Resaka dihy: Viva VIVA

2008-11-20 @ 07:42 in Kolontsaina

Tena niniana natao ny teny verindroa amin'ny lohateny fa tsy hoe misy fahadisoana tsy akory. Ankehitriny moa malaza ihany ny fangalaran-tahaka eo amin'ny samy haino amanjery. Mampihomehy moa fa dia misy sarimihetsika iray sady mandeha ao amin'ny toby fandefasan-tsary iray no mandeha ao amin'ny iray hafa ihany koa, ny fatratra dia saiky ampitoviana mihitsy ny ora hanombohany. Ny mahasamihafa azy fotsiny avy eo dia ny halavan'ny dokambarotra azon'ny tsirairay. Midika izany fa mifampitsikilo ry zareo ary tsy atao mahagaga raha samy tsy misy mametraka ny lohatenin-tsarimihetsikany ny tsirairay sao manko ny an'ny hafa no lasa mialoha.

Amin'izao fotoana izao indray dia eo amin'ny fandaharana mampanao fifaninanana mandihy indray no ifandroritan'ny toby mpandefa sary roa dia ny VIVA sy ny rta izany. Saiky diso ny fijeriko tamin'ny voalohany satria nihevitra aho fa ny tv record malaza manokana amin'ny hira sy ny dihy trôpikaly no tadiavin'ny rta tsindriana. Rehefa miteny hoe trôpikaly moa dia raiso hoe ny fampandihizana fitombenana (mandratra ny fiteniko azy saingy izay tsinona ilay izy) no tena itsarana ilay dihy. Gaga ihany aho hoe fa inona koa no nahataitra ny rta mikendry karazana dihy tokana hanambazana volabe ny mpandresy ity (hay ve i jentilisa ity mbola mijery rta e? eny, amin'ny kidaona maraina tsindraindray iny fa aza anontaniana pazzapa aho satria noho ilay tele jeren'ny ao ampiasana nefa eo anoloan'ny birao iasako eo no apetraka ilay vatam-pampitantsary no ahitako azy tsy fidiny).

Voalohany, na ahoana na ahoana tsy maintsy ho maro no hijery ilay fandaharana satria manintona ny kely sy ny lehibe hatrany io resaka maoja sy ny mifanakaiky aminy io. Tsy atao mahagaga intsony raha voalohan'ny pejy tamin'ny midi flash ohatra dia efa Union na couples latsaka fahefany ny sary hita eo. Horaka madinika moa ny an'ny mpianatra nahita ilay filahiana sy ny bonga miaraka aminy miharihary amin'ny gazety natokana ho an'ny rehetra ity, sarim-piraisam-batana ahitana ny vatana manontolo sisa andrasana ho hita amin'ny takelaka voalohany dia resintsika daholo ny firenena tandrefana milaza azy ho tena manana ny fahalalahana ireo satria gazety ho an'ny mpianakavy io. Tena miaiky aho tamin'iny taranja iny fa tena manana fisainan'antitra tsy liam-pandrosoana raha izay no atao hoe fandrosoana ampitaina amin'ny tanorantsika.

Io indray i jentilisa fa mivadi-dresaka, avereno amin'ny resaka dihy fa tsy eo no mampihevi-tena ho soara eo. Kanjo hitako ihany fa hay mampanao fifaninanana dihy amin'ny karazan-dihy maro ny ao amin'ny televiziona VIVA. Hita ao avokoa ny dihy malagasy (tafiditra ao ny dihy amin'ny hiragasy) sy vahiny maro, ny endrika dihy taloha sy ny ankehitriny, fanao eny andalambe na eny an-tsehatra na anaty efitrano mihaja ihany koa, samy manana ny tandrifiny avokoa. Vao eo amin'ny fifanintsanana avokoa moa ireo mpifaninana amin'izao fotoana izao na ho an'ny andaniny na ho an'ny ankilany. Ho an'izay tia dihy na tia ny mijery dihy aloha dia hahazo fahafaham-po tokoa amin'ny fandaharan'ny VIVA STAR io. Samy mba manana ny karazan-dihy mahafinaritra azy eo e! Misy ny dihy ho an'olo-tokana na olon-droa na andiany ihany koa ary azo heverina ho mifanahantsahana ratsy eo ihany ny isan'ny lahy sy ny vavy.

Fa ny an'ny rta raha dinihiko resaka famotehana ny hatsaran'ny fandaharan'ny toby miezaka ny hahazo mpijery ity no tanjona tokana ataony satria mandritra ny firy minitra moa izany no hijery fihodikodina tandrimo fotsiny ianao fa ilay izy mety hoe tandrimo mitsangana na mihohoka na mitsilany ary mihinginingina ihany no hitanao. Nahatsipalotra ilay izy aho fa tena ratsy dia ratsy ny saiko (tsapako mihitsy teo fa ratsy saina ihany aho). Toa varotra sipa ankolaka no fijeriko azy, hisy azy ny vazaha lahy mahita ity fandarahana ity afaka mifantina izay mahay mihetsika hita amin'ny tele, hoy ny haratsian-dohako sady iza indray no tsy efa nandre fa amin'ny fomba ofisialy aloha dia vehivavy malagasy 4000 no nahasahy nanambara ampahibemaso ny faniriany halain'ny vazaha ho vady. Mety tsy ho very anjara ihany koa anefa na izany aza ny lehilahy malagasy mijery azy. Saiky vehivavy ihany manko no mandray anjara amin'ny fandihizana, tsy tadidiko na tsy tsipalotro moa hoe natokana ho an'ny vehivavy ve ity dihy trôpikaly ity fa karazan'ny manjaka tokana aloha ry zareo manangy ao amin'ny rta.

Mahita ny fifaninanan'ny roa tonta moa aho eo amin'ity resaka dihy ity dia miharihary ny safidiko fa io lazain'ny lohateny io. Manana fandaharana tokony hahafinaritra ny VIVA raha tahaka itony. Efa nisy koa moa ny fotoana nifanindry teo amin'ny VIVA sy ny TVM tamin'ny fifaninanana kabary volana vitsivitsy lasa izay ka tsy azoko intsony izay naka tahaka tamin'ny roa tonta na ny fikambanan'ny mpikabary mihitsy no nanatona toby maro ka izy roa no samy nanaiky. Ny fehiny dia hoe: Tsara ny dianareo ry VIVA eto ka tohizo.

Nifidy anao aho

2008-11-08 @ 21:09 in Kolontsaina

Te-hamindra aina aho
  Fa ny afo nandevona likiliky no natolony
Te-hifanapaka amin'ny ivokisako aho
  fa sakafo mafilotra tanaty hanoanana no nomeny
Te-hanoro ny fatsakana nahafa-po ahy aho
  fa namelombelona indrindra izany tanaty hetaheta
Te-hitantara ny fialan-tsasatro aho
  Fa nanadinoana havizanana ny niarahako taminy
Te-hizara ny fahasambarana itohofako aho
  Fa izany no lala-tokana haharetan'ny fiadanam-poko
Dia nifidy anao aho
     Nifidy anao...


Tsy haiko ny hanakombona ny teny fitiavana
  notoriana ho ahy
Tsy efako ny nampiery ny haravoako
  anatrehan'izay rehetra nanoloana ahy
Tsy vatrako ny nampangina ny
  hiram-pifaliana nitosaka sy
    niara-nikoriana tamin'ny rako
Tsy voafehiko ny tsynamindra ny dihim-pihobiana
  nampientanentana ny fo amam-panahiko
Tsy tratrako ny nanafina ny fahafinaretako
  ho ahy samirery
Dia nifidy anao aho hitomboan'ny fahasambarako
     Nifidy anao...

... ... ... ...

Misaotra anao aho ry Kristy jesoa
fa nahazara taminy ny zom-pirenen'ny lanitra


jentilisa 04 septambra 1996

 

matv: Sary ahetsika asolo ny sarimihetsika

2008-10-21 @ 09:25 in Kolontsaina

Tena mifaninana sy mitady fandaharana vaovao hatrany ny haino indrindra fa ny JERY eto Madagasikara. Efa mahazatra antsika ohatra, noho ny hala tahaka avy amin'ny reny malala mba ho amin'ny valo ora alina ny vaovao amin'ny alina amin'ny ankamaroan'ny fahitalavitra eto an-drenivohitra. Efa ifaninanana ihany koa ny mandefa fandaharan-kolotsaina avy eo Madagasikara na  tontosaina eto Madagasikara isaky ny faran'ny herinandro. Fa ity an'ny matv ity indray no hafa.

matv na madagascar television moa no fahitalavitra tsy miankina ara-dalana nijoro voalohany indrindra eto Madagasikara nefa tsy voatery ho izy no be mpanaraka indrindra. Ny rta aloha no manana ny lazany indrindra hatramin'izao araka ny fijeriko azy na dia tsy mpanaraka azy io loatra aza aho. Ny tena marina moa dia tsy mpijery fahitalavitra loatra ankoatra ny vaovao tsindraindray angaha aho. Fa inona aloha ilay hafa ataon'ny madagascar television?

Matetika aorian'ny vaovao alina dia oronantsarimihetsika no alefan'ny televiziona amin'ny ankapobeny. Lahatsaripika tena sariolona sy tanàna nopihina mitohy fa tsy sary novolavolaintanana na tamin'ny alalan'ny computer. Mba ho karazana fitarihandalana ary dia sary ahetsika (déssin animé) indray no hitako nalefan'ny matv tamin'ny zoma sy ny sabotsy alina aorian'ny vaovao. Tsy fantatro ny andro manaraka fa tsikaritra ihany io. Sary ahetsika mpandeha amin'ny ora iasana ihany fa mety tsy ho hitan'ny olondehibe (mihoatra ny 25 taona) noho ny anton-draharaha. Tahaka ny mampihomehy ny mieritreritra ilay izy saingy fantatra tsara kosa fa be amin'ny olondehibe no mpakafy sary ahetsika... fa ilay mahatsikaiky aloha no tena ankafiziny e!

Ny dina ifanaovana

2008-10-17 @ 22:11 in Kolontsaina

Tononkalo iray efa nosoratako tany amin'ny sehatra hafa nefa voafafa no averiko etoana. Efa voasoratra koa ny lohateniny. Eo anila moa dia misy soratra nataoko nanao hoe:"Noho ianao ve no nampiova ahy? Tsia, ny fisainako momba anao sy te-hanana anao". Tsy fantatro ny andro nanaovako io fanamarihana io fa ny tononkalo kosa hovakianareo etsy ambany ihany.

Ny dina ifanaovana

 

Raha amin'ny fiainako ety an-tany
Ianao irery ihany no aina
namelona indray fanahy saiky maina
nanome hery ilay fo nitaraina
nanaitra izato foko, nandrisika ny saina
Eny e! tsy hay faritana raha izany no lazaina

Ianao irery ihany anie ry Tiana
Ilay hany olo-tokana izay nofidiana
Tiako itantarana ny gejam-pahoriana
sy iaraha-manandratra ny hehin-kafaliana
Tsy misy olon-kafa afa-tsy ianao irery ihany
Ianao no fiononako raha toa aho mitomany

Tiako raha ny fontsika no miara-mitempo
miara-manina sy miara-misento
Eny, fantatrao
Tao aminao Rahavana
no nahitako fitia iriko tsy ho lany
Ka ny fandalovana ety hiarahantsika hatrany

Mety ho adala ny fihevitrao ahy
Tsy isalasalako izany ary tsy misy ahiahy
Eny efa fantatrao
Tsy voafehiko intsony izay tsy tokony atao
Tsy mampaninona raha izany
satria ny hiadaladalako ianao irery ihany

Ny foko mihitsy no manome toky
ny teny omeko tsy tenim-boloky
fa raha ny finoako
tsy hohelezin'ny rivo-mifofo
sady tsy hiova no tsy mety hiofo
ny dina ifanaovana tsy misy soloky

Jentilisa, 07 desambra 1992

 

 

Nisy zavatra... [fangaron'ny 1991 - 1995]

2008-10-10 @ 11:58 in Kolontsaina

Ity tononkalo nosoratako ity dia fitambarana tononkalo
Nosoratana tanelanelan'ny taona 1991 sy 1995
izany hoe tamin'ny taona 1995 no nanambarana azy ho toy ny iray.
Marihiko hatrany fa tia nanoratra tononkalo aho aloha
vao nivadika ho amin'ny lahatsoratra malalaka ahafantaranareo ahy.
Mazotoa mamaky amin'izao andro zoma mahalasalasa ambiroa matetika izao.

Ny fanombohana dia efa notsikerain'ny tenako sahady taty aoriana
Efa voasoratra anefa ilay izy: ny fahazazana tsinona sehatra hafa sy tontolo hafa

Nisy zavatra nanala tamiko
ny voaly
mainty ngalin'
ilay fahazazana
ka nidirako fiainana vaovao

Nisy zavatra nanaitra ahy
nandaitra
hampifaly ny foko
hanary toloko
raha toy ny nanjoko aho tao ho ao

Nisy zavatra nanaitra ahy
hampahery vaika
sy hampiriotra
isa-minitra
ka nampanadino ny kitra tanatiko tao

Nisy zavatra nanasoa ahy
tsy hikoa
ka nizorako mangina
ny lalam-pihafiana
Izay miditra mankao

Nisy zavatra nanala tamiko
ary nanjaka
teo anivon'ny laka
ka tsy hihambakavaka
na iza hisompatra na iza hikaka

Eny, nisy zavatra namonjy ahy
Raha saiky voaronjin'
ny fialonana
sy ny sotasotan'
izao tontolo izao aho

Saingy nisy zavatra nanampoka ahy
hidaraboka
raha nananika
ny andry natsatoka
nefa io no nenti-nijoro tsy hataho-draorao

Nisy zavatra nampitombina ahy
hikombona
ary raha irery
tsy mitsahatra ny manjombona
marina moa raha maha-te-hijery!

Fa nisy zavatra nandrisika ahy
sy mbola misisika
hioko
mitady toky
fa sendra raho-mitatao

Nisy zavatra nandavo ahy
nandrava ny
herintsaina
ho be taraina
ny nantenaina no nanjavona tsotra izao

Nisy zavatra tsy nampihetsika ahy
fa nandetika
Ilay sambo nentiko
ho fefika
voateny ho azy ny tafita vao rendrika

Nisy zavatra nampatory ahy
tao anaty sorisory
izay rehetra nomanina
tsy nisy vanona
satria tsy tao ny solika nanodina milina

Nisy zavatra nandrotika ahy
tsy hikofoka;
fo lotika
no namotika
ny fiainako zary mahatofoka

Nisy zavatra nampimalo ahy
mihalohalo;
tsy tanty
ny eritreritra ao anaty
fa izaho irery no mijaly toy izao

Nisy zavatra nampiala nenina ahy
hiverina
hitodi-doha
amin'ny Ray Tsitoha
ary hiankohoka eo anatrehany tokoa

Nisy zavatra nampiarina ahy
tsy hisonanina
anaty arina
izay namihina ahy teo
tsy nahavitana na inona na inona

Nisy zavatra nanala ahy
tsy hivoajamala
anaty valan'ny
fahadalana
fa nampihiratra ny masom-panahiko hatrizao

Nisy zavatra nampitony ahy
tsy hitomany intsony;
novonoiny
irony
fampijaliana nampitalaho

Nisy zavatra nitaiza ahy
tsy hitako hoe aiza
nefa hainy
ny nihaino
ny taraina nihorona tao amin'ny miafina.

Nisy zavatra nampanetry tena ahy
izay ekena
fa nampitombo fahendrena
izany no fandresena
lehibe noho ny fahitana volamena

Nisy zavatra nanova toetra ahy
tsy ho mora letra
amin'ny zava-drehetra
ny halako avy
no nataony ho zakako sy ho namako.

Nisy zavatra naniraka ahy
hampahery ny vizaka
sy ny voahitsaka
mbamin'ny voafitaka
hanadinoany ny zava-nampangitakitaka

Nisy zavatra nandranitra ahy
hiaritra
sy haharitra
satria mahafinaritra
ny mitory hatrany ny fanjakan'ny lanitra

jentilisa

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox