Vaovao androany 050507

2007-05-05 @ 11:38 in Politika

Mahavariana ny eto an-tanàna amin’izao fotoana izao ry zareo. Fantatra moa fa mihamangatsiaka ny toetr’andro fa misy somary mampihomehy ihany. Amin’ny maraina dia misy hafanana ihany. Amin’ny atoandro indray no lasa mitady akanjo mafana (mety ho ao indrindra ny rivotra mangatsiaka) nefa rehefa tolakandro dia miverina mafana indray ny andro ary voatery esorina indray ilay akanjo mafana nanaovana teo. Tena tsikaritra mihitsy io toe-javatra io hatramin’ny alarobia indrindra indrindra. Lasa tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy mihitsy ilay toetr’andro sa ririnindasa tsy tsaroana sahady ? 

  • Eto Antananarivo ihany, miasa mafy indray ny mpampitandro ny fifamoivoizana androany maraina (izay efa namaky ny andavanandron’iarivo moa mahalala ny antsoina hoe Soanagaly iray sy fahefany !)

 dia lasa avy hatrany ny eritreritra hoe hivoaka aiza eto Antananarivo indray ary ny filoha Ravalomanana izany ? Hay tokoa moa anio no manomboka ilay herinandro ikarakaran’ny Advantista ilay fitoriana ny filazantsara lehibe eo amin’ny kianjaben’ny Mahamasina.

Io fitoriana io moa dia nampitondraina ny lohahevitra hoe Asandrato i Kristy (ka ny  t dia natao sarina lakroa somary mifehy ny sarin’i Madagasikara izay, loza indray ity tsy manana fakantsary ity). Ny filohan’ny fiangonana Advantista amin’ny faritra atsimon’i Afrika sy ny Oseana Indiana sady filoha lefitry ny fiangonana Advantista manerantany Atoa Paul Ratsarasaotra, pastora izay hita avy hatrany fa Malagasy no hanao ny famelabelarana isankariva ao amin’io kianjabe io.  

Nanasa olom-panjakana ambony ry zareo amin’ity fanokafana ity. Ireto avy izany nasaina izany : Ny filoham-pirenena Atoa Marc Ravalomanana, ny filohan’ny Antenimieran-doholona Atoa Rajemison Rakotomaharo, ny filohan’ny antenimieram-pirenena Atoa Mahafaritsy Samuel Razakanirina, ny praiminisitra Atoa Charles Rabemananjara ary ny minisitry ny fahasalamana Atoa Robinson Louis. Raha jerena ireo olona rehetra ireo dia tsy misy mivoaka avy ao amin’ilay fiangonana.

Tsy dia mahazatra loatra aloha ny hahitana izany ireo tompon’andraikitra ambony ireo hiaraka amina fiangonana tsy ao anatin’ny ffkm ka asa raha ho tonga daholo izy rehetra anio. Efa azo vinaniana avy hatrany kosa fa ho avy ny filoha hanatrika izany fotoam-panokafana izany. Tsy navela handehanan’ny fiara intsony manko ny lalana mankany amin’ny kianjaben’i Mahamasina androany maraina (mandra-pahavitan’ny lanonana ka efa lasa « nody » ny filoha mazava ho azy).

 Izay efa zatra ny fiainana eto Antananarivo indrindra amin’ny fitaterana dia mahalala fa izay fiara fitaterana mankany Mahamasina avy aty andrefana dia tsy manana zo hijanona eo amin’ny fiantsonana eo Anosy intsony. Noho izany dia voatery teny anoloan’ny tany malalaka Antanimbarinandriana mifanatrika amin’ny ranon’Anosy ihany no fiantsonana vonjimaika. Ny fandehanan’ny mpandeha an-tongotra mazava loatra no lasa iakaran’ny fiarabe. Rehefa lalao goavana eo Mahamasina anefa dia afaka mijanona eo ampitan’ny Kaomisaria ihany ireo fiara fitarerana ireo. 

  • Toliary indray : Zavatra adinoko ny nanoratra azy omaly dia ilay tsy fitenenana momba ilay arina antony faharoa nampikorontana ny mponina ihany koa.

 Nalaza manko fa norarana tsy hahazo miditra tao an-tanàna ny arina. Isika rehetra dia mahafantatra fa eto Madagasikara dia mbola io aloha no fandrehitry ny Malagasy rehefa hahandro hanina. Izay nandre dia nihevitra avy hatrany fa nisy famelomana korontana mihitsy izany fandrarana ny arina tsy hiditra an-tanàna izany. Izay ihany no tena natao mahoraka eran’ny vazantany.

Kanjo olona avy amin’ny mpanohitra ihany no namoaka teny kely (mino aho fa tsy tandrina io teny io ary tsy tao anatin’ny paikam-pandaingana amin’ny alalan’ny tsy fitenenana ny zavatra rehetra) manao hoe nanery ny olona hividy ny arintany (arina avy any Sakoa !) ny mpitondra fanjakana tao an-toerana. Io karazan’arina io izany no hany navela hiditra ny tanàna mba hanajanonana ny fanaovana ny voamboana (io moa no palissandre ?) tsy hatao kitay intsony. Mahalala ny hasarobidin’ny voamboana angamba isika rehetra.

Tsy neken’ny be sy ny maro io arintany io fa lafo loatra. Arivo ariary ny kilao ka tsy takatry ny fari-pananana loatra. Izany hoe niniana nampanginina ny fisian’ity arina tsy misy mpividy ity fa ny saribao avy amin’ny hazo vidiana mora ihany no tadiavin’ny rehetra. Amin’izao fotoana izao moa dia efa nilefitra ny tompon’andraikitra ka navela hiditra avokoa ny arina rehetra. 

  • Toliary ihany ary mbola nohadinoiko ihany koa. Tsy ireo mpandroba loatra no voalaza fa  niteny hoe mandehana mody fa ny tao amin’ny Toby miaramila mihitsy no nanome hevitra ireo nialokaloka tao hoe

 tsaratsara kokoa aminareo raha mody any Antananarivo mihitsy ianareo mandra-pilamin’ny raharaha. Izany hoe na ny tao aza dia mbola mihevitra ny hafa ho « mpiavy » ihany koa. Ny tena zava-doza amin’ity teny ity anefa dia mitady hirona amin’ilay fampiheverana efa nataon’ny mpanjanatany tamin’ny androny ihany fa tsy Malagasy ny ny merina sy ny betsileo ihany koa  « mpiavy » fa avy any amin’ny firenenkafa mihitsy nanafika ireo Malagasy efa nonina teto. Izany hoe araka ireo mpiandraikitra ny toby ireo dia tahaka ny hoe ny fisian’ireo olona ireo mihitsy no olana any an-tanàna. (Dia mahasahia indray miteny fa mpanavakavaka izay mahasahy miteny tahaka izao sy hanameloka ilay fomba fiheverana misisika ambadika ihany).

Dia nisy moa ny nanameloka hoe nahoana ny nambenana mafy ny magro fa ny hafa indray tsy noraharahiana loatra. Dia nisy namaly izany fa ao amin’ny lalam-panorenana mihitsy (hatramin’ny lalam-panorenana teo aloha izany) no milaza mazava fa anjaran’ny fanjakana malagasy ny miaro ny filoha sy ny ankohonany ary ny fananany. Isika anefa mahafantatra fa fananan’ny filoha indrindra ny magro. Izany akory tsy milaza hoe tsy raharahiana ny fananan’ny hafa, tsia ananana adidy avokoa ny fananan’ny olona rehetra. 

  • Mahajanga indray, nikasa hamory vahoaka omaly sy anio ny Komity mpanohana ny Tsia tamin’ny fitsapa-kevi-bahoaka tamin’ny iray volana lasa iny

 hanao fampielezan-kevitra amin’ny tsy mahamety ity lalam-panorenana kasaina hampiharina eto amin’ny firenena ity. Tena tsy vazivazy ka kisangisangy ity lazaiko ity fa izany mihitsy no marina. Malahelo moa ry zareo fa tsy nomena alalana hamory vahoaka ry zareo. Ny tenin’ny tompon’andraikitry ny tanàna no nanao hoe hisorohana ny korontana no tsy namelana azy ireo hamory vahoaka any amin’ny toerana efa mahazatra ho famoriana vahoaka (izay efa tany Mahajanga izany dia tokony hahalala izany toerana izany : mbola tsy tany manko aho). Nihevitra moa ireo Komity Mpanohana ny Tsia ireo fa tsy maintsy hamory vahoaka ry zareo na ho inona na ho inona mitranga. 

  • Any Antsiranana indray dia voatery nody taty amin’ny ray aman-dreniny taty Antananarivo ny mpianatra miisa 50 eo  ho eo noho izy ireo tsy mety mandray anjara amin’ny fitokonan’ny mpianatra any.

Nifanaraka manko ireo mpitokona fa hodorana avokoa ny trano sy ny fananan’ireo mpianatra tsy nety nitokona. Izany hoe amiko dia sahala amin’ny hoe fananan’ireo mpianatra ireo ny trano ipetrahany fa tsy an’ny Oniversite velively. Azo lazaina hoe mitovitovy amin’ny efa nolazaiko momba ny tany Sambava ihany no anton’ity antery voatery nody taty amin’ny ray aman-dreniny aty Antananarivo ity.

Mazava loatra fa tsy maintsy ho nisy ny mpianatra tsy manana sara hodiana. Nifanaraka tamin’ny mpanao fitaterana izy ireo fa rehefa tonga aty dia miantso olona amin’ny alalan’ny finday hitondra ny vola saran’izy ireo. Mpianatra nody avy tany no nanatona ny mpanao gazety ary ny radio don bosco no loharanom-baovaoko amin’ity. Marihina fa tao anaty vaovao mihitsy no namoahana ity vaovao ity fa tsy antso antsofindavitra tsy akory. 

  • Mbola any Antsiranana ihany dia malaza ny tsaho any an-toerana fa misy olona mpaka ankeriny indrindra fa vehivavy mandeha any an-tanàna any amin’ny alina.

Noho izany toe-javatra izany dia tsy misy loatra intsony ny mahasahy mivoaka amin’ny alina nefa fahazaran’ny olona any mihitsy ny mivoaka harivariva, hoy ny tatitra. NIfandraindraika tamin’ilay fakana viavy ankeriny tany amin’ny faritra Sava koa moa ity tsaho ity ka tena nandaitra tokoa. Mangina ny tanàna. Voambin’ny mpianatra tsara ihany koa ny Oniversite ka sarotra ny hidirana any.

  Karazany fehiny ihany dia nampahatsiahy ny mpanara-baovao iray fa efa nampiomana anie ny antoko mpanohitra amin’ny hihetsehany tsy ho ela iray na roa volana lasa izay. Aminy dia efa nomanina ireo toe-javatra hita amin’izao fotoana ireo.

Tohin'ny hafanana anaty

2007-05-04 @ 07:47 in Politika

Dia mitohy indray ity vaovao ity ary ampitaina araka izay tratra hatrany. Ny tena anton’ny rehetra moa dia ny fanakaikezan’ny daty malaza 13 mey (izay nitontona alahady tamin’ity taona ity fa tsy zoma izay misy heviny hafa mihitsy ihany koa moa). Na izany na tsy izany dia isaorana hatrany ny mpampita vaovao rehetra sy ireo mpilaza ny heviny amin’ny haino aman-jery ahafahana mampiseho ny fomba fitenenan’ny Ntaolo ho mbola marina manao hoe : « Ny hevitry ny maro mahataka-davitra ». 

  • Boriziny : Lesona ho an’ireo tompo-menakely mitady hanjakazaka any amin’ny faritra any mba tsy hanaonao foana fa olona misaina ny malagasy. Amin’ny ankapobeny manko dia manjary amin’ny alalan’ny herisetra no anehoan’ny olona lavitra ny foibe ny heviny mba hitodihan’ny mpitondra any aminy.
 
  • Toliary : Ambara matetika amin’ny radio hatrany ny tenin’ny mpitondra any amin’ny faritra na distrika miangavy ireo izay nandositra niala tany an-tanàna fa efa milamina ny any an-tanàna amin’izao fotoana izao.

Mpiantso iray kosa no nanambara fa tsy mbola tena miverina amin’ny laoniny ny toe-draharaha any na dia mihamilamindamina hatrany aza. Nitantara ary izy (filazan’olona niantso ity ka azonao inoana na tsia) fa tamin’ny fotoana tsy namakian’ny olona ny an’ny karana sy ny an’ny filoha Ravalomanana (magro) dia tsara ambina ireo toerana ireo ary tena miasa ny mpiaro ny toerana. Ny an’ny olona hafa kosa dia efa nilaza ny hiaro ny « tompon-tanàna » mba tsy hisy handroba ny entan’ny mpifanolo vodirindrina aminy. Tonga anefa ny mpitondro filaminana avy ao an-toerana hilaza hiaro ny toerana ka dia natoky ireo olona milaza hiambina ny toerana ary dia niala ny fiambenana.

 Kanjo, rehefa tonga ny mpandroba dia nijery fotsiny no nataon’ireo polisy avy ao an-toerana ireo. Tsy nivonona ny hiaro mihitsy izy ireo. Samy nahatsiaro ho voafitaka na ny tompon’ny toerana fivarotana na ny mponina niambina natoky ireo mpitandro ny filaminana nijery sinema ireo fotsiny.Mpitandro ny filaminana misahana manokana momba ny hotakotaka avy taty an-toerana (G6) no tena nandray andraikitra vao tsy sahy mikitikitika loatra ireo mpanararaotra. 
  • Sambava : Nanana ny akony tamin’ny mpamaky gazety maromaro ny tenina mpitarika politika tany amin’ity toerana ity manery ny merina (dia lasa miverimberina moa ity teny ity na dia heverina ho fankahalana aza na dia ny manonona io teny io fotsiny aza) hanaraka ny heviny sy hiaraka aminy fa raha tsy izany dia tokony hody any amin’ny misy azy any.
Ny fanaon’ny olona amin’ny ankapobeny rehefa any amin’ny faritra hafa izy dia miala amin’ny adi-hevitra politika mety hampisara-bazana araka ny mahazatra moa. Samy manana ny heviny manko nefa mbola be loatra ny tsy mahazaka ny hevitry ny olona tsy mitovy amin’ny azy. Noho izany dia tsy ho hita loatra amin’ny fanohanana an’izatsy na izaroa ny olo-tsotra na dia manana ny heviny aza. Ity nataona mpitarika politika ity kosa dia ny manery ny olona hiaraka hivory hiaraka aminy fa raha tsy izany…(efa voasoratra kosa e !). Heverina avy hatrany manko fa rehefa tsy mety hiaraka amin-dry zareo dia tena mpiray petsapetsa amin’ny mpitondra izay. Nanasaro-draharaha ny fihetsika sahala amin’izany.

Tapa-baovao 020507

2007-05-03 @ 12:45 in Politika

Maro loatra angaha ny vaovao tiana hampitaina ka manjary tsy hitako intsony indray izay ampitaina. Niezaka manko aho mba ho iray isan’andro no avoaka nefa mihazakazaka ny toe-draharaha. Noho izany dia atao endrika tapa-baovao no avoaka eto aloha na dia manambara ny hevitro eny antsefatsefany eny aza aho. 

  • Tao Boriziny (Port-Bergé) dia nosamborin’ny mpitandro ny filaminana teo ampivoriana ny filohan’ny fikambanan’ny mpanjifa nikonokonona fitokonana momba ny fahasahiranana azo amin’ny jirama amin’izao fotoana izao. Nilahatra ary ny fokonolona (izay mihitsy no nampitain’ny mpanao gazetin’ny Rnm tany an-toerana tao amin’ny fandaharana ampitampitao) nitaky ny hamoahana io mpitari-tolona io avy hatrany. Nankeny amin’ny tobin’ny zandarimaria ry zareo nanao izany fitakiana izany. Tsy nisy ny fifampiraharahana ka dia tezitra ry zareo ka namonjy ny trano fandraisana olo-mana-kaja an’ny Distrika. Navoakan-dry zareo avokoa ny entana tao sady nopotehiny. Nodorany hatramin’ny trano mihitsy aza.
 Avy eo dia nankany amin’ny fandoavam-bolan’ny jirama ary dia nopotehiny toy izany koa izay hitany tao. Nisy fitoeran-tsolika mahazaka 10.000 litatra tao fa nopotehiny ihany koa io, nolazain’ny tompon’andraikitra tao moa fa mbola nisy solika 5.000 litatra tao anatiny (zavatra very koa ve moa hisy azo anamarinana izany intsony !). Nilaza moa ireo izay nanapotika ny zavatra rehetra tao amin’ny jirama fa aleony tsy misy mihitsy toy izay misy nefa sady tsy mahafapo no asaina mandoa vola hatrany. Vokatr’ireo fihetsehana mahery vaika ireo moa dia navoaka ihany ny lehiben’ny fikambanan’ny mpanjifa tao an-toerana. Nilefitra teo anatrehan’ny herisetra mahery vaika izany ny mpitondra. 
  • Teto Antananarivo kosa dia niara-nientana ny mpiasan’ny jirama ho fiarahana amin’ny mpiasan’ny jirama ao anatin’ny fanenjehana sy ny fikasihan-tanana mihitsy aza. Ankoatra ny fitakiana ny fanondrotana ny karama efa nifanarahan’ny gem sy ny sim io mbamin’ireo fitakiana hafa ihany koa. Efa saiky voavaly amin’ny mahafa-po azy moa ireo fitakiana ireo dia ny fanomezana ny tambi-karama tsy voaloha hatramin’ny volana janoary ny mankaty.
 
  • Efa hitan’ny mpamaky ihany koa ny faneriterena ny mpanao gazety tsy ho afa-manao tsara ny asany any Antsiranana any. Tsy ny mpitondra fanjakana no manao ity faneriterena ity fa ny ankolafin’ny mpanohitra milaza ny teneny ho mpianatra nefa hitrikitrihan’ny mpanao gazety maro fa efa tsy mpianatra intsony ireo. Nisy aza moa ny fakana an-keriny mpanao gazety iray lazain-dry zareo ho mamoaka vaovao tsy marina.
 Fony nandre ity vaovao ity ny maro dia nihevitra avy hatrany fa an’ny mbs ity mpanao gazety ity, kanjo hay an’ny Les nouvelles. Nanao ny asany soa man-tsara indray ny mpanao gazety no tezitra ry zalahy. Rehefa nojerena dia tsy noho ny vaovao loatra no nisamboran-dry zalahy ilay mpanao gazety fa amin’ny mahamerina azy indrindra. Miala tsiny fa nitovitovy ihany ny vaovao navoakan’ny rehetra avy any nefa dia ity iray ity no tena nahatezitra an-dry zalahy. Ny an’ny mbs manko olona tena avy tao ihany no solontenany. Amin’izao fotoana izao moa dia raràny tsy hamoaka vaovao intsony ireo mpanao gazety rehetra any an-toerana. 
  • Eo ihany koa ilay namoahan’ny minisitry ny vola hoe lasan’ny praiminisitra teo aloha ihany ny volabe efa nosakanan’ny fanjakana malagasy mipetraka amin’ny banky soisa iray. Efa azon’ilay olon’ny fitondrana teo aloha tamin’ny volana marsa moa io vola io. Ny zavatra ti’ny minisitra ampitaiina ao ambadika dia tiany ampifanohizana amin’ny toe-draharaha eto an-toerana lasa mikorontana ity nahazon’ny praiminisitra Tantely Andrianarivo ity vola ity. Asa tokoa aloha izay tena fahamariniany any ambadika any.
  

Akon'ny 1 mey

2007-05-01 @ 16:14 in Ankapobeny

Raha ny tokony ho izy dia tsy iasana nefa andraisan-karama ity andro voalohany volana mey ity. Izay no fihevitra voalohany saingy azo atao hoe fanomezana malalaka ny mpiasa hanao ny fitakiany koa ity andro ity. Lasa ihany anefa ny saina mahita ny zava-miseho amin’izao fotoana izao indrindra fa ny eto Madagasikara.

 Miala sasatra any an-trano amin’ny fikarakarana na mitsangatsangana no tena ataon’ny maro amin’ny mpiasa eto Antananarivo fa tsy hihevitra ny momba ny fari-piainany velively. Efa leo nosoavalian’ny mpanao politika ( fa tsy nosoavalian’ny mpamosavy !) amin’ny fitakiana tokoa angaha ka aleo mionona amin’izao. Ny eto Madagasikara rahateo moa tsy maintsy maka alalana amin’ny Prefet (inona tokoa re izao no teny malagasy mahalaza azy ity ? Mpiadidy ?) raha hilahatra an-dalam-be na dia amin’ity andro natokana ho amin’ny fitakiana ity aza. Tsy afaka nanao ny azy manokana noho izany ny Sekrima saiky hanao ny azy teny Behoririka. Ny an’ny Sendika hafa moa dia voalaza fa niainga tao amin’ny tranombokim-pirenena Ampefiloha dia nizotra ho eny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina. Io ihany no filaharana nahazo alalana fa ny ankoatra izay teto Antananarivo dia tsy azo nekena. Fa vitsy dia vitsy ny olona nanatrika izany fotoana izany. Midika ve izany fa tsy manana zavatra hotakiana ny mpiasa malagasy ? Fijeriko fotsiny no manao hoe toy ny manaiky ny toe-java-misy amin’izao izy satria hisy hijapy hatrany izay rehetra mety ho tsara raha fantany fa hahazoany seza iny fitakiana iny. Indrisy ry politika, potikao ny hetahetan’ny mpiasa.

 Fa nifanindry tamin’ny fetin’ny mpiasa koa ny fanomboan’ny fotoam-piasan’ny antenimieram-pirenena sy ny antenimieran-doholona. Talata voalohany amin’ny volana mey manko ny fotoam-piasana voalohany isan-taona. Mitontona anio indrindra izany amin’ity taona ity 2007 ity. Tsy nahita izay tany amin’ny antenimieram-pirenena aho aloha fa ny tao amin’ny antenimieran-doholona no nisy tsipalotro. Tsy toy ny mahazatra manko fa nisy nihira tao amin’ilay lanonam-panokafana ka ny filohan’ny antenimiera Rajemison Rakotomaharo no nanolotra ireo mpihira ireo. Ny hitako moa dia ny antoko mpihiran’ny antenimieran-doholona sy tarika iray avy any amin’ny faritra Boeny any. Mba niova filamatra koa ry zareo izany, hoy aho. Iza koa ary no nanana ity hevitra ity ?

Mendrika hohelohina

2007-04-30 @ 16:38 in Politika

Mpanara-baovao aho indrindra fa ny vaovao mitranga eto Madagasikara. Efa tsy vaovao intsony ny nitranga tany Toliary fa efa maresaka indray aloha. Rehefa tafiditra amin’ny lalina tahaka izao indray ny firenena indrindra fa amin’ny fihetsika tsy dia mahomby loatra dia mijery izay ataon’ny ankolafin-kery rehetra ihany koa aho ary manana ny tiako ambara manoloana izany.

 Voalohany, niandry fanambarana avy amin’ny fikambanana na antoko na vondrona na zavatra hafa aho hihaino izay heviny manoloana iny raharaha Toliary iny ka saiky tena ketraka tanteraka. Toa mbola hitsofoka amin’ny tsy mety kokoa ny andaniny sy ny ankilany ary toa tsy misy loatra mandray andraikitra mitsangana hitsabo ny fery mianjady amin’ny maro amin’izao fotoana izao. Fifanilahana andraikitra sy teny tsy hentitra loatra hampitsahatra ny lonilony no hany hita aloha hatramin’izao. Tsy naheno fanambarana loatra tamin’ny haino aman-jery aho ary tsy nahita fanambarana tamin’ny gazety ihany koa na dia iray aza.

 Ny radio nasionaly malagasy no nahenoana fotsiny miserana fa tsy voarakitra tamina taratasy ho hitan’ny be sy ny maro fa tsy mankasitraka iny zava-nitranga tany Toliary iny ny Olobe ahitana ny foko 18 misy any Toliary. Milaza tsy fankasitrahana ihany koa ny avy amin’ny fiangonana enina dia ny Ekar, ny Fjkm, Ny Flm, ny Advantista, ny Anglikana ary ny Ortodoksa. Raha ny tokony ho izy dia tsara novakiana manontolo ny fanambarana nataon’ireo vondrona tsirairay ireo raha nisy izany. Nisento ihany aho rehefa nahita fa anisan’ny nitsangana ny fiangonana satria mpitaiza vahoaka izy ireny saingy mbola tsy ampy ilay izy amiko fa tokony hivondrona manokana mihitsy ary mijoro hampitony ny raharaha. Moa tsy ny zava-mitranga toy izao no tena ahalalana ny fiangonana kristiana eto Madagasikara ? 

 Fa ny eo amin’ny mpanao politika no tena tsy naharenesana na inona na inona afa-tsy hevitra mahavalalanina ihany. Ny filoham-pirenena moa dia manameloka ny mpanao politika (indrindra ny mpanohitra) amin’ny fanaovana ny tanora ho fitaovana politika hitadiavan-tseza indray. Nefa raha tena misaina izy dia tokony hihevitra izay fototry ny olana nahatonga izao fihetsika mamohehatra eo amin’ny samy mpiray tanindrazana izao. Efa tsy sasatra aho nanambara tany aloha tany fa ity delestazy ity no ho fositra hahavoa azy. Miendrika tsy firaharahiana manko ny tsy mba nitadiavana vahaolana hatry ny ela fa aina sy fototry ny fampandrosoana ny angovo. Toa propagandy politika fotsiny no nataony fa tsy hita izay tena mivaingana hatramin’izao. Nandefa gropy handefasana jiro tany Toliary ny fitondrana dia Antananarivo indray no tapatapa-jiro indrindra fa tamin’ny andron’ny omaly alahady aloha. Famonoana afo ihany izany no nataony.

 Ny tena meloka kosa dia ny avy amin’ny mpanohitra nanome vahaolana tsotsotra tamin’ny alalan’ny fankahalana. Izaho manokana kosa tsy mihevitra ilay izy ho vahaolana na oviana na oviana fa mametraka ny nataony ho fitaizana ny tanora hankahala merina foko iray hatrany. Olona iray ve no tsy tiana dia antokon’olona manontolo no hohelohina ? manaraka izany dia tezaina hatrany fa mpiavy izay olona tsy avy ao an-toerana na dia samy Malagasy izao ihany aza. Izany hoe mbola manjaka soa aman-tsara ny politikan’ny foko nampiharin’ny Jeneraly Gala zato taona lasa izay na dia efa nahaleo tena aza ny firenena. Izay fomba fihevitra manao ny sasany amin’ny Malagasy mbola ho mpiavy izay dia manaporofo fa mbola ho lavitra ny fandrosoana raha ny toe-tsaina iainana amin’izao fotoana izao. Iza no ho sahy hanameloka izay filazana hoe « mpiavy » eo amin’ny samy Malagasy eto Madagasikara izay ? Ny firenenkafa aza efa izao tontolo izao no sehatra iainany !

 Be dia be ny teny tian-kambara fa aleo aloha hatsahatra kely handinihana azy tsara. Ny hamintinana ny resaka dia izao : tsy misy sahy manameloka ny toe-javatra ny rehetra fa mifanome tsiny fotsiny. Rehefa tsy melohina ny tsy firaharahiana ny vahoaka amin’ny ankapobeny hampiaiky ny eo amin’ny fitondrana ny tsi-fetezany hamaha amin’ny fomba hentitra ity delestazy ity dia tena mpanohitra tsy izy no misy eto Madagasikara. Meloka avokoa ny vondrona sy ny fikambanana rehetra tsy sahy miteny fa tena tsy nety ary fady ny fanenjehana vondron’olona noho ny volo-kodiny na noho ny mahangita mahaolioly na mahatso-bolo. Fahadisoan’ny fitondrana ihany koa ny nampiasana ny miaramila avy hatrany nefa tsy natao hitandro filaminana ny raharahan’izy ireny fa hiaro firenena ka izay mifanandrina aminy dia antsoina hoe fahavalo avokoa fa tsy hoe vahoaka. Mbola mila ofanina manokana ny miaramila hitandro ny filaminana fa lasa manapoaka basy amin’ny tsy antony.

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Mey 2025 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox