Hiditra tsikelikely amin'ny andian-dahatsoratra momba ny fampianarana aho ka hiainga amin'ity resaka vatsim-pianarana ity. Tsy ilay fandre fa ilay nankalazaina vao tsy ela akory izay. Ireo mpianatra nivoaka tany Etazonia tiana ho reharehan'ny mpitondra fanjakana. ABU na Abilene Christian University any Texas USA ny anaran'ny sekoly, Dipilaoma mitovy lenta amin'ny Maitrise izay ananan'ny mpianatra Malagasy anarivony maro dia maro nivoaka teto an-toerana ihany, fa tsy doctorat mba vitsy mpanana kokoa, nefa dia nandanian'ny fanjakana vola be tsy hita noanoa. Mety nahavotra mpianatra andeha mody atao hoe anjatony ihany izany... saingy izy angaha no tompon'ny fanapahan-kevitra! Ny mampahonena dia mikasa ny handefa mpianatra hafa indray ny fitondram-panjakana amin'izao fotoana izao.
Faharoa manaraka izany, vao nahita ny tany andafy ny ankizy dia miezaka ny hiverina any na dia tsy maintsy miserana kely eto amin'ny tanàna aseho vahoaka aza... fa hiserana fotsiny. Taratra sahady fa tsy hijanona eto Madagasikara mihitsy ireo mpianatra nandaniam-bola manokana ireo. Efa voalaza an-gazety sahady fa hiverina hitodi-doha hiasa any Etazonia sahady ny mpianatra lazaina fa nahay indrindra tamin'izy ireo amin'ny volana nôvambira ho avy io. Nahoana no niantohana vatsim-pianarana izy ireo, ary ny fitondram-panjakana malagasy no niantoka azy raha tsy hiasa eto madagasikara akory? sa mbola mitohy ihany gaboraraka tamin'ny repobilika faharoa izay nampanaovina taratasy ny mpianatra hiasa folo taona eto Madagasikara raha kely indrindra, nefa dia tsy misy manatanteraka izany afa-tsy izay tena misafidy ny hijanona eto sy ny tsy afa-manoatra na dia te-hiasa any ivelany mafy aza? Fandaniam-bola hangalaran'ny olona ny manampahaizana eto an-toerana fotsiny. Raha mpianatra nianto-tena na niantohan'ny ray aman-dreniny dia zavatra hafa indray satria izay no nokendren'ny ray aman-dreniny ho azy fa raha iantohan'ny fanjakana kosa tsy rariny amiko fa karazana fanodikodinam-bola ankolaka ihany. Hevitro ihany izany fa asa ianao raha hitovy hevitra amiko na tsia.
Tsy azoko lavina fa anisan’ny be mpanaraka hatramin’izay ny fandaharana Pazzapa ataon’ny rta na dia tsy fanarako loatra aza. Maro ihany ny fandaharana mifandraika na mitovy amin’ny ataon’ny televiziona hafa eto an-toerana fa tsy misy mahatoraka ary tsy mbola misy mahoraka noho ny azy. Na eo aza izany dia tsy kely ny tsikera toy ny fampanofisana ny tanora halaza vetivety amin’ny alalan’ny hira ka izay angamba no nahatonga azy ireo nandray fepetra tsy handray afa-tsy ny olona mahatratra ny faha-18 ny taonany tamin’ity indray mitoraka ity. Tsy sasatra na dia izany aza ny televiziona hafa mikaroka fandaharana manana ny kanto sy tsara ho ankafizina satria mitandro ny mahamalagasy ihany. Asongadiko manokana amin’izany ny televiziona Malagasy Tvm.
Rehefa alarobia folakandro iny dia somary mifampitohy ny fandaharana vokarin’ny Malagasy sy mitodika manokana ho an’ny Malagasy na dia mety hahaliana ny vahiny ihany koa aza izany. Fandaharana famerenana ireo nefa dia tsy tian’ny mpanaraka azy ho adinoina ary tsy mankaleo aza ny mijery azy indray mandeha raha toa efa narahina izy tamin’ny faran’ny herinandro. Ny fandaharana Anim’Artista sy ny fandaharana J ‘jejo no tiako asongadina eto aloha.
Anim’artista, manasongadina ny kanto malagasy indrindra fa ny hira aloha amin’izao fotoana izao. Raha somary nibahan-toerana ny resadresaka tany aloha tany dia efa nampiana ho betsaka kokoa ny hira raha ho an’ny mpihira. Nefa tsinjoko etoana fa mety tsy hijanona intsony amin’ny lafiny hira ity fandarahana ity raha jerena ny voatendry ho mpitafa amin’izay vahiny nasaina. Nanjary nisy mpandihy na mpanao sarimihetsika manko tao ho ao nanentana, toy ny mampahatsiahy fa tsy ny mpihira ihany no artista fa mivelatra amin’ny fanolokoloana ny kanto rehetra izany.
J’Jejo, fandaharana tokony ho natokana ho an’ny vehivavy raha ny izy saingy mahafinaritra ahy ihany ny mahita tovovavy kanto maro ao anatiny milatro. Tsy anavahana volonkoditra sy fihaviana izany fa tsy mbola nahita mpilatro vazaha aho aloha tamin’ity fandaharana ity. Nahavariana aza tamin’ny fandaharana farany nojereko fa ny mpilatro iray dia tsy niverina fanindroany intsony nitondra fitafy hafa. Efa mihamaro ve ny mpilatro? Somary hafa nefa mifampitohy ny filatro ataon’ny vehivavy efa lehibe manao fandeha tsotra fa tsy amboarina tahaka ny ataon’ny mpilatro tanora, manasongadina kosa ny fahamendrehan’ny fitafin’olon-dehibe amin’zao fotoana izao ary tsy manao ho mampahamenatra ny habe efa vaventy avokoa.
Fa na eo aza ireo fandaharana roa navahako ireo dia manadino ny tena antom-panoratako aho raha izay ihany no lazaiko. Izaho angamba no tsy mahara-baovao intsony fa heveriko ho tsy mba misy mpilaza izy ity nefa tena manandratra ny hakantom-peo sy kolontsaina malagasy. Fantatrareo ve fa misy fifaninanana kabary hoan’ny sokajy rehetra hatramin’ny ankizy ka hatramin’ny efa katraka amin’izao fotoana izao mitety faritra maro? Raha tsy mahalala ianao dia efa nolazaiko anao ary izy ankehitriny.
Tamin’ny alatsinainy alina taorian’ny vaovao ary mialoha ny fandaharana kianja misahana ny fanatanjahantena no tsipalotro ny fandaharana kabary sompi-pahendrena. Mbola sokajy zandriny no naseho, tsy fantatro hoe rahoviana indray no misy manaraka fa rarakivy araka ny fiteny aho mahita ireto tanora herotrerony (mbola zaza ny iray) tafakatra amin’ny dingana manaraka mifaninana amin’izato fandaharam-pitenenana sy lantom-peo mahaliana ny mpitandro ny teny malagasy. Izaho manokana aloha tena mahatsiaro tena fa mbola tena ambany dia ambany amin’ny fitandroana ny teny malagasy miohatra amin’ireto ankizy (tsy ampy taona) ireto. Velona ho azy tanatiko tao ny hianatra kabary ary te-hahalala izay mpampianatra kabary mahay aho nahita azy ireto. Fifaninanana mila safidin’ny mpijery ihany koa izy ity ka manontanintania ihany ny ao amin’ny Tvm. Te-hiteny ny namana ao amin’ny telomiova ihany koa aho hoe asio fampianarana kabary ihany koa ao amin’ny vavahadin-tseraserantsika ao raha mbola tsy misy izany fa mety hanintona olona maro isika amin’izany.
Raha atao hoe dokambarotra ity lahatsoratro ity dia dokambarotra tsy nahazoako na dia ariary na dôlara iray na Eorô iray aza. Fantatro fa tsy hanambola ho amin’izany ny mpitandro ny teny sy ny kanto malagasy ary fantatro fa vitsy an’isa ny mpanambola hanohana izany fanandratana ny teny sy ny kanto malagasy izany ka izao no mba fandraisana anjara kely ataoko. Naleo koa miteny zavatra mahafinaritra hilana voly sy hampilendalenda izay mahatsiaro fa Malagasy rehetra e!
Dia fahatsiarovana ve sisa ny fanapahan-kevitra hanakana
araka izay azo natao ny fiantsonan’ny fiara izay amidy no tena nibahan-toerana
teo Analakely? Nesorina tsy ankiteniteny manko ny fefy rehetra nanakana ny
fiara tsy hiantsona tamin’iny andaniny sy ankilan’ny Arikady iny. Mazava loatra
fa feno fiara “A VENDRE” indray izay azo nijanonana rehetra. Hita mazava tsara
fa ny mpitantana ny tanàna no nanala azy ireny satria voatampina tara avokoa
ireo faritra nanesorana ny vato rehetra.
Ny fanontaniana dia hoe hisy ve ny solony sa dia efa izay
izany? Manaraka izany moa dia efa tafapetraka soa aman-tsara ilay takelaby efa
nolazaiko andro vitsy lasa izay. Tsy mbola misy dokambarotra hita aloha nefa
mampieritreritra ihany raha sarin’ny lapan’ny tanàna vaovao no hapetraka eo.
Ilaina ve ny fandaniana be tamin’ny fananganana ilay takelaby raha tena izay tokoa
no ho eo? Miandry fatratra izay sary hipetraka eo aho fa ianareo aloha tsy
fantatro. Fa na izany aza tena mahavariana raha vitan’ny
240 000 000Ar ilay lapan’ny tanàna vaovao. Mampanontany tena hatrany
manko hoe efa tafiditra amin’io tetibola io ve ilay takelaby mipetaka manakona
ny zaridaina misolo ny lapan’ny tanàna ankehitriny? Tadidiko kosa fa
nolazain’izay nametraka ny zaridaina endrika faharoa eo amin’io toerana io
ihany manko fa nahatratra 200 000 000Ar ny tetibidin’ny nananganana
ilay zaridaina. Dia hoy aho hoe vitan’izany tetibola izany rangahy koa naninona
raha tonga dia ny lapan’ny tanàna no najoro? Tena samy manana ny paikany tokoa
angaha ny tsirairay.
Manaraka izany izay nahadinika dia mahita mazava tsara fa
tsy ilay endriky ny Lapan’ny tanàna may teo aloha intsony no kasaina haorina
(raha hisy tokoa) fa endrika tiana ho amin’ny vanim-potoanan’ny taonarivo
fahatelo angaha. Mifanakaiky kokoa amin’ny endriky ny Arikady andaniny sy
ankilany manko ilay vinavina vaovao fa tsara jerena kosa aloha e! Anjaran’izay
te-hiady hevitra amin’ny tokony hanovana na tsia ny endrik’ilay lapàn’ny tanàna
kosa aloha fa ny mampita vaovao ihany no ataoko.
Zavatra hafa na mifampitohy aminy ihany aza. Izaho dia tsy
nankasitraka velively ny hananganana indray ny lapan’i Manjakamiadana tamin’ny
fotoana nampafana fo ny olona ka efa nahatonga ny andrintrano lehibe hazo iny
aza. Tsy hitako hoy aho raha mbola trano hazo ihany no haorina eo nefa ny hazo
sady mora may no mora boboka. Manaraka izany fotoana fanararaotan’ny mpanambaka
sy ny te-hanankarena vetivety ihany koa ny zavatra sahala amin’ireny ka tsy
nandrotsa-bola ho amin’ny fananganana azy mihitsy aho. Ankehitriny, noho izy najoro
amin’ny alalan’ny vatosokay (ciment ka lasa béton) dia faly aho na dia mbola
andalana aza ny fanarenana, hita tsara manko ny fandroson’ny asa, nefa voahaja
tsara ny endrika nananany talohan’ny nahamay azy. Io vatosokay atao andrintrao
io koa anie tsy maintsy rakofana hazo mba ho toy ny teo aloha ihany fa hafa
kosa aloha ny hamafiny amin’izay fotoana izay. Mitohy ihany ny asa na dia re
aza fa mbola tsy ampy be dia be ny vola enti-manao amin’ny fanarenana azy.
Efa bebe ihany izay ny gazety eto amin'ny tanàna izay raha mitovitovy daholo ihany izay ambarany, ka jerena avokoa ny lohatenim-baovao avoakan'izy ireo. Dia lasa ny saina mieritreritra hoe mety hahazo mpanjifa ve raha mbola misy gazety vaovao mivoaka indray? na gazety mivoaka isan'andro io na gazety mivoaka isa-kerinandro. Ahoana ny mety ho eritreritrao ho takelaka mbola banga eo amin'ny tontolon'ny fanaovan-gazety malagasy ka hahatafitra izay vaovao mikendry ny hahomby na ho tafiditra soa aman-tsara na hahaliana ny mpamaky ny zavatra avoakany? Ny vaovao amin'ny teny malagasy no tsara kokoa sa ny vaovao amin'ny teny frantsay?
Loza mihitsy ity fiakinandoha amin’ny aterineto ity, fa
tsy hay kosa aloha izy ity na mahadomelina na mandranitra. Nieritreritra ny tsy
hikitika solosaina aty an-trano mihitsy aho androany alahady, fa tsy maintsy
mikirakira azy mandritra ny fotoam-piasana, ho karazana fialantsasatra saingy
e-he, nipololotra indray ny aingam-panahy. Revo tamin’ny fandaharana
Anim’Artista na dia tsy ampy atsasak’adiny akory aza izay nojerena. Avela any
ny filoha sy ny fahatezerany tany Toamasina amin’ny “asa tsy mandroso” satria
rehefa dinihina toa noho ny tsy nahazoan’ny Alma (Asa Lalana Malagasy) ny tsena
no mety ho ao ambadika ho fanomanana ny saina rehefa tonga ny fotoana esorina
amin’ny Shinoa ny tsena dia omena ny orinasany.
Fandaharana mandeha isan’alahady alina ao amin’ny tvm ity
Anim’artista ity. Ny mampiavaka azy dia artista no asaina nefa artista ihany
koa no manentana, na manasa sy manontany ny vahiny, tsy adino (samy hafa
amin’ny noadinoina) anatin’izany ny talentan’ny nasaina fa mandravaka ny
fandaharana eny ihany. Tsimialonjafy tokoa ny fandaharana satria hita ao avokoa
ny karazam-boninkazon’ny kanto malagasy amin’ny ankapobeny avy amin’ny lafy
valo sy isa-taranaka ihany koa, na tanora vao misondrotra io na ny efa antitra
mitezotezo.
Mpanao vako-drazana ela nihetezana fantatra kokoa amin’ny
anaran’ny tarika no nasaina tao dia ny tarika Ny Voninavoko izany, ary tao
mazava ho azy ny lehibe nanorina azy dia i Dadagaby. Efa be taona tokoa saingy
tsy manaiky gisitra haneho ny talentany. Tsiriry ahitra ve? Raozy mavokely? Sa
Zanak’Iarivo? Santionan’ny hira ahafantarana ny Voninavoko izany. Mety ho efa
nokaloinao ny hira aza saingy tsy fantatrao izay tena mpihira azy. Fa raha
mpihira ny ampahan’hira firedon’ny mpijery fanatanjahantena Malagasy
mpamelombelona ny iô! Iô! iô ôhô! Ianao dia tsarovy fa nosintonina avy amin’ny
hira mitondra ny lohateny hoe raozy mavokely ianao izay.
Fa inona no nahatery ahy hanoratra noho io fandaharana io?
Malaza dia malaza eto amin’ny tanàna amin’izao fotoana izao ny hira mampandihy
fitombenana. Izay mihetsika iray dia io fipelipeliky ny malesa io no
hisintonana mpijery. Manao azy avokoa ny bodo sy adala rehetra io hany ka na
dia ry Francis Turbo sy ny Gothlieb aza boboka tanteraka, nampisy adihevitra
azy ireo tamin’ny mpihaino mihitsy moa ny nilazan’izy ireo ny heviny momba ny
dihy ankehitriny io. Rehefa be loatra tokoa anie ny sira mampangidy e! Endrey
kosa fa hay tena misy fahafinaretana ny mahita dihy tsy ahitana io
fampandihizana fitombenana io mihitsy. Revin’antitra ve izany? Raha izany dia
efa antitra mihitsy aho.
Nahatery ahy hanoratra ihany koa ny mahatsapa fa tsy
hahavory olona firy (eto an-drenivohitra) mihitsy ny mpanao vakodrazana raha
hanao fampisehoana fa na izany aza dia misy ny lalana ahafahana manampy ireny
mpanao vakodrazana ireny. Tsy hevitra vaovao fa fahita ihany rehefa misy ny
fanasana amin’ny fampakaram-bady ka tiana hakotroka ny raharaha. Mba manasà ry
zareo mpanao vakodrazana rehefa misy fotoana lehibebe hampisehoana amin’ny
taranaka ho avy fa misy anie ny karazan-dihy an’ny Malagasy izay tsy mba
mandeha amin’ny haino amanjery loatra e! Asehoy ny zanatsika fa manana izay
antsika madio mangarangarana ihany koa isika malagasy na dia saiky ireo
sarangan’ny tsy mpigalabona loatra aza ny ankamaroan’ireo mpanao vako-drazana
ireo. Famporisihana azy ireo hanohy ny fitandroana ny kazarankira ihany koa ny
fanomezana valinkasasarana ho azy ireo satria fandaniana ihany koa anie na dia ny
mitondra olona maromaro aza e!