Indray andro, hono, Asaramanitra

2010-09-09 @ 23:36 in Kolontsaina

Mety ho gaga ny maro raha manoratra Asaramanitra amin'ity antenantenan'andro ny tena. Misy antony kely anefa raha nanoratra aho na dia teo dia teo aza ny hakamoana tsy te-hanoratra. Maro sahady ny toe-draharaha sy zava-nitranga teto amin'ny firenena saingy tsy voasoratro ireny, toy ny fahalasanana artista fanta-daza. Tsy midika velively izany fa tsinontsinona ireny na zava-bitika eto amin'ny firenena. Ny antsipirian-javatra tsy sahin'ny gazety natao lohateny lehibe aza no tena maresaka eto amin'ny tanàna rehefa mifampiresaka ny olona nanodidina ahy, dia ilay horakoraka nitranga tao amin'ny Lapan'ny kolontsaina. Saingy ialàna tsiny indrindra raha tsy manitatra loatra momba iny raharaha iny aho fa anjaran'ny tsirairay no mamakafaka. Tsy manakana anao tsy hiady hevitra koa anefa izany.

 
Hiverina any amin'ny ambaran'ny lohateny amin'izay aho. Raha teo amin'ny kolontsaina Malagasy (Merina angamba no marina kokoa) dia ny andro fahasivy amin'ny volana fahasivy tamin'ity taona ity no Asaramanitra Merina izay arahin'Anosimanjaka amin'izao fotoana izao raha ny reko, nefa, tamin'ny namakiako ny boky fahiny momba an'Andrianampoinimerina dia ny Fandroana ihany koa izay notapahiny hankalazain'ny rehetra teo ambany fahefany. Ny tsaroako indrindra manko dia nifanindry amin'ny Eidy Miozolomana mandrakariva io Fandroana na Asaramanitra nankalazaina teto Afovoantany io. Nisy ny nametraka na nampiely andro hafa ho Alahamadibe, ary nomena vahana tamin'ny haino aman-jery tamin'ny fotoan'androny (martsa-Avrily), saingy tsy nandresy lahatra ahy loatra ara-pahalalana izany (sady tsy nandresy lahatra ahy ara-pinoana na ara-kolontsaina rahateo). Taombaovao Malagasy tokoa ny Fandroana na ny Asaramanitra, ary nataon'ny taloha nifanindran-dalana tamin'ny taombaovao gregoriana... na dia tsy tena nahazo vahana teto loatra aza io fanisan'andro gregoriana io nialoha ny fanjanahantany.

 
Dia marihiko indray mandeha ihany koa fa nanana ny lanjany tamin'ny Malagasy, indrindra teto afovoantany, io Asaramanitra io fony Faha-Mpanjaka. Tsy anavahana io na kristiana ianao na mpandala ny nentin-drazana fa tamin'io fotoana io no niezaka namonjy ny tany niaviany avokoa ny any am-pielezana rehetra sy izay nila ravinahitra toerana lavitra any fa fihaonan'ny fianakaviana manontolo io... izany hoe samy namonjy ny ambanivohitrany avokoa ny Malagasy tsirairay tamin'izany fotoana izany mba hifety. Mazava loatra fa rehefa vory lanona ny fianakaviana dia misy ny omby vonoina ary makotrokotroka avokoa ny fety any an-tokantrano tsirairay avy any. Hevitro manokana dia niainga avy amin'ity fandroana ity no nahatonga na nampiroborobo ny famadihana amin'izao fotoana izao. Mazava loatra fa raha miteny hoe hevitra aho dia tsy voatery ho izay no marina, nefa avoakako ihany ilay hevitra hifampidinihan'ny rehetra.

 
Tamin'ny voalohany dia manaraka ny volana ny fanavahana ny andro sy ny volana ka tsy atao mahagaga raha niovaova ny toerana misy ilay taombaovao. Tsy hatao hamaky loha antsika ny fanazavana lava fa hevero ho toy ny fifindrafindran'ny fetin'ny Paska eo amin'ny Kristiana no mba ifindrafindran'ny taombaovao ihany koa tamin'izany fotoana izany. Ny somary iavahany dia eo amin'ny fotoanan'ny Paska izay eo anelanelan'ny tapaky ny volana martsa ka hatramin'ny tapaky ny volana Aprily mandrakariva mandavataona, ny taombaovao na ny Eidy kosa tsy voafetra tahaka izany fa dia jerena fotsiny hoe aiza no tsinana ny volana manaraka ny antokon-kintana Alahamady dia izay. Nosimbain-dRanavalona fahatelo izany tamin'ny fotoana nanjakany ka navadiny ho fotoana raikitra (manaraka ny fanisana gregoriana) ny fanatontosana ny Taombaovao malagasy (merina) dia ny 22 novambra izany. Narahin'ny ambanilanitra mandrakariva ireny fanapahan'ny Andriamanjaka ireny, na dia mety ho nanova zavatra be dia be teo amin'ny fisainan'ny vahoaka aza.

 
Mariho mazava tsara fa nandritra ny fankalazana ny taombaovao (fetin'ny fandroana) farany nialoha ny fanjanahantany indrindra (22 novambra 1895) no tena niroborobo ny fikomiana nataon'ny Menalamba voalohany hanoherana ny vazaha ka namonoany izay vazaha rehetra hitany sy ireo namofompofona vazaha rehetra. Tsotra ny antony nahamora ny famelona izany fikomiana izany, eo avokoa no tafavory ny fianakaviana ary amin'ny taombaovao ihany koa no be ny olona manao voady. Noho ny fahatsapana anefa fa voahitsakitsaka ny fiandrianam-pirenena (Hasin'Andriamanjaka eto) dia be ireo mahatsapa tena ho manana adidy amin'ny fanosehana ny mpanjanatany, toy ny hoe tsy afa-mifaly kosa aho raha ziogaina ny fireneko. Ny fotoana tahaka ireny ihany koa no mora ifanondroan'izay mitolona rehetra hanombohan-draharaha, sady fotoama-panombohan-draharaha indrindra ny fotoana tahaka ireny. Nisy koa moa no nilaza (Stephen Ellis) fa nandritra ny taombaovao malagasy manara-bolana ihany koa no namelomana ny fikomiana 29 martsa 1947 fa aleo ho anjaran'ny mpahay no manamarina na mandiso izany.

 
Fa inona kosa no nahalefy ity fetin'ny fandroana ity? Fantatry ny Frantsay fa ity taombaovao ity no karazana fety lehibe indrindra ho an'ny Malagasy (Anivontany indrindra indrindra) ka notapahiny fa hotontosaina isaky ny 14 Jolay isantaona ny fankalazana izany Fandroana izany. Ataoko fa tsy mila hazavaina amintsika ny hafetsena nananan'ny mpanjanatany tamin'izany lalàna napetraka izany. Raha somary tsinjovina ihany koa ny antonta-kevitra nisy dia nanaiky ihany ny maro saingy nisy hatrany ny nanao fandroana araka ny andro tondroin'ny mpahay azy an-tsokosoko, niova endrika ny antsoina hoe famadihana ka tsy ireo havana nilevina an-toeran-kafa no nafindra hiaraka amin'ny razambeny any amin'ny fasandrazany fa ireo razana ampasandrazana hatrany no nofonosina dia naverina tamin'ny toerana nametrahana azy. Dia izay ilay heveriko hoe nataon'ny mpandala nentin-drazana hiofo ho famadihana ilay fandroana tamin'ny andro fahiny saingy tsy dia an-kiteniteny loatra moa izany. Fantatry ny Frantsay ihany ny fisian'ny famadihana ka nametrak lalàna indray ry zareo fa amin'ny ririnina (efa fantatry ny mpanao azy hoe volana inona ka hatramin'ny volana inona moa izany) ihany no azo hanaovana ity famadihana ity. Dia jereo fa ny famadihana no lasa fotoana ifamorian'ny mpianakavy hatrany lavitra any, ary mampasiaka ny sasany mihitsy ny tsy fanaovana adidy amin'io fotoana io na dia andaniam-bola tokoa aza ny fanatontosana azy.

 
Fa somary zendana ihany ny tena, satria eo indrindra isika izao, raha nisy ny antso nataon'i Avoko hanaovana horakoraka ny mitataovovonan'ny zoma 10 Aogositra, satria mifanindry amin'ny taombaovao io fotoana niantsoany ny rehetra io, ary nolazainy ihany koa moa fa fotoana ivavahan'ny rehetra. Mampahatsiahy vinaninany ilay nanombohan'ny Menalamba. Saingy na eo izany na tsia dia Miarahaba ny rehetra ary nahatratra ity Taombaovao Malagasy ity, ary miarahaba ny Miozolomana amin'ny fankalazany ny Eidy... Sa tsy azoko atao izany?


Jentilisa, Zoma 10 Aogositra Septambra 2010 amin'ny 01: 35

 

Mafana fo indray

2010-06-01 @ 22:31 in Kolontsaina

Ainga namelombelona ny fon'ny mpitolona indray ny hiran'Ny sakelidalana mitondra ny lohateny hoe Tao anatin'ny tolona. Toa mifanaraka amin'ny zavamisy iainana anatin'ny tolona indrindra manko ny tonokira ka ireo tena mpitolona ihany no mahatsapa ny halehibeny sy ny fampaherezana ao anatiny. Toy ireny miaina tanteraka ao anatin'ny vanim-potoanan'ny 1947 ireny indrindra isika raha henoina ny tonokira satria hira natokana ho an'ny tia tanindrazana 1947 izy iny. Indro jerentsika sy vakiantsika anie ilay hira nampavitribitrika tampoka iny rehefa avy nidiran'ny miaramila efa-dahy ny Kianjan'ny Finoana teo amin'ny Magro Ankorondrano (Somary nahitsiko eo amin'ny lahatsoratra ambany).


   Fa tao anaty aizim-pito
   Nandrenesana antsoantso
   Feo nihiaka nikiaka fahafahana e!
   Injao manakoako
   Ren'ny tany manako eran-danitra e!
   Ny kotroky ny basy
   Nefa tsy kivy
     tsy kivy
     Tsy kivy 
     tsy miato
   ireo MALAGASY MITOLONA.

Fa tao anaty aizim-pito
Nisy ra nipatrapatraka
Ny fahafahany mantsy no zahany
madio mangatsakatsaka
Nefa ra mikoriana mamonto tony tany
no setrin'izany
Fa tanam-polo
ihany
no hany fiadiany
Hahatomombana izay notakiany

   Fa iry ery an-danitra 
   ilay masoandro
   Efa lasa tara-pahafahana
   Ireo lavo
   Efa samy ravo
   Ny fanahin'ireo maritiora mifaly
   Ny todin'ny ra niombonana mantsy
   tsy azo takonana intsony


Mazava loatra fa tsy hira vahiny nindramina io fa hira malagasy, nanana ny hakantony sy ny aingam-panahiny. Efa impiry nisedra basy moa ireo mpitolona ireo? Fa impiry no namaly tamin'ny tora-bato ireo olona noenjehina ireo? izany tokoa no hoe tanam-polo no hany fiadiany araka ny hira, impiry nandre feom-basy entina nampihorohoroana izy ireo fa tsy kivy sy tsy niato ireo Malagasy mitolona e! Hira avy amin'ireo sarambamben'ny mpitolona raha toa ka efa elaela ihany no nisy nampifandray ity hira ity amin'ny tolona izay atrehiny.

Fa angaha izay ihany? Moa va efa nahita ny lahatsarin'izy io ianareo? Izay efa nahita tamin'ny fahitalavi-pirenena tamin'ny androny moa mahatsiaro ny toerana nandraiketana azy ve? Trano rava eny ambanivohitra eny no nanatontosany azy. Ary ireo mpitolona mavitrika kosa aiza ho aiza no mihira azy? Eo anoloan'ny trano ravan'ny mpandroba indrindra, toa vao maika nampisy fietanam-po bebe kokoa. Trano rava toa endriky ny firenena rava, (jereo ny rohy) trano gasy raha jerena endriky ny firenena malagasy. Fa tao anatin'io trano rava io indrindra no anaovan'ny mpitolona ny hiaka hitadiavany ny fahafahana sy ny fitakiany hiverenana amin'ny ara-dalàna. Tsy tokony hahatsiaro menatra ve ny mpitondra ny basy raha mandre izao hira izao indrindra fa miverimberina io hira io? Angamba mety hosivanina tsy handeha amin'ny haino aman-jery tahaka ilay "Izay mihitsy" raha izao no mitohy. 
 
 

Efa akaiky hoe ny mondial 2010 ka ho adinoin'ny lehilahy ny tolona? Ny vehivavy aloha no tena maro an'isa amin'ny mpitolona ka raha toa mahazaka tsy mijery mondial ny mpitam-piadiana dia mety hahafinaritra ny fandehan'ny raharaha. Sa mba ahoana ny hevitrao?
 
 

Waving Flag - Hira ho an'ny mpitolona

2010-04-25 @ 21:54 in Kolontsaina

Na dia mbola anaty krizy aza isika amin'izao fotoana izao ny tany kosa dia miodikodina hatrany tsy mahalala izany. Mihamanatona ny fiadiana ny ho tompondaka erantany amin'ny baolina fandaka (teny iray tiako satria mitondra kitra ho an'ny Malagasy hatrany ny fitenenana azy io ho baolina kitra). Ny mahavariana ity tononkira iray hatolotra ny mpamaky ity dia mba tahaka ireny hoe mifandraika amin'ny zavamisy eto Madagasikara ihany ny zavatra lazain'ity hira mitondra ny lohateny hoe Wavin' flag an'i K'naan ity. Adikako mantamanta ho teny malagasy eto ny sasany amin'ilay tononkira haminavinantsika ny mety ho heviny:

 
 
Ary dia mitolona isika, miady hifampihinana
ary mieritreritra hoe rahoviana ho ho afaka
Ary dia naharitra niandry isika, ho amin'ity andro ity
Ary tsy ho ela intsony ka hiteny isika hoe

Rehefa miha-antitra aho dia hihamatanjaka
Ho antsoiny hoe fahafahana aho, tahaka ny saina mihofahofa
Ary dia hiverin(a) izany, hiverin(a) izany, hiverin(a) izany
Rehefa miha-antitra aho dia hihamatanjaka
Ho antsoiny hoe fahafahana aho, tahaka ny saina mihofahofa
Ary dia hiverin(a) izany, hiverin(a) izany, hiverin(a) izany

Ady maro tokoa, isa maro manasaraka (manatantavana),
manome fampanantenana ho anay, mandao anay hahantra, (na halahelo)
henoko ireo niteny hoe, ny fitiavana no lalana
ny fitiavana no vahaolana, izany no nolazainy
Nefa jereo ity ataony anay, nanaovany anay ho mpino
Niady ny adiny izahay, dia nandiso fanantenana anay ry zareo avy eo,
(Dia) Miezaka ny hifehy anay, fa tsy ho voatazony izahay,
Fa mbola mandroso tahaka ny Barea mpiady

Saingy mitolona isika, miady mifampihinana...

Ary dia hihira ity ny rehetra.


Dia lasa ny saiko manao hoe iza re no ho afaka ny handrindra ilay hira ho amin'ny teny malagasy kanto e?


Ny Tolona an-tononkalo

2010-01-31 @ 16:14 in Kolontsaina

Tsy dia maro ny tononkalon'ny tolona ary mampieritreritra aza indraindray hoe tankina hatreo angaha ny aingam-panahin'ny mpanoratra Malagasy no tsy dia ahitana tononkalo na hira fitolomana ankoatra ny "Iny Lalana Iny" izao toe-draharaha misy eto Madagasikara izao? Koa hanentsenana ny banga dia hanolotra manokana ireo tononkalo notsimponiko teny ho eny aho:


NITSO-DRANO

Ny sainao nikotrika
Ny tananao namotika
Fananam-pirenena
Sy harena sesehena

Ny vavanao nibaiko
Ny tongotrao nijaiko
handrava izay nijoro
nojerena an-tanam-polo

Moa tsy handatsa havana
Raha fitiavan-tanindrazana
No hadika sotasota
Moa tsy heloka sy ota

Mpandroba efa vonona
Lazaina fa mpitolona
Ka ny voina an-tsitra-po
No natao mahery fo

Fa ianao dia ianao indrindra
No nanainga tongotra namindra
nitso-drano hoe: mandehana!
Tanteraho ny fanimbana

Rakotobenja Léonard Efraïma


TSY IANAO

Tsy ianao no olona ory ry miaritra ny ngidiny
Tsy ianao mihitsy akory no lazaina ho faraidiny
Tsy ianao manao ny marina nefa indrisy fa sahirana
Na ianao izay te hiarina fa tsy manana hamikirana.

Tsy ianao manjoni-dava f'efa reraky ny tolona,
Na ianao mikombom-bava nony injay enjehin'olona.
Tsy ianao izay matin-kitsaka nefa tsy afaka mamaly
Tsy ianao mamitsapitsaka, matim-bono sy mijaly.

Fa ny farafahoriana dia ny manam-pahefana
Izay mampiasa habibiana fa ambonin'ny lalàna,
Satria senton'ny mpitolona no mozika fitsinjahany,
Ary ranomason'olona nomba hiram-pivavahany.

Ireo no farafahoriana tsy mahita fiadanana.
Ireo no ndeha hitomaniana f'efa maty am-pitsanganana.
Maty fa tsy vazivazy, vatana mijoro sisa,
Ka inoana fa tsy ho azy izany atao hoe paradisa.

Sedera Ravalison


AKON'ANTSAHAMANITRA

Toa tsinjoko misokatra ny lanitra, mitsiky indray ny ampitso
Tsy ho resinao ny marina, Andriamanitra tsy ho diso
Ny fahanginanay izay mino, tsy midika ho faharesena
Fa izahay na tsy miteny, miaina tokim-pamonjena

Araho anie ity tantara, tena nisy sy niainana sanatria tsy anganongano
Very ny asa fivelomana, fafy lainga, fandrahonana,maso be manganohano
Tsy zonao ny miteny, na hoe hilaza hevitra, sa ianao te ho voasambotra ?
Migadragadra fahatany, tsy afaka hiantso fahamarinana na koa mba hisarangotra

Miandrandra fahafahana sy tokim-piadanana isika malagasy,
Ka somary very hevitra sy toa niraviravy tanana ary koa nangasihasy
Fandrobana, fandravana,herisetra,mahatahotra ary tena tsy mitsitsy
Ireo no rivotra nafafy izay nataon-dralilison, ry Sarla, ny FIS

Nangina koa ny fiangonana, F'angaha tsy misy fahavononana?
Maromaro tsy hay tononina, no kivy ketraka sy tsy nahita fiononana,
Ary tsoriko etoana fa toa tsy nanana hery akory hamonjena fiangonana,
Toa resy ê, ka hany hery dia miandry eto ny fotoana izay higadonany

Ka hafaliana anie ny anay, nisentosento ravoravo fa toa misokatra ny lanitra
Raha vao nahare sy nilazana, fa isan-kasabotsy dia hofenoina Antsahamanitra
Hiaraka hanandra-bavaka, hiara-hihira fiderana, hiantso indray ilay Ray tsy To
Hijery ireto malagasy, trotraky ny tsy rariny ka miandrandra Indra Fo

Izaho mino, isika mino fa ny tanan'Andriamanitra dia mamikitra tsy manadino
Tan-Tsorony matanjaka, tsy hita maso, tsy mba raraka no nomeny antsika mino
Ka na basy marovava, miaramila sy forongony, no miatrana hanandevo vonona hamono
Andriamanitra no Niaro sy Niambina ny isan-tokony,tena tsapa tsy honohono

Ka andeha re ry Antananarivo, tsy resy ianao, fa mifohaza ary aza mety lao
Raiso ny baibolinao, ahondreho ny lohanao, antsoy ny Tompo izao dia zao,
Manokana ianao fotoana, isan'andro isan'ora, ka asandratonao ny Hanitra
Ankasitrahan'ilay Tompo,mandra-piandry ny sabotsy ho feno indray Antsahamanitra%

Tranainy, Afrika 20 janvier 2010 à 09H16


'ZAHAY

'Zahay dia tsy maintsy mamaky bantsilana
ireo izay tsy mety ka mila hotenenina.
Tsy tantinay mantsy raha toa mitongilana
Irony vilany kanefa tsy harenina.

'Zahay tsy hipetraka intsony ho mpitazana
Ny olona adala efa manary lamba.
Ho anay tena masina ny tanindrazana,
Tsy ampitantanina olona jamba.

'Zahay tsy hijanona intsony ho mpijery
Na hoe mpitehaka fotsiny ihany
F'ilay Gasikara tsy foinay ho very,
Tsy tianay hiverina ho zanatany.

'Zahay tsy hijanona intsony ho mpifatotra;
Alanay ny tady nangeja ny lasy.
Ny anay ny safidy, safidy efa matotra:
"Tsy mila mpanjanaka ny Malagasy".

Dadan'i Zina


MBA HO IRAY...

Mba ho iray no tarigetra
Sady vavaky ny mpino;
Saingy ny tsy marin-toetra
Dia mikimpy, manadino
Sy maneso ireo mivonona
Hampiray sy hampihavana;
Nefa mbola sahy mitonona,
Ho mpitory ny fitiavana.

Izany ve no hoe mpivavaka
Tena mendrika hoekena?
Sao mpamarina any an-davaka
Sy mpambotry firenena?

Mitomany anao ny lanitra
Ry minia mialangalana;
Ianao izay miantso an'Andriamanitra
Nefa dia mivily lalana.
Mitomany anao satria
Ny Mpaminany tena mendrika,
Sahy mijoro, miara-dia
Fa tsy mba miafinafin'endrika.

Sedera Ravalison


HANDRESY

Tsy maintsy misy zavatra mankarary fo
ety an-tany ety
Tsy maintsy misy ady mahavalaka ny loha
sy tena mankahia

Ao ny velam-pandrika, ao ny sotasota
hanakana ny dia
Ao ny fivadihana sy ny velina kanota
ataon'ireo tsy tia.

F'izao, izay mino sy matoky
an'Ilay Kristy
Handresy sy ho voasoratra amin'ny bokin'
ny fiainana doria.

Rakotomalala Rivoniaina Rija


REHEFA...

Rehefa anaovana herisetra ny olona ry fiangonana,
Na enjehina isan'andro sy iharam-pandrahonana;
Aminay ny toy izany dia porofo iray mazava
F'Andriamanitra mihitsy no efa notampenam-bava.

Rehefa aiditra am-ponja sady anaovana antsonjay
Ny namana mpanao gazety manapotsitra ny vay;
Aminay ny toy izany dia maneho sy manambara:
Didy jadona no iainana eto Madagasikara

Rehefa ampiharina isan'andro ny karazana amboletra:
Ka ny manam-pahefana lasa rain'ny herisetra;
Aminay ny toy izany dia midika tsotr'izao
F'ianao mitonona ho mpitondra no efa "tsisy kalitao"

Rehefa hita miharihary f'efa lo ny fitondrana,
Fa ny olona tsy marina no arovan'ny lalàna;
Aminay ny toy izany fitondrana tsy azo ekena:
Mila arodana avy hatrany fa manimba firenena.

Sedera Ravalison (13 janoary 2010)


Marihina fa ireo rehetra ireo dia nalaina tao amin'ny gazety Tia Tanindrazana nivoaka nandritra ity volana janoary 2010 hivalona ity avokoa. Raha te-hametraka hevitra na hanohy ny aingam-panahin'ireo mpanoratra ireo ianao dia tsarovy ny mametraka izay soratanao amina vakiraoka (brouillon) aloha; avy eo dia ankotrihinao ny takelaka (actualiser) dia apetrakao amin'ny toerana fametrahana azy ny lahatsoratrao ary feboinao avokoa izay tokony fenoina dia mirary aho fa tsy ho tratran'ilay filazana hoe tsy mahazo alalana hametraka hevitra iny ianao.



jentilisa, alahady 31 janoary 2010 amin'ny 18:18

Tsy maintsy hofitahiko ny foko

2008-11-21 @ 08:32 in Kolontsaina

Tsy maintsy hofitahiko ny foko
hanalavirako toloko... izay misoko
Fa sao raha tsy misy intsony izay ho antsoiko
Dia tsy hety hilamina ny saiko
Dia ho lany mondro-kery
na dia tratry ny an-tery aza.

Tsy maintsy hofitahiko ny foko
sao very foana...toa foana ny anoloana
sahala ny tokamanirery mandalo efi-babangoana
misy ihany fa tsy ilaiko
fa raha tsiahy no hanentohento
lasa tsy nahy anie ny sento e!

Dia ny saiko no hibaiko ny foko ampiesonina
hanadio 'ty ratrako miserana;
ny maraina andrandraina tsy afaka holevonina,
hoy ny fanantenam-piheverana
Amin'izay ny tenako ihany no hamitaka ahy
dia hioitra amin'ny fahalavoana raha mbola lehilahy.

 

jentilisa - 07 aogositra 1993 -

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox