Iza moa no mahatadidy an’I Gilbert Raharizatovo ilay mpandray vahiny hiady hevitra tao amin’ny Radio nasionaly Malagasy isika tamin’ny fotoan’androny? Iza ihany koa isika no mahatadidy fa izy no nandresy tamin’ny fifidianana ho depiote tany amin’ny fari-pifidianana nisy azy ilay Malagasy nalaza tamin’ny resaka politika nandritra ny fotoana maro dia ny Pasitera Andriamanjato Richard izany? Ataoko fa efa nahare ny anarany farafaharatsiny ny Malagasy mpanara-baovao politika. Nangina ny lehilahy nandritra ny dimy taona, hay nikononkonona hamoaka boky somary lehibebe ihany.
(tohiny)
Tsy honohono na tsahotsaho na fanahiana fa tena miditra amin’ny famonoana ny teny malagasy tokoa ny fitondrana malagasy amin’izao fotoana izao. Ny gazety midi madagasikara tamin’ny sabotsy 22 septambra no nanambara fa novorian’ny minisitry ny fitsarana sady mpitahiny ny tombo-kasem-panjakana ny tonian-dahatsoratry ny gazety mivoaka isan’andro vitsivitsy teto Madagasikara.
Nambaran-dramatoa minisitra tamin’izany ary fa hamoaka didy hitsivolana ny fanjakana. Io didy hitsivolana io (dekre) dia hametra ny gazety hany mahazo ny tolotra avy amin’ny fanjakana rehefa mamoaka tolotr’asa na fanambarana avy amin’ny governemanta na fanambarana ofisialy rehetra avy amin’ny fanjakana.
Voalaza ao anatin’ny famerana ary fa tsy maintsy mahavoaka isan-gazety 10.000 isan’andro io gazety io ary tsy maintsy mpamoaka teny ofisialy roa fahafahakeliny amin’ny teny ofisialy telo ananan’I Madagasikara io gazety io.
Hendratra aho raha vao naheno izany. Iza moa no tsy mahalala fa ny gazety hany miteny malagasy no tsy tafiditra amin’izany, nefa ireo gazety ireo no be mpividy indrindra isan’andro? Ny olan’ireo gazety miteny malagasy ireo anefa dia ny tsy mba ahazoany dokambarotra avy amin’ny orinasa rehetra mihitsy. Ny ankamaroan’ny dokambarotra rehetra manko dia amin’ny teny frantsay avokoa. Efa masaka ao an-tsain’ny orinasa ihany koa fa izay mpividy gazety amin’ny teny malagasy dia tsy mba mahatakatra afa-tsy iny gazaety iny ka vola very maina raha mitonantonana manao dikambarotra any.
Dia ny fanjakana eritreretina mba hanampy ireo gazety teny malagasy ireo indray ity no vao maika mampivoitra izany fomba fisainana manao valalan’amboa ny teny malagasy izany. Nantenaina hanery ny hafa aza izy mba ho ny gazety mpiteny malagasy ihany no amoahana izay tian’ny fanjakana avoaka izay, zavatra aloa vola manko izany mba ho fanohanana ilay teny malagasy, nefa dia nivandravandra fotsiny aho sisa. Farafaharatsiny mba ho ohatra halain’ny rehetra tahaka nefa dia nanara-driandrano tahaka ny deba rehetra ihany. Tena adala aho izany miezaka mandika teny isan’andro ilay sehatra iraisam-pirenena Global Voices noho ny fitiavana ny teny malagasy fotsiny. Adala aho izany raha eto amin’ny vavahadiben’ny blaogy.com no mamoaka lahatsoratra ihany koa na dia misy mahafinaritra aza any an-kafa any.
Dia tsaroako tato anatiko indray ny tononkalo navoakako efa folo taona mahery lasa izay ary avoakako ho hitanareo rehetra anio:
Ny azy sy ny anao
Dia noraisinao ho adidy
Ny nisafidy
Rehefa nolanjalanjainao
Ny vidin’ny azy sy ny anao
Ny azy no dradrainy
Ho tena ilaina
Sy antenaina
Hampivelatra ny saina
Ny anao ny misoko
Dia tenim-poko
Tsy notinoky
Hamoky fahendrena
Ny azy no sahaza
Satria tsy misy ny toa azy
Sady io no fampiasa
Eo anivon’orinasa
Ny anao tsy naranty
Fa nasahato
Mbola velona efa maty
Satria fiteny lany daty
Ny azy no isasarana
Ianarana
Hanome fiadanana
Raha itoeran’ny fitiavana
Ny anao hatramin’izao
Tsy tiana hihavao
Sao
Mandiso indray ny safidy natao
Ny azy no nomena
Ampandresena
Eto amin’ny firenena
Ho mariky ny fahaleovantena
Ny anao ampandeferina
Ka menomenona
Ny iny tokony aherina
No hany averimberina
Ny azy anefa no kendreny
Mba ho fiteny
Iresahana ombieny
Na dia efa antitra aza
Ny anao no tian-kavela
Ho rakitry ny ela
Ka nony toy ny rova may
Vao milelalela ny tahaka izay
Ny azy mihamahery
Mihabe voho
Ny anao mihavery
Satria valalan’amboa
Ny azy izay tratra
Ny hareny
Ny anao mihamahantra
Mahonena
Jentilisa, nosoratana tamin’ny 19 desambra 1995
Ny fanafintohinana momba ilay emeraoda milanja atsasa-taonina teto Madagasikara hita tany La Réunion izao no maresaka teto amin’ny tanàna androany.
Feno ny afisin’ny fampisehoana hataona mpanakanto Shinoa sivy mianadahy tsy misy fantatry ny Malagasy loatra ny toerana natokana ho amin’izany tamin’ny herinandro lasa teo. Heverina fotsiny fa manana ny lazany ireo olona ireo araka ny naverimberina tamin’ny dokam-barotra. Mpihira sy mpanao hakingan-tanana no fahaizana manokana ananan’izy mianadahy avy ary nisy aza ny efa tompon-daka tamin’ny fifaninanana hakingan-tanana tany Monte-Carlo. Na dia tsy liana loatra aza aho ny hanatrika izany fampisehoana izany dia te-hahafantatra kosa hoe manao ahoana ny hamaroan’ny olona ho avy amin’izany fampisehoana izany. Maimai-poana manko ny fidirana ary ny Media Consulting fantatra amin’ny fikarakarana fampisehoana rahateo no nalain-dry zareo hanatontosa azy. Raha nisy vidim-pidirana manko dia mety ho sahirana ry zareo fa ny olona tsy hiditra amin’izany fampisehoana tsy misy artista tena fantatra akory.
Ny alahady hariva ary no nanaovana fampisehoana tao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina. Asa izay mahatadidy fa nampahatsiahy ahy ny fampisehoana hakingana sy fahaizan’ireo mpanao Cirque Sovietika nandalo teto tamin’ny andron’ny revolisiona ity tantara ity. Tamin’izany fotoana izany dia tena nihiboka tokoa ny Malagasy ka tsy tena maharaka ireo mpanakanto malaza tamin’ireny hany ka izay vahiny mandalo dia mampirohotra ny olona hijery fampisehoana mivantana. Televiziona tokana no nisy tamin’ny androny fa izao kosa efa miaina amin’ny fahamaroan’ny haino aman-jery isika. Noho izany tsy maintsy mafonja kokoa ny fampilazana ny fisiany amin’ny olona. Azo heverina fa tafita ny hafatra ka tsy mahagaga raha be no tonga na dia hizaha fotsiny aza. Fampisehoana baojo izany ve? Saingy be no diso fanantenana.
Izaho raha vao maheno hoe maimai-poana dia ny fahamaroan’ny sarambambem-bahoaka no tao tonga an-tsaina avy hatrany. Dia azo eritreretina ihany koa fa be no handalo fotsiny. Na izany na tsy izany, ho an’izay vonona ny hijery dia mila miala aloha any an-trano ka mamonjy izay toerana tsaratsara ijeren’ny tena. Mazava loatra fa tsy ho ny hira mihitsy no tena hahatongavan’ireo olona ireo. Angaha moa eto Madagasikara misy mahalala izay hira malaza misy any Shina any? Ny Shinoa manaraka ny vaovao misy any an-tanindrazany angaha no haharaka izany? Ny hakingan-tanana araka ny eritreritro no tena anton-dia afa-tsy hoe mba mahafinaritra angaha ny mihaino ny feon’ny hira. Nefa hay efa nisy ny tapakila nozaraina mialoha mba hamerana dieny mialoha ny olona ho tafiditra ao amin’ity fampisehoana ity. Iny indray no tsy hitako, hoy aho anankampo.
Raha sainina tokoa dia mety ny hevitra mba tsy hahamaty hasina ilay lapa. Tsy tafiditra izay tsy nieritreritra ny fisian’ny tapakila. Tsy ho hipoka manempotra ihany koa ao. Mampiaiky ahy ihany moa ny sasany amin’ny tsy fanajana ny lalàna mipetraka. Betsaka ny manaja ny hoe tsy azo ifohana sigara ao amin’ny lapa fa tamin’ny famaranana basket tamin’ny lalaon’ny nosy iny no nahitako fa tsy misy miraharaha izany tsy fifohana sigara izany ny maro amin’ny tanora mpifoka (sa ny mpankafy basket ihany no tena madi-doha?) no tsy mety fa asiana tongotra foana ny seza fiankinana. Amin’izay fotoana izay ihany koa dia tsy tokony hisy olona hipetraka eny amin’ny tohatra fiakarana sy fidinana ahafahana mivezivezy tsara. Mazava loatra fa tsy ho tafiditra mihitsy ny maloto akanjo isan-karazany. Misy ny lafiny mahatsara izany nefa misy ihany koa ny lafiny maharatsy azy.
Aleo aloha lazaina fa feno tsara ny lapa, mahavariana ny mijery azy amin’ny fahitalavitra hoe fampisehoana maimai-poana ve dia olona mihaja avokoa no hitanao ao? Misy tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena ihany koa manaraka izany. Ny minisitry ny raharaham-bahiny malagasy sy ny masoivohom-pirenena shinoa no tena fantatra amin’izany. Ny olo-tsotra malagasy tonga teny tsy nisy nanana tapakila ka tsy tafiditra hany ka maro ny tezitra. Saiky nisy mihitsy aza ny fifandonana. Tsy ny mpankafy basket aloha no maro an’isa ka tsy nisy namaky ny vavahady e! naleo nionona tamin’ny fodiana sady mbola kely rahateo ny ankizy ary na malahelo aza ireo tsy misy na inona na inona hafa azo atao ankoatra ny fanambatambazana amin’ny hanina angaha.
Na izany na tsy izany tsy ratsy tsy akory ny fampisehoana. Mahavariana aza ny karazan-kira fa mila hisy itovizana amin’ny hiran’ny taona 60 nefa mitady hisy fifandraisany amin’ny hira revolisionera ihany koa. Ny feony ihany no lazaiko fa tsy misy mahalala izay tonony any na dia mazava be aza ilay teny shinoa iresahan-dry zareo (ho an’izay mahay azy). Mahay mihira ry zareo ary hita miharihary fa anarivony taona ny sivilizasiona nodiaviny. Tsy ambaka amin’ny hira tandrefana (taloha sy klasika) ihany koa na dia izany aza fa tsy nahitako hip hop na ngadon-kira ironan’ny tanora maro kosa. Angamba kolontsaim-panoherana ireny ka tsy tiany ampitaina loatra na mety ho voarara mihitsy aza na andeha atao hoe tsy amporisihana ny fihirana azy.
Tsikaritra ihany koa fa ny petatsanga araka ny filaza no tena nameno ny toerana maro tao amin’ny fampisehoana fa ankavitsiana ihany ny Malagasy. Tsy mahagaga raha ny teny Shinoa no tena nanaovana fanolorana na dia nanao izay ho afany ihany aza i Gothlieb amin’ny fanolorana amin’ny teny malagasy. Vahiny eto amin’ny taniny indray ireo malagasy mba tafiditra tamin’io fampisehoana io. Nihevitra aho hoe maka ny fon’ny Malagasy izy ireo amin’ny fanaovana fampisehoana sahala amin’izao hay lasa karazana fihaonan’ny Shinoa rehetra indray aza no mitranga. Ie! Tena mihamaro tokoa ireto Shinoa ireto eto Madagasikara an! Hita ihany koa fa tena Be resaka ireo izay hita tao…
Malaza ankehitriny moa ny momba ny laza adina Bepc nivoaka mialoha teo. Ankehitriny aho dia hilaza izay fantatro sy hitako ny amin’ity raharaha ity. Tsy ny tamin’ny farany teo ihany fa na dia ny teo aloha aza.
Efa hatramin’ny ela no nisy hatrany io laza adina nivoaka mialoha io ary tsy ny Bepc aza no malaza amin’io fa ny Bacc indrindra indrindra. Tsy re na tonga any amin’ny mpampahalala vaovao izany fa eo amin’ny samy mpianatra no tena miampita. Nampanontany tena mihitsy hoe ahoana ary no ahafantarana mialoha sahady ireny laza adina ireny? Indray atoandro aho (efa nianatra teny amin’ny anjerimanontolo aho tamin’izay) dia nahita teny amin’ny tany malalaka iray akaikina foibem-panadinana ankizy maromaro miara-mijery laza adina matematika an’ny vondrona A2. Dia misy iray amin’izy ireo manorotoro ny famahana ny olana. Notadidiako mihitsy ny ankapoben’ny laza adina. Tonga ny hariva firavan’ny mpiadina dia nanontany ankizy aho mba hijery ny laza adina nataon’ny vondrona A2. Nitovy tsy nisy valaka tamin’ny nohadihadian’ny ankizy niaraka mihitsy ilay laza adina. Teo aho vao nanaiky fa tena misy tokoa ny fivoahana laza adina mialoha.
Dia nampitamberina ny tamin’ny fotoan’andro nanalako Bacc aho avy teo. Izaho moa dia nanaraka ireny fampianarana fanampiny ireny tamin’izany fotoana. Dia nahatadidy aho fa rehefa amin’ny faraparan’ny fotoana dia manome laza adina sarotsarotra ireo mpampianatra no sady namerina ingahy mampianatra fa mifanahatahaka amin’io ny laza adina mety hivoaka. Tsy dia niraharaha izany loatra moa aho fa dia nianarako tsara avokoa ny zavatra rehetra (amin’ny matematika io). Ny mpiara-mianatra tamin’izany moa no nanamarika fa matetika ny laza adina farany amin’ireny fampianarana fanampiny ireny dia maro itovizana amin’ny laza adina mivoaka hatrany. Inona no antony?
Ingahy minisitry ny fampianarana sy ny tompon’andraikitra sasany moa dia nilaza fa sarotra ihany ny antony mety hivoahan’ny laza adina mialoha. Ny rafitra napetraka no manamarika fa ireo izay manao ny laza adina dia avahan-toerana 40 andro mialoha no sady tsy mahazo mifanerasera na amin’iza na iza eny fa na dia ny mifampiantso aza. Matetika io fitenenana io no ilazan’ny tompon’andraikitra fa tsara ny faaraha-maso ny mpanao laza adina. Io indrindra anefa no nahitan’ny sasany hevitra.
Mpiaramiasa ka mifankafantatra ny mpampianatra ka samy mandefa na samy manana ny laza adina omaniny ho amin’ny fanadinana. Matetika mifampihaona izy ireo ka mifanome sopapa any alohaloha any. Ny sopapa eto dia hoe raha tsy hita tampoka aho dia ireto ny laza adina hataoko any amin’ny fanadinana. Dia mifampiandriandry eny ry zalahy sy ry zavavy mpampianatra. Koa raha misy mpampianatra tsy hita elaela dia samy kaopy araka ny fitenenan’ny tanora azy ny rehetra. Ary ataoko fa azonareo amin’izany ny tiako lazaina. Noho izany: efa karazan’ny lany andro ihany ny fanaon’ny mpiandraikitra fanadinana hatramin’izao fotoana izao raha io fomba nolazaiko io ihany no tohizan’ny minisitera. Mety ho tetika hafa koa moa ny manavaka amin’ny efitra iray mpiadina tsy misy akory fa ahafahana mahazo mialoha laza adina no tena tanjona nefa vinavina ihany ity faharoa ity ary ny sefon’ny foibem-panadinana no afaka manao izany aha tsy hoe efa misy omena azy ireny mialoha.
Ao anatin’ny iray volana entina hanandratana ny teny malagasy indray isika amin’izao volana jona izao. Mihetsiketsika fatratra anatin’izany ny mpandala ny teny malagasy. Amin’ity indray mitoraka ity dia fampirantiana roa no hotontosaina eo amin’ny Tahala Rarihasina Analakely zary toeram-pamantarana rehefa misy kolontsaina malagasy tian-kaseho ny be sy ny maro.
Ny voalohany dia momba ny lamba landy sy ny teny malagasy izay haranty mandrapahatongan’ny rahampitso zoma. Voasoritsoritra avokoa ny vokatra malagasy avy amin’ity landy ity sy ireo faritra tena malaza amin’ny fiompiana (fikarakarana manko e !) landy.Ny faharoa kosa dia momba ny voambolan’ny fihariana sy ny fandraharahana ary ny asa ao anatin’ny teny malagasy. Mbola ho avy moa ity faharoa ity ka tsy hitako loatra izay ambara aloha.
Raha vao nampifandraisina ny resaka landy sy ny teny malagasy dia miantefa any amin’ny resaka ohabolana avy hatrany ny eritreritra. Misy vitsivitsy tokoa ireto azo zaraina eto :
Saro-tiana toa landy mohaka
Ambarivatra an-tanimena : mavomavo ihany fa tian’ny landy
Tahaka ny lambamenan’i Vonizongo : ny maty fonosin-dambamena ary ny velona arahim-potsimbary.
Folihala mampita hady : ny tsinay no fetra
Aza atao fihavanam-bato : raha tapaka tsy azo atohy ; fa ataovy toy ny fihavanan-dandy : raha madilana azo tohizana.
Fitia landy ririnina : tohinina vao mihabary maso.
Ny fihavanana toy ny landy : maty isika ifonosana, velona itafiana, ka ny madilana arahim-panondro.
Lamba landy nasoka hodi-nato, mamerina indroa manana ny antitra
Tiako tahaka ny lamba landy : hitafiana raha mangatsiaka, hisampinana raha faly, hisalorana raha malahelo.
Ireo faritra tena malaza amin’ny fiompiana sy ny famolesana landy indray moa dia eto Imerina, any Isandra ary any Androy. Ny any Androy dia toerana tokana no mpanao azy dia ny ao amin’ny kaominina Ambondro, fokontany misy ny Tsimanankariake sy ny ny Marosy samy avy amin’ny Ntelamitihy izay eo amin’ny 27km miala avy eo Ambovombe Androy. Misy karazany dimy ny lamba mivoaka avy amin’ny fanenomana landy ao amin’ity faritra ity (efatra ihany no nosoratany) dia ny :
Lambalande
Mandia vola
Lamba firake
Sokotry (salaka)
Ny mandia vola moa dia natao lamban-databatra tao amin’ny fampirantiana tao. Ny lamba firake no fanaovan’ny olona tsotra mianjaika (fa lambavositse kosa no fianjaikan’ny mpanjaka ary tsy nosoratany teo amin’ny fampirantiana). Nomarihin’ilay nanontaniana fa avy amin’ny lokon-kazo avokoa no andokoana ny lamba (ka izay no mahabetsaka ny loko volontany lokonkazo sy mainty amin’ny lamban’Androy). Ny fitaovana ampiasainy hanamboarana ny lamba moa dia ny lande, ny hasy ary ny hafondramena (naveriko nosoratana araka ny nanoratany azy mihitsy moa).
Ny tao Isandra kosa dia nomarihina fa tamin’ny andron’AndriamanalinaI no tena nampalaza ity resaka ity tany. Izany hoe azo marihina fa taloha na niara-dalana tamin’ny andron’Andrianampoinimerina araka ny fahalalako azy. Ambalavao be lamba landy angaha no foibe itoerany. Misy karazany enina indray ny lamba nampahafantarina ny be sy ny maro avy amin’ity faritra ity. Rehefa jereko dia ny lokony no tena itondrana ny anarany nefa asa izay tena marina :
Sarimbo landy (mitsoriadriaka mena, volombatolalaka, vony ary manja)
Lamba lahasa manga
Lamba mena
Arindrano landy (mitsoriadriaka mainty sy mena)
Tokotsisina ( miakotso mainty sy mena)
Arindrano landy mainty (mitsoriadriaka mainty madinika)
Ary ny eto amin’ny faritr’Imerina ihany koa moa dia fantatra tamin’ny anarana hoe Soherina ny bibindandy. Radama rainy no nandefa mpianatra hiofana manokana ny fanenomana lamba landy. Jean Laborde koa liana tamin’ity taranja ity ka nampiditra karazana bibindandy vaovao amin’ny eto an-toerana. Amin’izao fotoana izao moa noho ny fandrosoana dia efa misy karazany ny lamba landy naseho ny olona liana. Tsy voatery izay novokarina fahiny ihany no tohizana fa mba mamoaka vokatra vaovao ihany koa ary dia efa manana ny anarana mahazatra ny malagasy maro izany :
Meja
Hasina
Irina
HaingoI
HaingoII
Ikala
Landy bakora
Tao ihany koa no nisy sary maromaro mampiseho sarin’ny filohan’ny fikambanana mpikabary malagasy izay vehivavy amin’izao fotoana izao. Rtoa Andriamboavonjy Hanitriniaina R izay nisantaran’ny televiziona malagasy ny fandaharana JJejo tamin’ny faran’ny herinandro teo ka nandeha tao amin’ny zana-pandaharana jejo avo lenta. Sary vitsivitsy mampiseho ireo akanjo vita amin’ny lamba landy manontolo izay lasa haingo fianjaikan-dramatoa. Sary nahavalalanina ireo nanaraka ny fandaharana satria hainy tsara ny nampiaraka ny « hajejoana » sy ny fahamendrehana. Tsy nanao haingon’adala izy, nampiseho azy ho mpanara-damaody amin’ny didin-damba izy nefa hita tsara fa akanjo maneho ny mahamalagasy no anaovany. Indrisy manko fa raha mba tafavoaka teto ny sary.