Haveriko ve? [haisoratra]

2008-10-07 @ 10:15 in Kolontsaina

Ny endri-baliakan'ny androko omaly
Nokitihin'ny tsiky nampihetsika fo
Hotodihina indray ve ny fahazazana
Dia ny fiainana goanan'ny tsy fahalalàna?
Haveriko ve?

Ny haitraitra madinika niravahakohatrany
nikarohana retsika tsy fantatra loatra
ka iniana amin'izao... odian-tsy tsaroana
ny fo tsy afa-tsaona tamin'izany fotoana?
Haveriko ve?

Ny fientanetanana toa rano mandroatra
hihetsika nefa toa tsy zatra ady
be fikirizana fa tsy afa-nanoatra
sehatry ny tolona tsy omby tratra?
Haveriko ve?

Ny manampi-tsofina amin'ny eso sy latsa
hanandratana ny afon'ny fanantenana
ka miandry ilay minitra ivadihan'ny rasa
mba hanatanterahana izay nokinasa?
Haveriko ve?

Ny vetso mangina nameno ny loha
nanosika ny saina hiriorio any hoany
mikaroka hevitra tsy hampikoa
ny androany no ita fa rahampitso mitohy?
Haveriko ve

jentilisa - 1995 -

Aoka aloha, aoka aloha...toa mampivadika ati-doha

2008-09-30 @ 20:58 in Kolontsaina

Aoka aloha! karatra mena omena izay mitady hikiry hahazo fahafinaretana safononoka...(safononoka hono! hehehe!) amin'ny fotoana tsy mampazoto ny iray sa aloha loatra ny fotoana? Aoka aloha! Fiteny tian'ny mpanentana amin'ny ady amin'ny SIDA hataon'ny tanora amin'ny namany raha misy ny fandrisihana hiroboka sahady amin'ny fihirahirana ilay hiran'i Mahaleo manao hoe "Veloma ry fahazazana" Ka miarahaba ny hatanorana...atao daholo na ny fifohana na ny fisotroana na ny FIJANGAJANGANA. Sao voambolana diso toerana amin'ny hira aloha io hoe mijanganjanga io? Nefa matoa ny mpanoratra nametraka azy dia ao raha...

Adihevitra vao mafana tany ampiasana mihitsy manko izany hoe tsy misy intsony izany vehivavy miditra amin'ny fanambadiana mbola virijiny izany. Raha 14 taona (lalàna taloha izany babako!) no misy zazavavy akarina tokantrano no mety ahitana isanjato kelikely ihany izany hoe vehivavy virijiny no hiditra tokantrano... Fijerin'ny tambonivohitra izany fa asa manao ahoana tokoa re ny any ambanivohitra?

Fa aiza ihany ary no tena tian'ny mpanoratra holazaina amin'ny lohateny fa tsy azoko mihitsy? Raha natao ary mbola atao dokambarotra mafotaka aoka izany ny famiasana fimailo sy ny fandrindram-piterahana dia manaraka tsimoramora eny ihany ilay karatra mena misy soratra hoe "aoka aloha!". Indraindray aho mihomehy mahita ilay soratra amin'ny karatra mena ka tsy naharitra intsony aho fa nosoratako ihany androany ny antony. Lasa tsy fidiny ny vavako tany amin'ny "bord" Mahajanga indray alina nanao hoe: "f'angaha tsy misy aoka aoriana?". Notampenako haingana fa miteniteny foana... nefa sao mifono hevitra filozofika?

Ekeko tokoa fa ny hevitra tiana ampitaina amin'ny karatra mena dia hoe tsy izao no fotoana saingy raha azo atao naninona raha ialana mihitsy ny hevitra mety mivilana? Mahazo karatra mena amin'ny aloha ve fa mahazo ny karatra maitson'ny beantitra aoriana. Dia manome sosokevitra ihany aho na izany aza toy ny hoe "aoka mihitsy!" na ny hoe "Aoka izay!" ho fanapahana ny resaka mandrobo ataon'ny anankiray. Sa dia lasa lavitra loatra mihitsy izany hevitra izany? Tsy manao hatsikana tandrefana aho an!

Rado mpanoratra: Ny zavatra hafa mety mbola tsy fantatrao.

2008-09-18 @ 13:55 in Kolontsaina

Mbola eo ampanongotsongoana faramparany ilay andrarezin'ny teny sy ny haisoratra malagasy lavo
isika amin'izao fotoana izao. Mbola mahatsiahy tsara sy mampitamberina ny soa sy ny ezaka vitany
izay rehetra mahatsapa fa nisy vongana masirasira (leviora) avy tamin'i Rado namolavola ny nankamamiany ny haisoratra lovan-kolontsaina malagasy na farafaharatsiny ny teny malagasy, dia izay ihany, tahaka ahy izay manoratra aminao etoana na dia tsy nisy aza fifaneraserana mivantana aminy. Tsy tena mpankafy ny asa-sorany aho, eo amin'ny lafiny fitadidiana tsianjery izay nosoratany, fa mahatsapa kosa ny halalin'ny zavatra soratany rehefa mahafantatra zavatra bebe koa momba azy. Hoy Simeon Rajaona fony nanatrika ny fanamarihana ny faha-80 taonan'i Rado notontosaina tao amin'ny fiangonana tranovato Faravohitra tamin'ny taona 2003 ary atao tamberina saky ny vita vaovao alina ao amin'ny TVM amin'izao fotoana izao:

Anisan'ny alahelo entiko mandramaty mihitsy ny tsy mba nampidirako tao anaty "takelaka notsongaina voalohany sy faharoa" ny asasoratry Rado na dia iray aza satria tsy hisy intsony ny fampidirana lahatsoratra vaovao. Nanomboka tamin'ny taona 1955 manko ny fanangonana ny lahatsoratra rehetra nefa dia tsy nahafantatra an'i Rado sy ny asa sorany mihitsy aho. (Teo anatrehan'i Rado sy ny mpanatrika rehetra no nitenenany izany ho karazana fifonana eo anatrehan'i Rado).

Nataoko ho karazana zavadehibe nampitodika ahy hijery fahitalavitra indray ny manaraka fandaharana manokana momba an'i Rado, hany ka tsy nampaninona ahy velively na tratra aoriana aza ao nalefa nivantana (teny antenatenan'ny lalao vao nalefa mivantana) ny lalao baolina fandaka ifanandrinan'ny Manchester United sy Villareal. Izaho mpankafy baolina fandaka lozantany ity no tsy nisy alahelo na fahatezerana akory noho ny tsy fahitana mivantana lalaon'ny goavana sahala min'izany? Na izaho aza gaga tamin'ny tenako.

Ataoko fa tsy manavahiny ny mpamaky ny asa-soratry Rado ny fampahatsiahivana nataon'i Zo-Maminirina an-tonokalo ny sombin-teny manamarika ny soratr'ity Ngezalahin'ny literatiora Malagasy ity:


Hovitra

Ho any ianao kanefa
ny lalana mankany tsy misy dia miverina
tsisy ankamerimbotsotra,
lalan-tsy mif(am)etra hatreo am-parafara fara-fatoriana
ka mampifararemotra ny manam-pofonaina

Dia lasa ianao...
kanefa ny dian-drantsanao natosiky ny SEDRAn'
ny fizarana mamy
ny DINITRy ny tolona
niady ho an'ny ZO
sy ny maro hafa
no ANDO hampamololona
indray ilay finoana
noheveriko ho tarangana.
Mbola indreo mitsangana
ny zana-dRavahoaka
tsy resin-dazon'ady
mbola sahy mitady
ny tena fahafahana

Dia lasa ianao...
ry Dada
Nianjaika fandresena
feno fanetre-tena
anatrehan'ny Tsitoha!

Etsy kely aloha...
iriko ho tsikitsiky no ifandaozantsika
na fo mangorangorana
sy mangorangorana aza ny ato anatiko ato.

Aza misahirana, azafady indrindra f'aleo hakatoko ihany
io varavarana io...
...dia hitomany aho.

Zo-Maminirina 16 septambra 2008

Tononkalo avy tamina mpankasitraka ny asa sorany izany fa nampisaina lalina nahafantarana zavatra hafa momba ny tenany ihany koa ilay tononkalo nosoratan'Andriamanantena Celestin (efa nodimandry ihany koa) ho an'ny zandriny tamin'ny andro nitsingerenan'ny faha-70 taona nahaterahany, ny zoma 1993, ary hita tao amin'ny gazety taratra n°1386 nivoaka ny Alarobia 17 septambra 2008 pejy fahaefatra:

Faly aho, ry zandry, ka ho tsiny ve
ny mitanisa fohy ny araben'ise?

...Ny arabe iray dia lalam-pitsapana,
feno vatokely sy hady mangotana.
Vao sivy taona ise dia maty i Mamantsika,
fotoana kely monja ilay volana baliaka
dia lasa tsy nipody. Ny fitiavan-dreny,
minitra dia nandalo; ny iray tampo indreny
nandeha tsikelikely, namela antsika lahy
izay tendrony ankiroa matoa sy faralahy.
Tapaka ny tady, banga ny elanelana
nefa mba niriana ny vony ampy felana!...

...Fa nitohy ihany ny tsilo an-dalambe:
Fotoana maromaro no tsy salama ise;
nanao tampody fohy ny antsy fandidiana
ka niverimberina nitondra hakiviana.
Alin-tsy voaisa no nisehoan'izany,
na teto anivonay, na tany ampita tany.
Nivesatra ahiahy ny zanaka sy vady,
ny havana rehetra lalovan-dazon'ady.
Ho resy ihany va 'ty loza izay misakana,
sa anio mihitsy no ho rendrika ny lakana?

...Fa nitohy ihany ny tsilo teny an-dalana,
naranitra ny antsy ka nahatratra akalana.
Ny fitiavan-janaka nataon'ise filamatra,
indraindray nikiky sady koa nandramatra
ny alina sy ny andro nandalo tamin'ise,
nitera-panahina sy ny teny toyny hoe:
"Hanao ahoana re ny hoavin'ny taranako,
fa tiako, tena tiako ary mamiko ny zanako?"

...Fa mbola niha-maizina ny arabe nizorana,
ny lohalika osaosa vao mainka koa nangorana;
ny volo efa fotsy mba niandry taona zina
nolalovan'afo ka mainka niha-kina.
Tsy ela fa vao omaly, sombinaina efatra
no niara-maty teto. Alina mavesatra
ny alina rehetra fa lasa ny malala,
natelina ny sento ka mila ho vakivaky
ny loha adaladala!...

Ireny no antsoiko hoe arabe iray,
nisy fitsapana sy ady mahamay,
nodiavin-tongotra sy taolana mihanjaka,
ary nandrefesana ny hery sy ny tanjaka!...

...Fa misy ny arabe izay hafa noho izany,
mivoly voninkazo sy kalokalo mamy,
dia ny arabe sy soratra nitondran'ise
ny hetaheta maro nanindry ny mpandeha!
Mpamaky firy moa no sempotra sy toro,
mpamaky firy moa no sendra horohoro,
no rehefa mahavaky ny tonokalo mamy,
no tsy toy ny olonanandresy ny tomany,
ka nahazo hery sy sitrana tsy miody:
"DINITRA" sy "ZO" nanjary fanafody?
Ary raha nanjaka ny olom-panjanahana,
ka nanjavozavo ny tanjona hiatorahana,
ise no nitaiza sy nampahazo vahana,
nampianatra ny ankizy hiantso Fahafahana!...

Mihoatra noho izany ny araben'ny Hira
namonjen'ise ny fo voaviravira,
Nahatonga ny olona hiandrandra lanitra,
Hiantso sy hidera ny anaran'Andriamanitra!
Fa na aiza fiangonana, na aiza fivoriana,
Na tilikambo avo na tilikambo iva,
njao mamelovelo raha tonga ny hariva
Ny hiran'ise, mandona ny ati-fo,
Ka vetivety monja, miharina ny loha!
Arabe'ny hira, araben'ise,
Ka babo izay mandalo, babo izay mandre!...

...Tsy adino koa ny Làlanan'ny kabary,
Nanehoan'ise fa soa miharihary
Ny tenin-drazantsika. Teny manankasina,
Afa-mampikambana sy mampifankatia
Zatovo marobe, ka falifaly ery
Ireo izay mandre ny ohabolana, hainteny
Milaza ny fitia, manombo izay nekeny.
Moa tsy faly ery raha mifanena ise
Amin'ny zatovo ka ilazana hoe:
"Moa tadidinao, fa ianao ange no iray
Nitondra ny kabary tamin'ny andronay?...

...Fa ato an-tsaiko koa ny araben'ny kanto,
Ny araben'ny sary tsara sy milanto,
Fomba nanehoana ny tsy takatry ny penina,
Nanalana sarona ny nofy izay nafenina.
Hain'ise izany ka fomba tsy fahita
Nateraky ny karoka no tonga zava-bita.
Na tsihy nasiana sary, na hazo iray nodorana,
Na jiafotsy tsotra, na hoditra nohosorana.
Ireny no akora sy zary fiasana,
nasain'ise niteny ka tonga nigagana.
Dia jejojejo ary ny rindrina miravaka,
Ny sary vitan-dRado tamim-pomba miavaka...

...Fa anampiako izany ny araben'ny hehy,
Ny vazivazy maro nanondraka tarehy.
hain'ise manokana ny nampiasa izany,
Na andro maha-ory na andron'ny tomany.
Vazivazy ireny nefa nanafana
Ny tokantranontsika,
Ny taranatsika,
Ny sakaizantsika.
Fa na ny tolona aza ho an'ny firenena,
Ny vazivazy ihany no fomba nanefena,
Nanefen'ise ireo ratsy tarigetra,
Hanaiky tsongotsongo sy hanova toetra!...

3 - 10 - 1993 Amboditsiry
Andriamanantena Célestin

Hay ve izany Rado izany ka toa fijaliana hatrany ny fiainany rehetra. Hatramin'ny fahazazany
nandaozan'ny reny sy ny iray tampo azy telo mianaka ka hatramin'ny andro nahafatesany saingy tsy nataony hampiondrika azy izany fa nitraka hatrany izy hampamirapiratra ny teny nolalainy. Hay efa impiry impiry ny lehilahy fa nandalo fandidiana nampanahy indrindra ny fianakaviana fa tratrany
ihany ny fahanterana. Aiza ho aiza amin'izany isika betaraina itony? Tsy nampiala vehana azy ny
sakatsakana mety ho nitranga. Nampitamberina indray ny halalin'ilay tononkalo manao hoe:

Raha mbola misy tsiky
azonao asetra ny ronjon'ny ankaso
Nahoana indrindra, iky
no dia laniana foana ny vongan-dranomaso!

Raha mbola misy ihany
kintana mamiratra azonao banjinina,
nahoana no tomany
no andanianao ny alin'ny ririnina?

Raha mbola misy kalo
azonao hiraina anaty fahavaratra
nahoana no himalo
mahita vodilanitra mosarena taratra?

24 - 02 - 70
(Dinitra tak.122)

Tranga iray hafa avy amin'ny resaka fohy nataon'i Bessa indray ny fiarovana nataon'i Rado fony
mpanao hira mibarareoka i Bessa, nihira ilay "Ny hirako izao Ray be fitia"(fihirana FFPM lah.478)
Toa maneso manko ny mandre ilay feo ka nisy nitsikera tao amin'ny gazety "Fanasina", gazety
protestanta nivoaka isan-kerinandro nandritra ny repobilika voalohany (efa namaky ny sasantsasany tamin'izany aho fahakely). Ny protestanta manko miaro fatratra ny fomba fihira araka ny sol-fa (tandrefana aza) ka nanohina ny fony ilay zanaka mpitandrina toa naniratsira ny hiram-pivavahana. Avy tamin'ny fomba fitendrin'i Bessa ny harimÔnia no tena nahatonga azy hiaro ilay fomba fihira (samy zanaka mpitandrina koa moa ry zalahy). Tsy fantatro loatra satria tsy ampelatanako intsony io raharaha iray io, ka tsy haiko ny fomba niarovan'i Rado an'i Bessa. Ny tsapako avy hatrany fotsiny dia avy amin'ny fomba fihira zafindraony, saiky nofadiana am-piangonana (mbola tsy nanaiky loatra ny fifohazana manana ny hira mifanahatahaka amin'ireny ihany koa tamin'izany fotoana izany ireo fiangonana nipoiran'ny FJKM) manko ny hira maintimolaly fa izay tsy afaka ambavan'ny maro tamin'izany (toy ny Sambasamba Zanahary hira FFPM lah.79) ihany no tsy maintsy nampidirina fandrao mampalahelo ny maro an'isa. Ity resaka notsongaina tamin'ny resaky Bessa ity no tena ahazoana mitaratra ilay mahamalagasy azy satria nifanakaiky tamin'ny am-pon'ny maro an'isa, ambany ravinahitra, izay fiheviny izay.

Hitondra ny fanilo izahay ry Rado, Hasandratray ho avo ny hasoan'ilay teny maminao. Hokoloinay
tsy ho lefy mba tsy ho verivery foana ny hasasaranao.

Rado: Mahazo maty ve ny tenany? Fa iza moa izy?

2008-09-16 @ 08:20 in Kolontsaina

Araka ny efa nosoratan'ny namana New2dago dia nodimandry halina (15 septambra 2008) ilay mpanoratra fanta-daza amin'ny anarana Georges Andriamanantena naka ny anarana malagasy antsoina hoe Rado. Efa naiditra hopitaly ny tenany tamin'ny herintaona ary mbola novelomin'aina ihany koa talohakelin'izao nandehanany nitsaitsaika tanaty alin-diavolana izao. Lasa izy raha mbola varian-dalao amin'izay manahirana azy avy ny manodidina azy.

Tsy dia mahalala zavatra betsaka azy aho. Tsy fantatro tahaka ny paosiko izy satria na ny paosiko aza tsy tadidiko akory izay nataoko tao anatiny ary tsy fantatro marina ny refin'ny halaliny. Izay kely fantatro ihany no ampitaiko mba hitovitovy ny fahalalantsika momba ity olomangan'ny firenena ity.

Zanaka mpitandrina ny tenany, teraka tamin'ny 1 oktobra 1923 (tapabolana sisa manko) ary Ankadivato ilay fonenana nahalehibe azy. Notezaina tanatin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny tanindrazana tahaka ireo hafa novolavolaina tanaty lasitra protestanta nandritra ny fanjanahantany. Jereo anie ny lalam-piainana nodiaviny:

Nianatra teny amin'ny sekolim-panjakana (Ecole Officielle) tamin'ny taona 1929 ary teny amin'ny sekolim-pinoana protestanta rehefa avy eo ( Teny amin'ny frenjy Ambohijatovo Atsimo 1933-1941 sy teny amin'ny Kolejy Paul Minault 1942). Nandalo teo ambany saokan'i Al. Ravoajanahary tao Ambohijatovo sy ny Mpitandrina Ravelojaona tao amin'ny Paul Minault). Nandritra izany fotoana izany dia notezaina ihany koa tanaty fanabeazana skoto (Tily eto Madagasikara) ho fanamafisana ny fanolokoloana tany an-trano nandritra ny takariva "amorom-patana" nampitiavan'ny rainy Mpitandrina ho an'ireo zanany ny teny malagasy. Nampianarina hahaleo tena fa tsy hiankina aman'olona hany ka na dia nahazo asa tao amin'ny Preservatrice Assurances ary nandray karama be tamin'izany aza (1942 - 1955) dia naleony nihafy nanorina gazety (hehy) niaraka tamin'ny rahalahiny Celestin Andriamanantena (1955 - 1966). Efa nianarana tany Strasbourg rahateo ny fanaovan-gazety.

Nanambady an-dRavololona Edwige izy ary nataony tamin'ny teny malagasy avokoa ny anaran-janany rehetra (enina ka manana ny anarana Noro, Ony, Lanto, Haingo, Andry, Rija...nitohy tany amin'ny zafikely ny nanomezana izany anarana malagasy izany) ary efa loa-jafy rahateo.

Maro ny karazan-talenta ananany ka ao ny fanaovana sary hosodoko, ny paik'afo (pyrogravure), ny Tosi-by (metal repoussé), ny kiky fitaratra (gravure sur verre) ary tsy latsa-danja amin'izany ny famoronana hiram-bavaka, hita tokoa ny tenany fa notezaina ho kristiana. Fa ny tena ahafantaran'ny maro azy moa dia ny tononkalo izay tsy nitsaharany mihitsy raha tsy amin'ny fotoana tsy ahafahany manao izany intsony. Izany no nahafahany namoaka boky fito miaty ny sasany amin'izany tononkalony izany dia Dinitra (1973), Ando (1977), Zo (1989), Sedra (1993), Ny teny Malagasy (1994), tsy maintsy mipoaka ny sarom-bilany (2002 ary ny Voninkazo adaladala (2003) sy ny fiteny roa (2008). Aza atao mahagaga antsika anefa raha mbola mety hisy ny asa sorany hivoaka aorian'izao nandaozany antsika izao. Ny fanalan'andro nankafiziny dia ny manjono, fitiavana notahafiny avy tamin'ny rainy, sy ny fiaraha-milalao amin-jafikely.

Ankoatra izany dia ananany avokoa ny mari-boninahitra malagasy rehetra... hahavariana ihany raha hahazo mari-boninahitra avy any ivelany izy satria nandala tamin'ny fony manontolo ny teny malagasy izy. Zavatra iray mampanontany tena ahy dia ny fahalalana izay heviny amin'izao fanoherana ataon'ny maro an'isa izao ny fampianarana amin'ny teny malagasy izao. Zavatra iray nahavelom-panantenana azy ny fitakian'ny mpianatra tamin'ny 1972 hampianarana azy ny zavatra mifanaraka amin'ny tontolo eto an-toerana ka nahatonga azy hahasoratra hoe "Mahazo maty". Tsy aritro fa omeko anareo aloha:

Isaky ny ady sarotra
izay manambana an-tokonako
Impiry aho no niady varotra
hitombo ny hery hitolomako?

Impiry koa no nirariako
hohalavaiina refy ny androko
hiarovako ny tiako
synyanjara masoandroko?

Ny sandry anefa ity toa trotraka
Kiry sisa mitsingevana
Raha mbola hiady sao dia potraka
fa efa hazo amoron-tevana!

Kanjo, indro, fa nitraka
ny zatovon'ny tanànako:
nifandrombaka sy naka
ilay "fanilo" teny an-tanako.

Nohirainy tsy miambatra
ny fitiavany ny taniny.
Nomeny toky fa ho sambatra
izato firenena maminy.

Lasa teo ny fieremako
ny adi-varotro nofoanako
"Mahazo maty ialahy, ry tenako!
Fa mijoro ny taranako"!

Rado 4 mey 1972

Nijoro tokoa manko ilay taranaka fa navilin'ny mpanao politika ny lalana, nosimbainy ilay filamatra ka maro no miaka-tosi-dra raha vao maheno teny hoe "fampianarana amin'ny teny malagasy". Misy ihany koa ny tsy mitsahatra ny mamerimberina fa teny merina ihany io fa tsy teny malagasy ary fitadiavana hanaovana ny imperialisma merina sy fanandevozana ny tanindrana ny fikasana hampianarana amin'ny teny malagasy. Na izany na tsy izany lehilahy voky andro no nandao antsika ary ny mpanakanto tsy mba maty koa ho tsaroan'ny taranaka fara aman-dimby anie ny soa rehetra navelany ho antsika.

Mandihiza rahitsikitsika ary tsy hain'ny zanakao?

2008-08-06 @ 20:32 in Kolontsaina

Ao anatin'ny fotoam-pialantsasatra isika amin'izao fotoana izao ka misy ihany ny fifamezivezena kely. Manao vakansy mahasara-dray aman-dreny ato an-trano ny zana-drahalahiko mirahalahy 4 sy 7 taona. Variana amin-javatra misy ato an-trano koa angaha ry zalahy ka tsy malahelo loatra ny ray aman-dreniny. Kilalao, zavamameno, fahitalavitra ary ny solosaina no mahavariana an-dry zalahy ankoatra ny sakafo mazava loatra.

Ny tena miasa ka nandrasana fatratra isaky ny mirava andefasana ny solosaina hihainoana sy hijerena sarimiaina arahin-kira Firantsay ho an'ankizy (ary dia tsy afaka manao zavatra hafa na inona na inona intsony amin'ny solosaina aho). Ny hira nianarana fony tany an-tsekoly no tena tiana averimberina satria iny manko no efa re rahateo sady anabeazana azy ho ankafiziny rahateo, porofo fa nianatra rehefa nampianarina hira Firantsay. Teo aho no lasa saina, tsy misy fampitiavana ny teny mahery vaika mihoatra noho ny fanaovana azy an-kira, milentika tsara iny ka na efa lehibe aza dia tsy hiala amin'iny izy, ary ny baiboly koa milaza rahateo hoe zaro amin'ny lalana tokony alehany ny zaza fa na efa antitra aza izy tsy hiala amin'iny. Hany ka tsy atao mahagaga raha hafahafa amin'ny sasany ny mandre teny malagasy hoe telozoro, varingarina, gaoba, takamoa sy ny zavatra hafa.

Mailaka dia mailaka tokoa ny zaza amin'ny hira ary sondriana hatrany indrindra moa fa miaraka amin'ny sarimiaina ilay izy (maso sy vava no miasa...firy isan-jaton'ny hafatra moa no very hoy ny saikolojia izay?). Tena resy tanteraka ny teny malagasy eto... tsy manana hira fampitiavana ny teny malagasy ho an'ny ankizy. Efa nanoratra izay ihany aho taloha ary hitako fa miezaka manokana hira ho an'ankizy i Momota (Gothlieb) nefa toy ny rano indray mitete miohatra amin'ny ranomasimben'ny Firakofonia (Firakotra-Kofona-anie e) aloha ny ezaka ataony. Rehefa tonga eo amin'ny Savez-vous planter les choux moa ny hira dia tohizako hatrany amin'ilay sangisangy zary tenany (efa nosoratako taloha koa) hoe {Nous ne savons que le français, à la mode(2)}(2) est le français, fa bedy hatrany izaho efa olon-dehibe ity.{hihi! mbô zaza saina!}

Androany ary aho nanontany azy mirahalahy: "Hainareo ve ny mandihiza rahitsikitsika?". Valiny: "Inona koa izany? Izany ary tsy hainay hoe hira sa tsianjery". Izay ary ilay efa nampoiziko, hoy aho tany anatiko tany. Ohatra mody noraisiko fotsiny io fa hira teny malagasy ho an'ankizy firy moa no mba haintsika mpanoratra sy mpamaky amin'izao fotoana izao? Mba hainy ve ny nankaiza ny tanteliko teto ohatra sa izao vao tsaroana hoe hay moa misy izany hira kilalao izany koa? Fitiavana ny hahatafita zanaka no nahatonga ny fanadinoana ny sekolin'ny Ntaolo?

Eto aho no hamaly ny hevitra hoe enimpolo taona ary isika zanatany tsy nahafoana ny teny malagasy izany. Adihevitra ifanaovana manko izy ity. Fony zanatany isika, mbola nahatahiry ny zavatra rehetra talohan'ny fanjanahatany ny ray aman-dreny ka nampita izany tamin'ny taranany. Rehefa nierina indray ny fahaleovantena, tsy nivantana intsony ilay fanjanahatany, samy nihevitra ny ray aman-dreny tamin'izany fotoana izany fa ny hahatafita ny zazany hianatra any andafy no mahamaika... nohadinoina tsikelikely ny kolontsaina nifampitana tany an-trano, ny zavatra tany ampianarana ihany no notohizana tao an-trano. Ilay tany ampianarana efa nolazaiko fa tsy mifanaraka loatra amin'ny zavamisy manodidina ny mpianatra fa fiandrandrana ny hitady asa any amin'ny vazaha na any amin'ny fanjakana. Noho izany tsy hitovy velively ny 70 taona nahazanatany antsika nefa nanaovana sekoly mirazotra (io indray ilay teny hafahafahan'ny fanagasiana tsssss...hihi) tany an-trano sy ny 50 taona sekoly nandeha irery tamin'ny fampianarana fa tsy nisy nifaninana taminy... Fanampian-tosika  aza no natao indrindra rehefa hanala fanadinam-panjakana.

Fehiny: mbola fahabangana lehibe hampitiavana ny teny malagasy ny fototra any amin'ny ankizy atao amin'ny alalan'ny hira na tsianjery zary kilalao. Noho izany, asa lehibe miandry ny rehetra tia ny teny Malagasy io. Ny fanolokoloana azyihany no mamelona azy fa raah heverina ho kibo saoky ny nahiny io dia tanteraka tokoa ny filazna hoe afaka 50 taona dia hanjavona ny teny malagasy (indrindra amin'ireolazaina fa nandia fianarana).

Aleo angaha averiko eto indray ilay "Savez-vous planter les choux" araka ny fahaizako azy:

Nous ne savons que le français
A la mode, à la mode
Nous ne savons que le français
A la mode est le français

Le Malagasy est meprisé
A la porte, à la porte
Le Malagasy est meprisé
A la porte et du balai

Ny any aoriana hana'hoana ange
Hana'hoana,(hanao ahoana)
Ny any aoriana hana'hoana ange
ny teny malagasy dia tsy hain'ise

 

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox