Soraty... Izao no lazaovy amin'Antananarivo

2017-10-08 @ 21:14 in Toekarena

Tonga amin'ny fotoana lazain'ny olona ho Apokalipsa ny zavamisy eto (ao) Antananarivo. Loza no dikan'ny Pesta na niavian'ny teny hoe pesta, hoy ny mpandalina ny teny. Dia tery ny tena hanoratra, toy ny fanoratr'ilay nanoratra ny Apokalipsa hita ao amin'ny baiboly: "Soraty... Izao no lazaovy amin'Antananarivo". Saingy tsy hoe nifandray amin'Andriamanitra aho na nodidian'Andrimanitra hanoratra nefa toy ny misy manery izany. Tsy mety mahavita tsara ny zavatra tokony atao raha tsy vita izay tokony hosoratana, toy ny hoe ozona tsy afa-manao na inona na inona raha tsy vita izay tokony hosoratana. Izay ve ilay aingam-panahy?


Inona ilay hosoratana? Ny loton'Antananarivo, ny korontan'Antananarivo, ny gaborarak'Antananarivo. Tonga ny fotoana tsy maintsy ilazana fa raha te-hivoatra na te-handroso kokoa i Antananarivo dia tsy maintsy maka izao fanapahan-kevitra mety efa fantatrareo mpamaky izao: Miala eto Antananarivo ny tsena ankalamanjana, na anaty fefy na ivelan'ny fefy, ary miala hatrany amin'ny 20km any mihitsy. Efa voretra loatra ny mponina ka isaky ny alamina dia miverina amin'ny gaboraraka hatrany rehefa avy eo satria heveriny fa izay no "voajanahary" aminy. 


Faramparan'ny volana septambra, andro talata, nalamin'ny polisy kaominaly tsy maintsy ho tafiditra anaty fefy avokoa ireo mpivarotra anaty arabe eo Andravoahangy... dia nanaiky ny halamina ry zareo, nifaneritrery tao anaty tsena tao, hay ve manana toerana ao ry zareo fa tsy tiany fotsiny izao satria maneritery ny fiainany sy heveriny ho tsy hahazoany mpividy? Andro tsena anefa ny alarobia ka dia rava avy hatrany ilay fandaminana nezahina ny omalin'iny. Natao inona fotsiny ilay fandaminana teo raha rava avy hatrany izany ny alarobia? Dia tsy nety intsony ny tohiny fa asabe ho an'izay tokony hanao ilay izy indray. Manao ahoana indray ilay ao an-tsena? Ilay arabe mankao amin'ny toby fitiliana aretina araka ny filazan'olona azy dia mirefy 4metatra ny sakany raha kely indrindra fa bahanan'ny mpivarotra tanteraka ny fidirana mankao ka lalan'olona iray zara raha antonona olona iray no tsy maintsy ifanosehan'izay te-hiditra avy eo. Azo atao tsara ny mampisy lalana fidirana roa na telo fa tena sakanan'ny mpivarotra tanteraka izany fa ilay lalana iray iny ihany no tsy maintsy izorana. Dia mihodikodina ao ianao. 


Fa ao anatin'io tsena io koa feno kizo. Mandeha mahitsy ianao fa rehefa tonga any amin'ny farany dia tsy misy lalana intsony, tampina tampoka ny lalana. Raha misy zavatra nojerenao teo ka mihevitra ny hiverina eo ianao afaka kelikely dia tsy hitanao tampoka ny lalana mankeo amin'ilay saika iverenana. Tsy diso lalana anefa ianao fa nisy mpivarotra iray na roa nanisaka ny toeram-pivarotany antenantenany teo, lasa ry zareo tampoka no faran'ny lalana raha tokony amin'ny sisin'ny lalana no misy an-dry zareo izoran'ny olona eo afovoany. Be ihany koa ny lalana zara raha antonona olona iray fa tsy azo ifanenana, nefa ao ambadiky ny mpivarotra malalaka be azo ametrahana kamiao (tsy milaza mihitsy aho hoe misy mametraka kamiao ao). Izany hoe manao izay tiany ny mpivarotra ary manao izay metimety aminy na ho fanampenana ny lalana aza izany.


Rehefa tonga indray ny folakandro, indreny ny sarety maro mitatitra entana miala an'Andravoahangy ary mizotra ho any Behoririka sy Analakely, hamonjy tsimoramora ny tsenan'i Mahamasina izay hotontosaina ny alakamisy. Tsy izay rehetra nivarotra tao Andravoahangy no hihazakazaka ho any Mahamasina fa tsy vitsy ihany koa ry zareo na izany aza. Matiantoka ny fifamoivoizana fa tsy maintsy manaraka ny dian'ny sarety enti-tanana. Lazaina izany hilazana fa singa iray anisan'ny miteraka fitohanana indrindra eto Antananarivo ny fisian'ny tsena. Raha foanana any io tsena io, foanana fa tsy hoe afindra toerana, dia tsy misy loatra intsony ny ilàna ny sarety sy ny posy. Asabotsy izany moa dia tsy azon'ny fiara misy maotera idirana intsony ny izany Isotry izany. Fa na môtô aza ianao dia sahiranao raha mitetateta ny hitsofoka satria hoe arabe.


Asa raha efa hitanareo ilay lalana mankany amin'ny "Charlemagne" taloha iny fa mandeha ambonin'ny entambarotra ny sarety sy ny fiara, izany hoe sabakain'ny fiara ao anelanelany ao ny anana sy ny legioma amidy amin'ny tokony ladina an-tany. Dia mba mandingadingana ireo hanina amidy ireo ihany koa ny mpandeha an-tongotra. Izany ve no vahaolana amin'ny sady anaovana tsena ny arabe no handehanan'ny fiaran'ny olona mipetraka eo amin'ny manodidina ihany koa? Tsy maka lagy tokoa angamba isika nefa na izany aza dia tafahoatra... tsy maintsy apetraka ny fitsipika... ary tsy omena fakampanahy intsony ny olona hoe androany ihany io no milamindamina anaty fefy fa ny hariva ihany aza dia miparitaka manerana ny arabe indray. Sisa fanafodin'izany? Foanana tanteraka ny tsena ankalamanjana na anaty fefy iafiana tsindraindray rehefa te-handamina iny ny tompon'andraikitra na ivelan'ny fefy ivoahana rehefa reraka ny mandamina ny tompon'andraikitra.


Fepetra tsy maintsy raisina ihany koa ny fandrarana ireo fiara rehetra tarihim-biby na tarihin'olona, ary raràna ihany koa ny fidiran'ny kamiao be velarana na andro na alina fa tsy maintsy afindra amin'ny fiara antonontonony ny entana raha tiana ampidirina eto (ao) Antananarivo. Farany, tsy hoe tolo-kevitra ireo fa tsy maintsy atao raha tiana hivoatra ny tanàna, saingy efa safidintsika mihitsy ny ho gaboraraka satria izay no heverintsika ahafahana mivelona. Omeo tolokevitra hafa mahomby kokoa aho raha heverinao fa tsy mety mihitsy izany fanesorana ny tsena izany. Ho avy indray moa ny faran'ny taona dia hangatahana indray ny fepetra manokana ivarotana isan'andro amin'ny arabe? Eritrereto ihany fa ny Shinoa no mahazo tombontsoa voalohany amin'izany...

2017 Taom-panararaotana

2017-01-29 @ 21:40 in Toekarena

Tsy ho lava resaka aho raha mbola azo atao ihany koa. Misy ny zavatra mampiahiahy ahy, indrindra amin'izao fahatapahan'ny aterineto be mpiserasera indrindra izao raha jerena maika ny zava-misy. Tsikaritra voalohany raha vao tsy nisy fotoana elaela kely ny rano ary nolazaina fa ritra ny reniranon'Ikopa tamin'izany fotoana izany dia ny tabataban'ny gazety, noho ny fanazavana any ambadika any hoe afaka efatra andro dia ho ritra tanteraka ny ranon'i Mandroseza... Nikorontana ny olona ary dia niakatra tampoka ny vidin'ny daba fitehirizan-drano. Dia niresadresaka amin'ny mety ho tsy fahampian'ny vary indray ny minisiteran'ny varotra, fa toy ny iray indray ny gazety, nilaza fa manakaiky ny 2000 ariary na 1900 ariary ny iray kilaon'ny vary, ny harivan'iny ihany dia tafakatra 1800 ariary ny kilaon'ny vary 1600 ariary vao teo.

Ohatra fotsiny amin'ny taom-panararaotana ireo voalazako ireo fa fetsy koa ity mpanome tolotra aterineto-nay ity an! tapaka ny aterineto, nefa mandeha ny youtube, fa raha te-hampiditra ny anaranao sy ny tenimiafina ianao dia tsy hita nanjavonana ilay youtube. Dia tsy afa-mampita vaovao loatra izany izahay raha izany... Antitranteriko izany fa misy manao fetsifetsy manao izay hikorontanan'ny olona hatrany eto ary olona mahafehy ny gazety sy ny fifandraisana izy ireo matoa mahavita mampakatra ny vidin-javatra eo noho eo, sady manararaotra toy ny banga mihomehy alina, satria tsy mahateny ny governemanta sy ny mpitondra ankehitriny.

Jentilisa, Alahady 29 janoary 2017

TanĂ na kanto? Tsena mendrika? Nofinofy sy revin-gadra?

2016-01-23 @ 21:46 in Toekarena

Zavatra nahaliana ahy hatry ny fahazaza ny politika. Mety hahagaga anao angamba izany teny izany hoe fahazaza nefa dia izay no marina. Tamin'izaho folo taona no efa nentin'ny raiko hanatrika fiantsoan'ny Monima (antoko mpanohitra ao anatin'ny Mandatehezana Miaro ny Tolom-Piavotana) ny vahoakan'Antananarivo tao amin'ny Coum 67ha. Tamin'izany fotoana izany no nahalany depiote teto Antananarivo an'i Monja Jaona, izay indrisy moa fa nanenjika Merina taty aoriana. Antananarivo hany mijoro eo anatrehan'ny fitondrana foibe tamin'izany fotoana izany. Ilazako aminao izany fa novolavolaina tao anatin'ny fikatrohana politika ivelan'ny antoko politika aho ary efa nanana ny hevitro manokana ihany koa. Dia marihina eto fa hatramin'izay ka hatramin'izao aho dia tsy mbola nisoratra anarana tamin'ny antoko politika na fikambanana politika na iza na iza. Tsy adinoina ihany koa ny nitondrana ahy teny amin'ny Catalanes, nefa tsy azo itondrana zaza hoe ny famangiana manjò eo amin'ny fomba malagasy, tamin'ny nahafatesan'ny kolonely Ratsimandrava filoham-panjakana tamin'izany fotoana izany... Vao efa-taona monja aho tamin'izany fotoana izany.

Henjana dia henjana sy tsy mbola zakan'ny besinimaro amin'izao fotoana izao ny fihevitra sy fomba fiasa ara-politikako raha izay no azo ilazana azy. Tsy misy mahafapo ahy ihany koa ireo antoko politika rehetra misy eto Madagasikara amin'izao fotoana izao fa izay manakaiky indrindra amin'ny fototra na firehan-kevitro no nofidiako na be aza ny tsy itovizako amin-dry zareo. Raha heverina tsotra dia manana firehana henja-piheverana aho, revolisionera fa tsy mpisolelaka mamitaka mpitondra fanjakana. Tsy hisy hanaiky izany hoe esorina eto Antananarivo renivohitra ny tsena ankalamanjana rehetra izany, na isa-potoana iray ao anatin'ny herinandro aza, nefa dia izay no tadiaviko (ohatra ny tsena alakamisy eo Mahamasina).

Raha amin'ny zavamisy eto Antananarivo dia ataoko fa efa miharihary aminao ny fanohanako ny asam-panadiovana amin'izao fotoana izao. Sarotra dia sarotra io sady mandeha ambony hoditr'akondro ihany koa. Ny nandrafetana ny tanàna mihitsy no olana fototra ary amiko, ohatra, dia tokony nosaziana, na iza na iza, izay nanome alalana tamin'ny fananganana ireo trano fivarotana eo Behoririka amin'ilay antsoina hoe Gauloise taloha eo. Ety dia ety loatra ny lalan'ny mpandeha an-tongotra, na navela hanao ny danin'ny kibony ny nanangana ny trano. Tokony nohalalahana ny lalana na ho an'ny fiara na ho an'ny mpandeha an-tongotra. Tsy tokony ho fiatoana fa fijanonan'ny fiara fitateram-bahoaka ihany koa eo.

Ireo tsena namboarina rehetra teto Antananarivo ihany koa, amiko dia tsy misy mety fa toy ny manenjika hampiditra isan'olona amin'ny toerana kely velarana, manome vahana ny mpangaro-paosy avokoa. Rafitra toy ny mitaiza ny olona hirona amin'ny kivarobarotra fa tsy mametraka ilay olona ho tena mpivarotra mandoa ny patanty sy ireo hetra sy haba rehetra tokony aloa fa tsy mihevi-tena ho madinika tsy mahaloa izany hetra izany. Tsy mety ihany koa ny toe-tsain'ny mpivarotra mamela ny hafa hivarobarotra eo anoloan'ny fandraharahana ataony, izay miteraka fibahambahanana avokoa, mety hahatezitra anao angamba izany fa hoe tsy misy fitserana ny mahaolona mihitsy ve? Amiko dia misy sandany izany fipetrahana sy fiasana eto amin'ny renivohitra izany. Fa raha ny fampidiran-ketra eto Antananarivo aza tsy voafehy dia ahoana ny ifehezana ny fampidiran-ketra manerana an'i Madagasikara? Tsy mahagaga raha manjaka ny kolikoly. Ny endrika tsena ho an'ny daholobe misy eto Antananarivo manakaiky indrindra amin'izay heveriko dia io Pavillons Analakely io, nefa io aza mbola tery loatra ny lalan'ny mpiantsena fa tokony hahatafiditra fiara na dia tsy azon'ny fiara aleha aza, izany hoe amin'ny ankapobeny dia lalana manana sakany efatra metatra raha kely indrindra fa ahafahan'ny fiarabe mpanadio tsena amin'ny alalan'ny fanasana azy amin'ny rano izany. Tokony hanintona olona indrindra ihany koa, tahaka ny taloha ny endrika tsena feno arcades na karazana lalana sy vavahadin-tsena iray mananan karazan'entana manokana amidy.

Arcades natao ho lalan'ny mpandeha an-tongotra irery ihany, tsy azon'ny fitaovana rehetra misy kodiarana andehanana afa-tsy amin'ny sasakalina ka hatramin'ny efatra maraina, fotoana ampidirana ny entana amidy ao an-tsena, soritana fa tafiditra amin'ny fampidirana na famoahana entana eto ihany koa ny fanadiovana sy fanangonana ny fako aterak'izany famindran'entana izany. Voafaritra ao anatin'ny fitaovana misy kodiarana avokoa ireo mandeha motera na voizin-tongotra na voizin-tanana, na apetaka amin'ny kiraro, fa ny hany karazana fitaovana misy kodiarana tokana azo entina dia ireo fitaovan'ny tsena, atosi-tanana, itondran'ny mpiantsena ny entany raisina sy ajanona eo am-bavahady efa misy itoerany manokana. Ireny ihany koa no itondran'ny mpivarotra ny entana amidiny rehefa tsy nahatratra ny ora fampidiran'entambarotra izy. Ny mpivarotra rehetra dia manana velaram-pivarotana sivy metatra tora-droa raha kely indrindra, tsy misy mpivarotra entana mijorojoro an-dalan'ny miantsena miaraka amin'ny zavatra amidiny fa heverina avy hatrany ho mpijirika sy jiolahy izay manao izany ka omena sazy henjana dia henjana. Ny tsena dia misokatra manomboka amin'ny dimy sy sasany maraina - izany dia noho ny sakafo maraina indrindra indrindra - ary ny fikatonan'ny tsena aloha indrindra azo ekena ankoatra ny fotoana manokana dia amin'ny valo ora alina, ny fisokafana farany azo ekena kosa dia amin'ny sivy sy sasany maraina. Azon'ny hafa atao kosa ny mivarotra hatramin'ny sasakalina. Fanadiovana faobe ny tsena ataon'ny mpitantana kosa manomboka amin'ny telo ka hatramin'ny dimy maraina, fandraofana ireo fako nangonin'ny mpivarotra tamin'ny fampidirana entana sy fanasana ny tsena iray manontolo.

Tsy azo leferina ny halatra sy ny fandrobana, ny fanendahana sy ny haro-paosy ao an-tsena ka hatramin'ny 50 metatra manodidina ny tsena fa heverina ho fananihana lapam-panjakana ahazoana ny sazy ambony indrindra, tahaka ny tamin'ny andron'ny Ombalahibemaso. Tsotra ny antony: iankinan'ny ain'ny mpiantsena sy ny mpivarotra, ny aim-bahoaka sy ny fandraharahana ary ny toekarena iray manontolo ny tsena ka miteraka fatiantoka goavana na ho an'ny tsirairay na ho an'ny tanàna sy ny firenena ny fanohintohinana ny fampandehanana ny tsena. Amin'ireo fitantarana sy fanazavana rehetra ireo dia sainina fa tsy kivarobarotra no atao fa tena fandraharahana mihitsy, tsy asan'olon-tokana fa olona maro mifandimby sy mifampita raharaha, tsy maintsy misy ny famoronan'asa. Efa lava loatra sahady nefa zavatra hafa mihitsy no saiky hosoratana fa dia tsakotsakoy aloha izay!


Jentilisa 23 janoary 2016

  

Fomba fampitomboana vola

2015-04-26 @ 09:09 in Toekarena

Nanana ny lazany ary efa voasoratra teto amin'ity habaka ity ny revolisiona tsy naneken'ny olo-tsotra avy eny Ambalambahoaka intsony ny vola misy scotch sy ny vola rovitra. Efa misy ihany moa ny hafetsifetsen'ny sasany fa misy mahay manambatra amin'ny lakaoly indray ilay izy fa ezahiny tsy ho hitanao mandray azy mihitsy ny fisian'ny lakaoly. Ny maha-henjana azy, raha tsy mitandrina, dia misy ny mahay manambatra ny vola tsy mitovy laharana amin'ilay izy, fa be ny tsy hahatsikaritra izany loatra.

Eto indray dia resaka vola ihany sy ny fampitomboana azy no lohahevitra, mety ho gaga amin'ilay lohateny ianao, nefa dia izay ilay izy. Ny mahasoloky na tsia azy indray dia mbola baraingo na amiko na aminao ihany koa. Tsy azoko mihitsy hatreto hoe inona no tena tombontsoany na kendreny fa ny tombatombana ihany no betsaka. Vao tamin'ny herinandron'ny 19-25 avrily ity no nandrenesako ny momba azy ity, tamin'ny 24 avrily 2015 no marina kokoa.

Olona iray mipetraka sy miasa tena ao Anosizato Andrefana ao no nanontany ahy hoe: "Ahoana indray izany vola ariary zato lasa arivo, roanjato lasa roa arivo izany?". Tsy azoko tsara ny fandehan'ny resaka dia nasaiko nohazavainy. Nitantara amin'izay izy fa ambanin'ny sarin'ny Madagasikara amin'ny vola dia misy soratra bitika dia bitika, ka misy tarehimarika izy io. Izay tarehimarika rehetra miafara amin'ny 5 eo amin'io tarehintsoratra sy tarehimarika mifampitohy io no mitombo rehefa atakako dia lasa ampitomboina folo.

 

Gaga fotsiny aho fa tsy mbola fandreko izany. Namaly aho fa angamba vola tsy tokony hivoaka izany vola izany no tafavoaka, ka io marika io no porofony. Eo ankilany dia miaiky aho dia misy ny mahadinika zavatra bitika tahaka ireny, izaho tsy nahalala raha tsy vao izay, fa ny vola ariary zato sy roanjato ihany no tena nahitako azy. Tamin'io andro io ihany dia adinoko ny momba ilay fanakalozana mampitombo vola na dia nikasa ny hanontany any amin'ny toeran-kafa aza aho.

Ny ampitso indray, izany hoe ny 25 avrily 2015, mpiara-miasa iray tao amin'ny birao no nanontany hoe :"Ianareo ve efa nandre ilay hoe manakalo vola ariary zato lasa arivo,roanjato lasa roa arivo, dimanjato lasa dimy arivo?" Namaly azy aho fa vao omaly [zoma] no nandre io resaka io ary nanadino azy raha tsy izy no nanombo-dresaka. Dia raikitra amin'izay ny resakay teo. Andravoahangy sy ny manodidina an'Ankatso rehetra iny izany no efa nandre ilay resaka daholo. Namana iray tao Andraisoro aza nilaza mihitsy hoe ny ariary zato tany aminy no atakalo dimy arivo, ka nilaharana amin'izay ny nankeo amin'ilay olona.

Dia lasa indray ny saina nanontany hoe inona no tena tanjon'izany rehetra izany. Mbola vao eto Antananarivo izy izao fa mety hiely manerana an'i Madagasikara avy eo. Hevitra hafa indray no manombana fa mahantra loatra ilay Malagasy ka omena tsirim-panantenana kely hoe ny ariary zato mety ho lasa arivo na dimy arivo ka tongava aty aminay. Mety ho tanjona ara-psikolojia ilay izy tsy hahamora hikorontana ny olona amin'ny fahantrany. Saingy tombatombana fotsiny izany. Dia mitodika aminao mpamaky aho hoe mba inona tokoa no tanjon'izany resaka izany, araka ny eritreritrao?

Jentilisa 26 avrily 2015

Ny atolotrao sy ny safidiko

2013-10-20 @ 22:26 in Toekarena

Miditra sahady amin'ny herinandro farany amin'ny fampielezan-kevitra isika eto Madagasikara. Toa hoe ho ela ihany vao ho tonga ilay androm-pifidianana sy ny fahafantarana ny vokatry ny safidim-bahoaka. Mitaintaina ny rehetra efa manana ny safidiny fa mbola am-pandresen-dahatra ireo feno fisalasalana sy efa kivin'ny krizy nateraky ny tetezamitatra kosa ireo komity mpanohana sy ny kandida tsirairay avy. Eto vao tena tolona am-batolampy, araka ny fiteny malagasy, ka izay tsy mahatandrina sy mibolisatra no vaky loha. Eto no lala-mahitsy farany, araka ny fiteny frantsay, saingy mety tsy fantatry ny maro amin'ny Malagasy ny tohiny, fa tsy vahiny kosa amin'ireo tia hazakaza-tsoavaly mpanao "trot", ka mampihintsana avy hatrany ny fanaovana fahadisoam-pamindra mihoatra ny in-dimy.

Tsy miresaka loatra any amin'ny kandida hafa any aho fa mivantana kosa any amin'ny kandida tohanako sy ny komity mpanohana azy, ny laharana faha-33, amin'izao ankatoky ny fifidianana ho filoham-pirenena izao. Tsorina fa tsy any amin'ny programan'asanao na ny hevitra sy ny fandresen-dahatra avy aminao no nahatonga ny safidiko any aminao fa noho ianao napetraka tsotra izao ho sariohatry (fr: symbole) ny fiandrianam-pirenena manoloana ny fanindriana ataon'ny firaisamonina iraisampirenena, indrindra fa ny manoloana ny firenena nanjanaka ny Tanindrazana teo aloha dia ny firenena frantsay izany. Tsy sanatria fankahalana vahiny izany fa fijoroana ho tsy manaiky hoambaniana sy tsy manaiky hohitsakitsahana kosa. Fa raha lazaina ho fankahalana ny fiheverana hoe tsy zanataninao, firenena frantsay, intsony aho ka manan-tsafidy amin'izay firenena tiako iaraha-miasa sy ny fomba iarahako miasa amin'ireo te-hiasa miaraka amin'ny fireneko sady mampandroso sy mampivoatra ny olom-pirenena malagasy dia tsy maninona fa raiso hoe mankahala Frantsay aho. Tsy ekeko ny fanjakazakam-bahiny eto amin'ny tanindrazako ka antony lehibe izany hisafidianako ilay napetraka ho sariohatry ny fiandrianam-pirenena nefa tsy asiana fankahalana vahiny.

Misy ireo kandida te-hametraka tombondahiny manokana ho an'ny firenena sy vondron'olona vahiny mpanitsakitsaka ny zon'ny Malagasy, efa zatra ny mitavana maimai-poana ny harem-pirenena sy mividy mora toa tsy manome lanja ny hatsembohana sy ny ron-doha malagasy, tsy mankany amin'ireny velively ny safidiko. Misy ihany koa ireo mpanandratra ny fiandrianam-pirenena sy mihevitra fa afa-miolonolona samirery ny Malagasy, andron'ny fanatontoloana anefa izao ka mety ho famitahan-tena ihany ny fiheverana tahaka izany. Tsy tsara ny miakin-doha ary tsy tsara ihany koa ny miolonolona satria mbola tsy mahavita tena samirery ka ilaina ny miara-miasa amin'ny vahiny, ka samy mahazo tombontsoa amin'izany fiaraha-miasa izany fa tsy mahatsiaro ho voambaka tanteraka ohatra. Antony iray hafa hametrahako ny safidiko amin'ny #33 ihany koa izany. Tsy reko ho efa namaly ny momba ireo ianao izay kandida hofidiako saingy izay no apetrako an-tsorokao ankoatra izay efa nahatonga ny maro ho lasa mpanohana anao indray: ny hampody ny sesintany politika rehetra. Ianao irery no nanitrikitrika io teboka farany io.

Hofidiana ianao satria toherinao ny fanonganam-panjakana miaramila sy sivily. Hasehon'ireo mpanohitra ny fanonganam-panjakana rehetra ny safidiny ho aminao, hitambaran'ny vato ho goavana sy tsy azo hozongozonina, ka na misy aza ireo mitovitovy firehana aminao dia ny fanohanana anao no fanainga tsara indrindra ho famerenana ny hasina very taona vitsivitsy izao.

Tsy mbola ilaina loatra araka ny fiheverako ny manao fampanantenana hafa fa ireny indray aza no ho teboka hafa hamelezana anao rejefa kelikely eo. Avelao ireo mpanotrona no tena hamboraka ny ao am-pony fa amin'ny fihodinana faharoa ianao vao manao ny misimisy kokoa, raha sanatria tsy maintsy idirana ihany izany fihodinana faharoa izany; hevitro manokana iny.

Araraoty ny hamadihana ny safidin'ireo mpanohana ny tolona laoranjy lasa kivy tamin'ny fanomezana tombontsoa tafahoatra ny miaramila sy ny zandary, ka lasa tambin-karama ny efa hanakaramana azy ireo hatrizay. Lazao azy fa na ilay mpitarika ny tolona tamin'izany aza lasa nangalatra ny lokon'ny antoko naongany sy ny laharana misy azy ao amin'ny bileta tokana tamin'ny alalan'ny fametrahana solon-kandida, ka ianao koa aza manaiky tsy mifidy fa fidio ny tohanan'ilay ankolafy naongana fa aza mifidy intsony ny mpaka tahaka. Asehoy amin'ny alalan'ny safidinao fa tsy ny miaramila sy ny zandary ihany no olombelona eto amin'ity firenena ity.

Efa lavalava sahady izay ny voasoratro sady sopapa vitsy ihany io ry kandida hofidiako ( #33 )  fa anjaranao no mandray na tsia, anjaranao ny mandamina. Anjara birikiko amin'ny fanohanana anao ihany ireo. Anterina indray fa tsy mbola ny teninao loatra no anohanan'ny maro anao, ka tsy mila be teny ankoatra izay tena hotanterahinao ianao, fa napetrakay ho sariohatry ny fanoherana ny fanonganam-panjakana sy ny mpanongam-panjakana ianao. Sariohatry ny fanarenana an'i Madagasikara indray ianao, ary tsy niray petsapetsa tamin'ireo namotika ny firenena. Sariohatry ny fijery mahitsy sy mitandro ny rariny ianao ka tsy manaiky ny zara vilana manome tombony manokana ny ao amin'ny tafika. Raha voatandrinao izay faniriana anatin'ireo lasa mpanohana anao ireo dia ho heni-boninahitra izy ireo ka tsy ho menatra amin'ny safidy nataony.

21 oktobra 2013


Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2017 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30    
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox