina noho ny helotsika izy ho fanavotana antsika mpanota. Fototra iorenan'ny finoana kristiana izany fa tsy mitaky fanaporofoana sintifika tsy akory. Tsoriko mialoha fa tamin'ity taona ity aho no kamo indrindra nanatrika fotoam-pivavahana fa in-4 no tsaroako raha mpandeha kosa aho isaky ny tonga ny alahady. Ny alahady voalohan'ny taona, alahady fandraisana iray, mariazy vao notontosaina tamin'ity volana ity (nisy fandraisana koa) ary ny tamin'ny alakamisy masina, dia azonareo an-tsaina ihany koa fa tsy nankany ampiangonana aho tamin'ity alahady paska ity. Marihiko kosa fa nampianatra sekoly alahady matetika ihany aho na dia izany aza fa mody hatrany rehefa vita ny fampianarana.

Lasa ny saiko tamin'ny fotoana nitsanganan'i Jesoa tamin'ny maty (Nitsanganany ho velona indray) araka ny voalazan'ny "Soratra Masina". Nanao ahoana ny fihetseham-pon'ny mpianatra rehefa nahita ny Tompo izy ireo? Fihetseham-po telo no tena nisongadina: ny tahotra, ny fahagagana ary ny hafaliana. Nialoha izany dia nisy aloha ny tranga vitsivitsy nosoratana hampiorenana ny finoan'ny kristiana tamin'izany fotoana izany. Teo ireo vehivavy nihevitra ny hanosotra menaka manitra ny fatin'i Jesoa, fa tsy vita izany fombafomba izany noho ny hamehana. Tsy vita io fikasana hanaovana adidy amin'ny maty io satria zavatra hafa no niandry azy ireo, nisy olona (anjely) naniraka ireo vehivavy ireo hilaza amin'ny mpianatra (ny apôstôly indrindra indrindra) fa efa nitsangana tamin'ny maty ny Tompo, nisy ny nandositra ka tsy nilaza tamin'ny na iza na iza ny zaatra nitranga, nisy kosa ny nidodododo nankany amin'ny mpianatra tokoa... marihiko fa izay araka ny voasoratra ihany no lazaiko fa tsy mijery lafiny hafa velively aho eto. Tsy nino ireo mpianatra ireo rehefa nilazana, na raha amin'ny fitenintsika tia manafangaro fiteny dia hoe "tsy possible" izany hoy ny tenin'ny mpianatra. Nisy ihany koa ireo hafa niresahan'ny Tompo teny an-dalana hankany Emaosy ka tsy tonga saina raha tsy efa nanjavona indray ny Tompo. Fa ny tena azo nasongadina aloha araka ny famaky ao amin'ny Filazantsara dia ny vehivavy no nahita maso ny Tompo voalohany.

Noho ny fahakiviana lalina tao amin'ireo mpianatra ireo angaha dia lasa tsy ninoany izay rehetra nilaza tamin-dry zareo fa efa nitsangana tamin'ny maty ny Tompo, ny nampihomehy aza moa ny fitadiavana porofo, araka ny voasoratra dia ny fijerena ilay vata-mangatsiaka tany amin'ny nandevenana azy. Mazava loatra fa ny tsy fahitana ny faty tsy voatery hidika velively fa niala teo izy fa mety hidika ihany koa hoe noesorina teo amin'ny toerany ny faty na nangalarina ny faty. Nihazakazaka nankany amin'ny porofo tsy naharesy lahatra izany ny mpianatra fa tsy niankina velively tamin'ny filazan'ny namany nilaza ho nahita Azy. Be tamin'ny mpianatra (raha tsy izy rehetra mihitsy aza) no tsy nino izay filazan'ny namany fa i (Masindahy) Tomasy irery no toa asongadin'ny olona ho tsy nanana ilay finoana noho ny fahasahiany niteny hoe raha tsy tena mifandray mihitsy ny tananay tsy mino izay lazainareo aho angamba?

Fa rehefa nipoitra teo anivon'ny mpianatra amin'izay i Jesoa, nanao ahoana ny fihetsiky ny mpianatra? Angaha tonga dia nihorakoraka hoe "Haleloia! Haleloia!" ry zareo? Tsia, tahotra no voalohany indrindra tao anatin'izy ireo, dia izay vao hagagana miharo hafaliana! Mety ho nisy horaka tao anatin'izany hafaliana sy hagagana izany nefa mety ho tsy nahaloa-bava koa ireo olona ireo, fa tsy nosoratana aloha ny tahaka izay. Ny nosoratana dia hoe nisy ny niankohoka ary nisy ny tsy nahahetsika fa ny nasetrin'i Jesoa azy ireo kosa araka ny voasoratra dia ny nanome tsiny noho ny tsy finoana izay nolazain'ny namana aloha sy ny fanirahana azy ireo hanambara izany fitsanganana izany amin'ny hafa ihany koa. Fehiny, araka ny fijeriko azy; tsy tonga dia fetim-pifaliana isiana horakoraka be izany fotoana nitsanganan'ny Tompo sy nihaonany tamin'ny mpianatra izany fa fotoana mampangitakitaka mbola feno tsy fahatsiarovantsaina tsara. Miandry fotoana vitsivitsy vao resy lahatra tanteraka tamin'ny fitsanganany ireo mpianatra ireo, nefa tsy niara-nonina hita maso mivantana mandrakizay tamin'ny mpianatra ny Tompo fa niseho taminy matetika fotsiny... Araka ny finoana Kristiana moa dia ny Fanahiny izay mitoetra ao anatin'ny mpino no miara-dalana aminy aty aoriana.

Fa inona no ifandraisan'izany amin'ny tontolo eto Madagasikara amin'izao fotoana? Voalohany aloha, Ravalomanana tsy Jesoa velively ary tsy mety loatra noho ny finoana ny mampitovy ilay olona sy ilay Tena Olona. Ny toe-java-misy ankehitriny fotsiny no nampitodika ahy handinika tsara ny vanim-potoanan'ny nidinan'ny Zanak'Andriamanitra tety an-tany. Faharoa, aleo aho aloha hatory amin'izay fa mbola hifoha maraina hitsangatsangana fa dia mba mitsako fotsiny ny tsirairay.


jentilisa 12 avrily 2009 amin'ny 23:58

Andry TGV: Sao Vavaka fihatsarambelatsihy? (updated at 23:45 Antananarivo)

2009-01-11 @ 09:16 in Finoana

Mety ho maro no ho tezitra fa dia izay no fijeriko azy. Niniako nosoratana talohan'ny fotoam-pivavahana (jereo ny afisy) hotontosaina raha tolakandro alahady 11 janoary 2009 izy ity fandrao raha mahita ny hamaroan'ny olona aho dia hihemotra indray amin'ny fanehoako hevitra. Mananjo hatrany anefa aho haneho ny hevitro na dia tondroina ho fahavalom-bahoaka aza matetika, na mpanakatsakana no filaza azy ankehitriny. Nahoana ary no lazaiko fa vavaka fihatsarambelatsihy no ataon'i Andry Rajoelina sy ny tariny rahariva?  
 

Sary nangalarina tamin'ny gazety Ao raha nivoaka ny sabotsy 10 janoary 2009 teo mba ho hitanareo any ivelan'i Madagasikara.

Voalohany, tratran'ny fihatsarambelatsihy aloha ny Ben'ny tanànan'Antananarivo raha namindra ny fifampiarahabana saiky hotontosaina ny alarobia teo hifanontona amin'ny fifampiarahabana izay fanaon'ny eny Iavoloha isaky ny Zoma voalohany na faharoa amin'ny taona ho fialana sirika. Tsy nihatsaravelatsihy izy raha nataony alarobia ihany ny fifampiarahabana teo amin'ny mpiara-miasa aminy ka tsy tonga fotsiny izao, tahaka ny fanaon'ny filoha teo aloha Pr Zafy Albert, tsy manana antony manokana afa-tsy ny tsy fitiavana ho any izy ny zoma 09 janoary 2009 lasa teo. Efa fanehoana fahalemena sahady iny fomba nialana iny nefa ianao hilaza hanatontosa fotoam-pivavahana ho an'ny Firenena sy ny tanànan'Antananarivo ny alahady 11 janoary 2009.

Mazava tsara anefa ny lazain'ny baiboly raha misy ny toe-javatra tahaka izao ka heverina fa manana olana amin'ny fitondram-panjakana foibe ianao, noho ny faneriterena sy ny fanakatsakanana isan-karazany; Baiboly ao amin'ny bokin'i Matio toko faha-5 adininy 23 sy 24: "Ary amin'izany, raha mitondra ny fanatitrao ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin'ny rahalahinao, ary rehefa miverina vao atero ny fanatitrao." Hanomana fotoam-pivavahana ianao, nefa tsy nanana fanajana ny mpitondra anao tamin'ny famaliana ny fanasana... eny fa na dia tsy mifankahazo aza ianareo... dia efa fahadisoana lehibe eo anoloan'ny vavaka izay kasainao hatao. Misy soratra ao amin'ny Baiboly misy ny taratasy voalohany nosoratan'i Jaona toko faha-4 andininy 20 sy 21: "Raha misy manao hoe: Tia an'Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa ataony ahoana no fitia an'Andriamanitra izay tsy hitany raha mankahala ny rahalahiny izay hitany izy? Ary izao no didy efa azontsika taminy: Izay tia an'Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa." Heveriko noho izany fa na notoroana hevitra diso ny Ben'ny tanànan'Antananarivo hijabaka any amin'ny tsy tokony alehany na tena zavatra hafa mihitsy no nokendrena hatry ny ela.
 
 Sary afisy nopihana tamina toerana tsy azo ametahana afisy tahaka ny nalain'ny mbs tamin'ny rindrin'ny kianjan'i Mahamasina sady tsy azo ametahana afisy no voarara ihany koa ny fanoratsoratana azy. indrisy!

 
Manaraka izany, sao lasa mivadika ho toriteny izy ity, dia misy zavatra azo tsoahina ihany koa ny votoatin'ny afisy: Soratra voalohany indrindra ery ambony ery: Antananarivo mijoro... Nahoana no tsy natao hoe Antananarivo mivavaka ohatra? Toa hafa avy hatrany ny ao ambadiky ny teny: Antananarivo manohitra, manohitra ny fangejana ataon'ny mpitondra azy? Sa mijoro manakory tsara moa izy ity? Fa angaha moa tsy fotoam-pivavahana izy ity no asiana tarigetra toa tsy mifanaraka akory amin'ny zavatra izay kasaina hatao? Dia eo ihany koa ny hoe hitondrana am-bavaka ny firenena sy ny mponin'Antananarivo renivohitra. Ny ankamaroan'ny fiangonana dia efa manana fotoana iraisana isaky ny 29 marsa sy ny fetin'ny fahaleovantena hanaovana izany fitondrana ambavaka ny firenena izany... ny hoe ny mponin'Antananarivo renivohitra indray aloha tsy mbola misy nandraikitra izany manokana... saingy mazava fa tsy vonjy tavan'andro no tokony hanaovana zavatra tahaka izao fa fotoana raikitra mandrakariva... noho izany, tokony ho efa nahalala ny fotoana fanaovana izany fitondrana am-bavaka ny firenena fanaon'ny maro amin'ny fiangonana izany ny ekipan'ny Ben'ny tanàna ankehitriny ka mba nahay niandry izany afa-tsy hoe manan-javatra hafa hokendrena (manao ho fitaovana politika ny fivavahana), na tsy mahalala ireo fotoana ireo akory... ka dia nampiharihary amin'ny hafa ny tsy fahalalany akory ny fivavahana izay hataony.

Farany, tsy atao ho olana velively ny fanentanana ny olona hiakanjo fotsy amin'io fotoana io, fa mba fanao ihany izany, saingy araka ny fijeriko toa tsy ho amina fanompoam-pivavahana velively no handehanan'izay rehetra hankeny amin'ny Kianja mitafon'i Mahamasina fa ho endrim-panohanana fotsiny ny Ben'ny tanàna. Mampiahiahy ahy ihany koa fa tsy tena ilay fotoam-pivavahana no tanjon'ny mpikarakara fa hijery na hanombana ny hamaroan'izay mety hanohina raha avy ny fotoana hihetsiketsika ry zareo hanohitra ny jadona sy ny fanakatsakanana ny fahalalaham-pitenenana... Ka hirosoana na hiatoana amin'ny dingana manaraka... ary dia mbola endrika fanahy tsy madio ihany koa izany. Dia ho inona daholo ary izany raha marina tokoa fa tsy endrika vavaka fihatsarambelatsihy fotsiny?
 
Fanampiny rehefa vita elaela ny fotoana!

Nizotra tsy nisy sakatsakana ny fandaharana rehetra notontosain'ny ffkm Antananarivo renivohitra araka ny filazana azy nandritra ity folakandron'ny 11 janoary ity (efa alina kosa aho no manoratra ho vaovao sy fanehoan-kevitra ho anareo). Tsy nahay naka sary tsara ve ny tao amin'ny iarivo-town satria tsy hita tsara ny sarin'ireo mpitondra fivavahana nitarika ny fotoana sa lavitra loatra ny alitara (ôtely)? Olona roa amin'ireto voatonona manaraka ireto no fantatro endrika tsara saingy toa manjavozavo mampisalasala izy ireo amin'ny sary (ireo anaty fononteny):

Mitarika : Révérend Père Rakotondrasoa Jean Thimoté
Mitoriteny : Pasteur Rakotobe Rajaomanjato (Fjkm Ziona Ambohipo)
Vavaka : Pasteur Ranaivoharivony Herimalala
Soratra Masina : Pasteur Rakotomahandry Ivola (Flm Ambatovinaky)
Tonombavaka : Pasteur Ramaroson Oelinirina
Teny Fisaorana : Ben’ny Tanànan’Antananarivo

Ao amin'ny iarivo-town ny sary: Samy manana ny fijeriny ny tsirairay, mety noho ny fahalalana fa tsy ho tafiditra anaty trano no nahakamo ny sasany... nefa fanehoan-kery no tanjona hahitana ny hamaroan'ny olona hanaraka. Izaho kosa milaza hoe: pour un début, c'était déjà bon!

Tsy nahalala nitatitra ny teny rehetra ankoatra ny an'ny Ben'ny tanàna ny mpanao gazety (satria ny fankalazana ny Ben'ny tanàna angaha no tanjona?) koa dia omena anareo ihany ny teny voasoratra ao amin'ny fandaharam-potoana (marihina fa tsy teny aho noho ny asa aman-draharaha alahady ka namana nahangom-baovao tampoka no nampita tamiko):

Vakiteny 1: Jeremia 31: 1 - 6, Isaia 41: 1 - 4
Vakiteny 2: I Korintiana 13: 4 - 13
Vakiteny 3: Jaona 15: 9 - 16

Araka ny notaterin'ny radio france international androany 11 janoary 2009 tamin'ny folo ora sy sasany alina (ora Antananarivo, Madagasikara) dia ampolo arivony (diso ihany izany raha ny sary no jerena!) indrindra fa ny tanora no tonga nanatrika ny fotoana. Mazava rahateo ny tian'ny rfi nampitaina na izay notsongaina tamin'ireo noraisiny feo:

Ny iray nanambara fa tonga eo izy ho fanombohana fotsiny ihany fa mbola miandry ny manaraka ihany koa izy... izany hoe ny tiany lazaina raha ny fahazoako azy dia efa vonona izy ny hilahatra sy hitokona raha miantso ny Ben'ny tanàna. Ny iray hafa manambara fa tsy tena hivavaka no andehanany tao fa hanohina ny antson'ny Ben'ny tanàna, fa raha hivavaka izy dia efa vitany ny maraina tany am-piangonana izany. Ny iray milaza fa Miozolmana izy ka mandray anjara ao ihany koa amin'ny maha-mizaka ny zom-pirenena azy. Ary ny farany dia manohana ny Ben'ny tanàna izy amin'ny maha-tanora azy satria ilaina mifanampy ny tanora...hehehe.

Ny zavatra hafa voamarika ihany koa dia ny fisian'ny tehaka nandritra ny toriteny satria nahafinaritra dia nahafinaritra tokoa hoe ny toriteny [mahay mitoriteny kosa aloha ny Pasitera Rajaomanjato e!], tsy dia fanao manko izany, indrindra fa ho an'ny protestanta saingy dia nierimberina hoe ny tehaka. Raha manam-potoana hamakiana ireto andinin-tSoratra Masina ireo ianareo dia tahaka ny misy finiavana ho amina hetsika mesianika ny resaka [mesia vaovao tokoa moa ny Ben'ny tanàna? fanaon'ny olona hatrany izany rehefa tena manantena iny olona iny izy, ny Mesia andrandraina koa moa matetika sady fahefana politika iny no fivavahana]



Jentilisa, alahady 11 janoary 2009

Anarana jentilisa ny anarana hoe Jesosy

2008-11-29 @ 11:00 in Finoana

Ataoko fa anarana tsy vahiny amintsika intsony ny hoe Jesosy ilazan'ny kristiana eto Madagasikara ny Tompony sy Mpamonjy ny tenany. Maro ny mifikitra amin'izany anarana jentilisa hoe Jesosy izany na dia misy aza ny fitadiavam-pifanarahana eo amin'ny fiangonana eo anivon'ny FFKM hampiasa ny anarana iray ifanarahana hoe "Jesoa" izay tsy manahirana ahy koa ny manonona azy. Ny fikambanam-pivavahana kristiana sy ny fiangonana vaovao dia saiky mitana avokoa ilay anarana hoe "Jesosy". Ny Fiangonana Loterana Malagasy kosa ny eo anivon'ny FFKM no mifikitra tanteraka amin'izany anarana izany ihany koa, na dia eny anivon'ny fivavahana iraisan'ny FFKM aza, ny telo hafa kosa dia mampiasa tsara ilay anarana hoe "Jesoa".

Raha tonga teto anivon'Imerina ny misionera avy amin'ny LMS tamin'ny fotoana nanjakan-dRadama Rainy dia nampiasa io anarana hoe Jesosy (vakio hoe Jesaosy noho ny olona avo dia avo feo rehefa nitory teny tamin'izany fotoana) io satria izay no nifanakaiky tamin'ny fanonona anglisy hoe Jesus (vakio hoe Jizasy) nahazatra azy. Ny Jesus kosa avy amin'ny teny grika hoe Iesous. Mahafantatra tsara isika, jereo izay anarana Grika manodidina antsika fa saiky manana izay anarana miafara "s" izay avokoa izy rehetra. Ny Grika nametraka ny anarany teto Antananarivo aloha dia i Vassacos nanana toeram-pivarotana teo Antanimena naharaikitra ny anarany eo amin'ny toby fiantsonan'ny fiara mankany Ivato io. Eo amin'ny Jiosy anefa rehefa tsy Jiosy dia Jentilisa izay, koa mazava loatra fa anarana jentilisa izany ilay anarana hoe Jesosy. Koa mahavariana ihany raha misy ny mpivavaka no manaratsy na mihevitra ho zava-dratsy ny teny hoe jentilisa nefa ny anaran'ny Tompony aza nofikirina avy amin'ny anarana jentilisa.

Ny anarana nakan'ny Grika (jentilisa) ilay anarana hoe Iesous kosa dia avy amin'ny anarana jiosy manao hoe Yeshua, tsy moana ny anononana ny "a" farany. Mazava loatra fa nokarohina fatratra ny hitady anarana atao marimaritra iraisana teo amin'ireo mpitari-pivavahana kristiana Malagasy. Ny katolika nandefitra ny anarana hoe Zezo na Zezò(niavian'ny anaram-pikambanana hoe Zezoita) avy amin'ny teny latina hoe Gesu Iesu (misaotra nanitsy ô!). Ny hafa kosa nampirisihana hanala ny "S" farany amin'ny anarana ka nisy ny nanaiky satria mifanakaiky kokoa amin'ny anaran'ny Tompo aza izany satria ny Tompo ho an'ny kristiana dia Jiosy fa tsy jentilisa tsy akory. Noho izany, tsy hitako loatra ny nametrahana ho fehinkevitry ny KMSL (komity Maharitry ny Sinaoda Lehibe) ao amin'ny FLM tamin'ny 12 - 19 novambra 2008 tany Tsaramandroso Mahajangà I lasa teo fa tsy maintsy ny anarana hoe "Jesosy" no ampiasaina ao ampiangonana. Tsy nahala devoly ve ny nanononana ny hoe "Jesoa" tamin'ny asan'ny Mpiandry? Miangavy izay mahalala ny antony aho hamaly eto raha azo atao. Misaotra indrindra!

Mbola resaka hafa ihany koa ny amin'ny Hira ao am-piangonana fa aleo amin'ny fotoana hafa indray izany.

Nodimandry ny mompera Remi Ralibera sj

2008-11-21 @ 19:40 in Finoana

Nolazaina tamiko izy ity fa tsy nahara-baovao aho. Voalaza ary fa nodimandry androany Zoma 21 novambra ny mompera Malagasy fantatry ny maro indrindra teto Madagasikara tamin'ny alalan'ny haino aman-jery. Noho izy mpanentana tamin'ny tamin'ny radio Madagasikara fandaharan'ny fiangonana katolika antsoina hoe "tafa sy diniky ny tanora katolika" no tena nahafantaran'ny maro azy indrindra (noho ny feony somary kentsokentsona izay) ankoatra ny maha-mpanao gazety Lakroan'i Madagasikara azy (Tonian'ny famoahana sy mpanoratra ny lahatsoratra toy ny chroniques de Rasediniarivo). Nisy koa ny fotoana  naha-filohan'ny holafitra mpanao gazety (faharoa tamin'ny taona 1977-1991) azy satria nijoro ho elanelam-panahy ny lehilahy raha nifanipaka toy ny valala an-karona (noho ny safidy politika indrindra indrindra) ny mpanao gazety.

Teraka tamin'ny taona 1926 izy (hafahafa fa tsy nanoratra ny daty feno ny boky navoakany) ary zanaka Malagasy mizaka ny zom-pirenena frantsay. Taranaka Merina Mainty Manisotra, ary sahy nanambara izany tamin'ny fotoana namoahany ny bokiny fa tsy niafina tao ambadiky ny hoe Betsileo noho ny henatra hoe Mainty. Teny tanàna ambony teto Antananarivo no nahalehibe azy. Ny sekoly katolika no nahalehibe azy. Nandalo tamin'ny fiainany mazava loatra ny faharesen'ny tafika Frantsay nanoloana ny tafika Anglisy (nitondra ny fanevan'ny tafika frantsay afaka) ny taona 1942 ka nanefy azy tamin'ny fitiavan-tanindrazana tsy naka an-tendrony, araka ny filaza). Niditra hanolotena hiaraka tamin'ny Naman'i Jesoa (Jesoita) izy tamin'ny taona 1945.

Nianatra tany Roma izy ny taona 1955 rehefa vitany ny fianarana norantoviny teto an-toerana, ary misahana indrindra indrindra ny fitaizana ny tanora ka nahatonga azy ho ray aman-dreny ara-panahin'ny (Ômônie) skoto katolika nandirtra ny 30 taona. Noho ny fitiavan'ny tanora azy no nisamborana ny tenany nandritra ny tolon'ny mpianatra 1972 ka nanaovana sesintany azy tany Nosy Lava. Nanana anjara toerana ihany koa izy tamin'ny nanirahan'ny filoha Ratsimandrava azy hitafa tamin'ny polisy GMP nioko tao amin'ny toby Antanimora (mifanila amin'ny fonja na ny marina kokoa dia ambonin'ny fonja) tamin'ny 1975. Ankoatra izay moa dia efa tonia jeneralin'ny FFKM ihany koa izy ny taona 2001-2005.

Izay no mba fandraisana anjara kely avy tamina protestanta (Loterana) iray ho an'ity lehilahy katolika Malagasy ity. Efa voky andro ihany ny tenany satria nateza tamin'ny fiainana izy (82 taona).

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aogositra 2020 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30 31          
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox