Inona avy ny tombontsoa azontsika amin'ny teny frantsay?

2014-09-04 @ 08:22 in Kolontsaina

Rehefa mamaky ity lahatsoratra ao amin'ny Global Voices teny malagasy ity ianao dia ho tsikaritrao avy hatrany fa mitodika bebe kokoa amin'ny tombontsoa frantsay ilay mpanoratra. Tsy azo melohina izany fironana izany fa anjarantsika hafa rehetra kosa ny manontany tena hoe aiza ho aiza kosa ny tombontsoan'ny Malagasy rehefa miditra amin'itony fikambanana iraisampirenena tahaka ny OIF (Organisation Internationale de la Francophonie) itony isika.

Ambaran'ny tatitry ny OIF tamin'ny taona 2010 hita ao amin'ny lahatsoratra fa amin'ny taona 2050 dia hosongonan'ny mpiteny frantsay (mahatratra 750 tapitrisa) ny isan'ny mpiteny anglisy. Fikambanana mpiaro ny teny frantsay kosa ve tsy hanatsara ny azy? Dia roboka daholo amin'izay ny orinasa frantsay manoloana izany tsena azo trandrahina tsara izany hanokana fandaharana ho an'i Afrika. Tsy misy resaka ho an'ny mpandraharaha Afrikana hatreto, fa somary mahatohina ihany ilay famaranana ny lahatsoratra hoe misy tombontsoa Afrikana ao amin'ny resaka fanofanan'asa sy ny tsenan'asa, natao ho mpiasa hatrany ve ilay Afrikana fa ny Frantsay no mpamorona asa?

Eritreritra tsy tana izany fa ilaina fantarina ihany izay voasoratry ny lahatsoratra. Mahatonga saina manko ny mahita resaka TNT amin'ny fomba ankolaka ao ka lasa manoratra tsy fidiny hoe nisy baiko avy any ambadika ve ilay mahamaika ny fitondrana malagasy hiditra amin'ity TNT ity.

 

Jentilisa 04 septambra 2014

Taombaovao Malagasy Siantifika ?

2013-03-17 @ 22:49 in Kolontsaina

Ninia tsy nitabataba loatra aho tamin'ity raharaha iray ity. Sanatria tsy fitiavana manokana ny fomba malagasy na fanaovana tsinontsinona ny fitadiavana izay mampiavaka sy mahaizy ny Malagasy fa indraindray misy ihany ny zavatra mila fanazavana sy itadiavam-baliny ny lohahevitra iray. Ny tena dia mpankafy ny kolontsaina koa na dia tsy nobeazina tamin'ny fombafomba malagasy loatra noho ny fiainana an-drenivohitra aza dia mianatra ny mahafantatra sy maka tsoa-kevitra amin'izay mendrika asandratra. Dia tonga ity Taombaovao Malagasy izay mampiady hevitra fatratra sy mampifanolana vondron'olona samy mpanandratra ny maha-Malagasy.

Tsy mifanaraka amin'izay  tokony ho taombao iraisana sady iavahana. Valalanina ny mpanao gazety ary fanina ny sarambambem-bahoaka, hany ka lasa tsy miraharaha ilay kolontsaina. Ny antony hanoratako kosa, ahiako hisy tohiny ny raharaha, dia ho an'ireo izay liana ka te-hahafantatra bebe kokoa. Na ny tena aza dia nandany andro maromaro nitadiavana tahirin-kevitra (mbola an-tserasera avokoa) sy namakivakiana ny hevitr'ireo olona manodidina ity resaka ity. Mety ho lava ny resaka fa ny tsy maintsy idirako voalohany dia ny fihamboana fa misy ny taombaovao ara-tsiantifika izay mety hampihomehy ihany rehefa mieritreritra ilay izy elaela ianao. Tsoa-kevitra tamin'izay hitako niainga tamin'ny famakiana ireo tahirin-kevitra (lahatahiry) no atolotro etoana.

Fampidirana vetivety: misy karazany roa amin'ny ankapobeny ireo mpitana ny taombaovao Malagasy, ka ny mampifanolana indrindra ireo antokon'olona ireo dia ny daty hanamarihana izany. Ny antoko voalohany dia ireo mankalaza ny fety eo anelanelan'ny volana marsa-avrily izay ny fikambanana Trano Kolotoraly Malagasy sy ny fikambanana Mamelomaso. Ny antoko faharoa kosa dia ireo mankalaza ny fety mifanandrify amin'ny fiafaran'ny volana Ramadany izay ny Zana-dRanavalona no tena fanta-daza amin'izany. Heveriko fa avy any amin'ny loharano nanatanterahana voalohany ny fotoana no mahatonga ny fisarahan-kevitra. Ny an'ireo antokon'olona voalohany ny asiako resaka vetivety etoana.

Fandresen-dahatra miavaka sy entina tsy ahafahan'ny mpifandresy lahatra amin'ireo mpankalaza ny taombaovao mandritra ny tsinambolan'ny alahamadin'ny marsa-aprily mamaly azy intsony ny filazana fa azo porofoina ara-tsiantifika ny taombaovao fikiriny. Hoy ny filazana  hoe : « Andro hifanitsian’ny volana sy ny masoandro amin’ny antokon-kintana Alahamady raha jerena avy ety an-tany (eto Madagasikara) ny taombaovao malagasy ». Vao mahare izany ny mpiady hevitra aminy dia tsy mahateny satria angaha ny azy ny heveriny azo porofoina ara-tsiantifika ity resaka taombaovao ity? Fa angaha r'itony porofoina amin'ny fomba siantifika itony fety itony? Ny ao an-tsaiko dia tsy azo porofoina izany zavatra izany satria resaka ifanekena no hanaovana na hametrahana ny daty fa tsy nisy fanaporofoana ara-tsiantifika izany. Na izany aza dia aleo apetraka araka ny fomba fisainany ny resaka.

Lasa aloha ny tena nanontany an'i Google hoe misy ifandraisany ve ny taombaovao sy ny astronomia na ny taombaovao sy ny siansa fa izay nojereko rehetra tsy misy mampifandray ireo voambolana niara-nalahatra ireo. Tena miavaka manokana ve izany ny Malagasy raha afaka manaporofo fa siantifika no nisafidianany ilay na ireo andro hanaovana ny taombaovao no tsy misy ifandraisany izy ireo amin'ny fitadiavana atao? Misy resaka tsy milamina ao ambadimbadika ao an! fa lasa hatrany nanao ny fitadiavana, farany tonga teo amin'ity hoe "Zôdiaka" na raha atao teny malagasy mahazatra kokoa dia hoe "ireo anaram-bintana" nalahatra araka ireo antokon-kintana eny amin'ny lanitra jerena avy ety an-tany ka andalovan'ny masoandro. Fa nihomehy  irery amin'izay aho rehefa nahavaky azy nanao hoe izao izany no siantifika aminy koa. Fa ahoana ny  voalaza?

Tena tsorina dia tsorina ny resaka mora hahazoana azy. Misy karazany roa ny zodiaka dia ny zodiaka teorika ( zodiaque tropical) sy ny zodiaka ara-boajanahary (zodiaque sidéral). Ny zodiaka teorika dia ny fampizarazarana ho 12 ny faribolana iray ka samy mahazo zoro 30° tsirairay avy ny antokon-kintana nakana ny anaram-bintana (noraisina ho karazana anaram-bolana teo amin'ny Malagasy teto Imerina). Ny toera-piaingan'ny fotoana raisina na hoe toera-pifanandrifiana niaingana dia eo amin'ny teboky ny lohataona (point vernal ou équinoxe du printemps ho an'ny ila-bolantany avaratra)  izay heverina ho teboka iray samy niaingan'ny zodiaka teorika sy ny zodiaka ara-boajanahary.

Ny zodiaka ara-boajanahary kosa dia ny toerana tena marina misy ireo antokon-kintana raha oharina amin'ny teboky ny lohataona. Noho ny fisian'ny fikisahan'ny miraalina (équinoxe) izay miteraka fifindra-toerana eo anivon'ny habakabaka dia misy fifampisintahana tsikelikely 1° isaky ny 72 taona eo amin'ny zodiaka roa tonta na fiovan'ny fotoana andalovan'ny masoandro eo amin'ny antokon-kintana voafaritra na tenenina amin'ny voambola hafa hoe fiovana anaram-bintana isaky ny 2150 taona na mahavita fihodinana feno iray isaky ny 25800 taona. Amin'izao fotoana izao dia eo amin'ny 29° avy eo amin'ny teboky ny lohataona no misy ny fanombohan'ny zodiaka ara-boajanahary raha tsy etsehina eo amin'ny fanombohan'ny zodiaka teorika kosa izany teboky ny lohataona izany. Izany hoe andro na vanim-potoana hafa mihitsy amin'ny fotoana teorika ifanandrifian'ny masoandro amin'ny antokon-kintana jerena avy ety an-tany ny fifanandrifian'ny masoandro sy ilay antokon-kintana voalaza ara-boajanahary. Tsy haiko intsony raha mbola azon'ny mpamaky izay tiako lazaina na tsia fa na izaho aza mbola sahirana manazava azy amin'ny teny Malagasy.

Efa nisy nahavita tabilao moa izany resaka izany hahatsotra azy fa dia tsy maintsy ataoko fanazavana an-tsoratra hatrany noho ny fahasarotana sy ny fotoana lany amin'ny fananganana tabilao amin'ny tranonkala.

Raha ara-teorika dia hoe ny 21 marsa- 19 avrily no ifanandrifian'ny masoandro amin'ny antokon-kintana Alahamady (Al-h' amal) na Bélier dia ny 18 avrily - 13 mey kosa no fandalovana ara-boanajahary ataon'ny masoandro amin'io antokon-kintana io eny an'habakabaka.

Raha ara-teorika dia hoe ny  20 avrily - 21 mey  no ifanandrifian'ny masoandro amin'ny antokon-kintana Adaoro (Ath-thaûr) Taureau dia ny 13 mey - 21 jona kosa no fandalovana ara-boanajahary ataon'ny masoandro amin'io antokon-kintana io eny an'habakabaka.

Raha ara-teorika dia hoe ny 21 mey - 21 jona no ifanandrifian'ny masoandro amin'ny antokon-kintana Adizaozo (Al-dzaûza) na Gémeaux dia ny 21 jona - 20 jolay kosa no fandalovana ara-boanajahary ataon'ny masoandro amin'io antokon-kintana io eny an'habakabaka.

Raha ara-teorika dia hoe ny 22 jona - 22 jolay no ifanandrifian'ny masoandro amin'ny antokon-kintana Asorotany (As-sarat ân) na Cancer dia ny  20 jolay - 10 aogositra kosa no fandalovana ara-boanajahary ataon'ny masoandro amin'io antokon-kintana io eny an'habakabaka.

Raha ara-teorika dia hoe ny 23 jolay - 23 aogositra no ifanandrifian'ny masoandro amin'ny antokon-kintana Alahasaty ( Al-asad) na Lion dia ny 10 aogositra - 16 septambra  kosa no fandalovana ara-boanajahary ataon'ny masoandro amin'io antokon-kintana io eny an'habakabaka.

Raha ara-teorika dia hoe ny 24 aogositra - 22 septambra  no ifanandrifian'ny masoandro amin'ny antokon-kintana Asombola (As-sumbula) na Vierge dia ny 16 septambra - 30 oktobra kosa no fandalovana ara-boanajahary ataon'ny masoandro amin'io antokon-kintana io eny an'habakabaka.

Raha ara-teorika dia hoe ny 23 septambra - 23 oltobra  no ifanandrifian'ny masoandro amin'ny antokon-kintana Adimizana (Al-mizan) na Balance dia ny 30 oktobra - 20 novambra kosa no fandalovana ara-boanajahary ataon'ny masoandro amin'io antokon-kintana io eny an'habakabaka.

Raha ara-teorika dia hoe ny 24 oktobra - 22 novambra no ifanandrifian'ny masoandro amin'ny antokon-kintana Alakarabo  (Al-aqrab) Scorpion dia ny 20 novambra - 29 novambra kosa no fandalovana ara-boanajahary ataon'ny masoandro amin'io antokon-kintana io eny an'habakabaka.

Eto misy antokon-kintana antsoina hoe Serpentaire tsy napetraka ho ao anatin'ny anaram-bintana saingy ny fifanandrifiana tazana avy ety an-tany ataon'ny masoandro amin'izany antokon-kintana izany dia ny 29 novambra - 18 desambra

Raha ara-teorika dia hoe ny 23 novambra - 21 desambra no ifanandrifian'ny masoandro amin'ny antokon-kintana Alakaosy (Al-qaûs) na Sagittaire dia ny 18 desambra - 20 janoary kosa no fandalovana ara-boanajahary ataon'ny masoandro amin'io antokon-kintana io eny an'habakabaka.

Raha ara-teorika dia hoe ny  22 desambra - 19 janoary no ifanandrifian'ny masoandro amin'ny antokon-kintana Adijady (Al-djadi) na Capricorne dia ny 20 janoary - 16 febroary kosa no fandalovana ara-boanajahary ataon'ny masoandro amin'io antokon-kintana io eny an'habakabaka.

Raha ara-teorika dia hoe ny 20 janoary - 19 febroary no ifanandrifian'ny masoandro amin'ny antokon-kintana Adalo (Ad-dalû) na Verseau dia ny 16 febroary - 11 marsa kosa no fandalovana ara-boanajahary ataon'ny masoandro amin'io antokon-kintana io eny an'habakabaka.

Raha ara-teorika dia hoe ny 20 febroary - 20 marsa no ifanandrifian'ny masoandro amin'ny antokon-kintana Alohotsy (Al-h'ût) na Poissons dia ny 11 marsa - 18 avrily kosa no fandalovana ara-boanajahary ataon'ny masoandro amin'io antokon-kintana io eny an'habakabaka.
 
Koa eto am-pamaranana vetivety ary dia te-hanontany aho hoe aiza ho aiza ara-tsiantifika tokoa no fifanandrifian'ny masoandro amin'ny antokon-kintana Alahamady? Ny lazainy ho 21 marsa - 19 avrily ara-teorika sa ny 18 avrily - 13 mey ara-boajanahary na tena izy eny an'habakabaka eny amin'izao fotoana izao raha tazanina avy ety an-tany ?

Jentilisa 18 marsa 2013

Mpampianatra tsy mpanabe?

2013-02-20 @ 09:21 in Kolontsaina

Fony mpankafy nijery sarimihetsika tamin'ny fahitalavitra ny tena dia natao  toy ny fanalan'andro fa noheverina tsy hisy izany hoe mpampianatra masiaka dia masiaka amin'ny mpianatra mbola zaza izany. Matetika moa rehefa misy ilay mpampianatra masiaka dia masiaka, dia eo akaikiny eo mandrakariva misy mpampianatra tsara fanahy amin'ny mpianatra ary miezaka ny hanalefaka ny habibian'ilay mpampianatra notononina voalohany. Noho ny maha-an'ny ankizy ilay sarimihetsika dia mandresy hatrany ny zaza any amin'ny farany ary ny zaza ihany amin'ny ankapobeny no nitady tetika hanasaziana ilay mpampianatra (na tale) saro-po. Tsy noheverina tena hisy amin'ny fiainana andavanandro, indrindra fa hoe eto Madagasikara, izany toe-java-misy izany raha tsy nanatri-maso mivantana ny tena.


Ao amin'ny sekoly tsy miankina iray eto Antananarivo, Madagasikara,no ahitana mpampianatra vehivavy iray nahavariana ihany ny fihetsiny. Manana zanaka vavy hanala ny fanadinam-panjakana voalohany izy, ary izy ihany no mpampianatra ny zanany. Raha ny ray aman-dreny amin'ny ankapobeny no mahafantatra izany dia hieritreritra avy hatrany fa ho tsara fampianarana ny zanany eo ambany fitantanan'izany ramatoa mpampianatra izany. Hentitra dia hentitra amin'ny mpianatra izy mba hianaran'ny ankizy tsara sy hahatsapan'ireo mpianatra ireo fa tsy zava-kitoatoa eo amin'ny fiainam-pianarana izany hoe hanala fanadinam-panjakana izany. Hahatsiaro menatra ihany koa ny ray aman-dreny raha ny zanany no tsy afaka amin'ny fanadinam-panjakana toy izany. Nandiso fanantenana tanteraka anefa ny fihetsiky ramatoa mpampianatra fa lasa toy ny manao zavatra tafahoatra izy ary toa azo lazaina ho mivadika fankahalana olona mbola zaza indray aza ny fihetsika ataony.

Tamin'ny kilasy mialoha ity kilasy fanalana fanadinana voalohany ity dia efa nanao fanampim-pampianarana izy (cours fa ny ilazany azy ho an'ny mpianatra dia hoe manao suivi izy), andoavam-bola fanampiny ankoatra ny saram-pianarana izany mazava loatra. Nahazo laharana ambonimbony ny zaza tamin'izany fotoana satria atao hoe voara-maso tokoa ny zaza. Rehefa nigadona amin'ny taom-pianarana fanalana fanadinana, niova ny tantana fa nanomboka nanana fotoana ka nanapa-kevitra ny hanara-maso akaiky ny fianaran-janany ny renin'ny zaza. Mihevitra noho izany ny renin'ny zaza fa noho ny fananany fotoana amin'izay dia omeny ny fahavononana feno hiatrika ny fanadinana ny zanany, hanampy azy hahazo ny lesona sy hanampy ihany koa ny fanazavana ary hanadina ihany koa. Tsapa anefa fa tsy tahaka izay no nandraisan-dramatoa mpampianatra ny resaka. Niova ny fomba fifandraisan'ny zaza sy ny mpampianatra satria toa nilanila vaniny tamin'ireo mpianatra tsy manao suivi ramatoa. Tsy maninona hoe fomba fijery mitongilana no hotantaraina saingy izay mitaraina aloha no henoina...

Nanomboka tamin'ny hoe izay miteny malagasy ao amin'ny faritry ny sekoly dia mandoa vola ariary zato aminy. Any am-piasana aza tsy azo atao ny fanasaziana ara-bola afa-tsy noho ny fahabangan'ny vola amin'ny asa atao. Dia ny sary kely rehetra (saritanin'i Madagasikara na firan'ny taova isan-kazarany toy ny fo, havokavoka) sns ihany koa izay ahatafidirana sary dimy eo ho eo ny refin-taratasy A4 iray dia vidiana ariary zato tsirairay... nefa ny sary amin'io tsy mazava tsara akory fa manjavozavo tsy hay vakiana. Isaky ny fanadinana dia asainy mitondra 700 ariary isan'ankizy isaky ny fotoam-panadinana hamaliana ny fanontaniana ihany koa ny mpianatra (izany hoe ariary zato ny iray amin'ny taranja fito ampianariny, marihiko etoana fa fanapaha-keviny samirery io fa tsy politika ankapoben'ny sekoly). 

Indray mandeha moa dia efa nisy boky fanomanana fanadinana efa nandrasan'ny sekoly hatry ny ela. Vao nisy mpianatra iray nahazo dia nolazaina fa tsy maintsy mitondra io boky io avokoa ny mpianatra rehetra ny ampitso maraina. Andro alarobia io fotoana io ary tsy maintsy mitondra ny boky ny mpianatra ny alakamisy maraina. Noho izay mety ho antony samihafa tany amin'ny tokantrano tsirairay tany dia tsy afa-nitondra ny boky ny 40% eo ho eo amin'ny  mpianatra iray kilasy ny alakamisy maraina fa navoakany niaraka tamin'ny kitapo dia nasaina niloloha tanana teo ivelany teo mandra-pahavitan'ny ankizy nitondra boky ny zavatra natao tao amin'io boky io. Nolazaina moa ireo mpianatra ireo fa tsy ilaina miverina any an-tsekoly izay mbola tsy manana ilay boky ny hariva... ary dia nisy tokoa moa ny tsy niverina satria mbola tsy nahazo. Ny nampihomehy mahasosotra tamin'ny nataon'ny ramatoa mpampianatra dia hoe tsy mahazo manao ny devoara tsy natao tamin'io andro io intsony ny mpianatra tsy nitondra ilay boky.

Tia manao fety io sekoly io. Tsy maintsy manomana fanamiana vaovao hatrany isak'izany fanaovana fety izany. Tsy maintsy ampanjairina ny fitafiana satria zavatra tsy ho hita eny amin'ny mpivarotra mihitsy no atao. Nanao tsara tokoa ny tena tamin'ny fety mialoha ny krismasy satria mba fetin'ny faran'ny taona io... Nanomboka tapaky ny volana janoary indray dia efa nampiomanina ny ankizy fa tokony hanana fitafiana lokon'i Brezila na lokon'ny telma ny ankizy tsirairay avy amin'ny fetin'ny talata matavy. Tsy nofariparitana mazava moa ny didy anaovana ny akanjo fa dia izay loko izay no nohitrikitrihina. Tsy naka sarotra ny renin'ny zaza fa nividy izay azo novidiana. Tratry ny fanaviana ny zaza ny alatsinainy mialoha ny talata matavy ka tsy nalefan'ny ray aman-dreniny tany an-tsekoly. Ny talata andron'ny fety vao nankany fa levilevy no niandry, tsy ilay akanjo novidiana no nanaovana fa akanjo lava tanana ary nampanaovina akanjo mafana manara-batana [solo-pataloha] miloko mena satria zaza vao avy narary. Nasaina nesorin'ilay mpampianatra anefa ilay akanjo manara-batana satria tsy loko telma io na loko brezila ary voasazy fa ahena 40 ny isa ankapobeny azo tamin'ny fanadinana (izay notontosaina ny andro alakamisy mialoha ny talata matavy) . Noho ny tsy nanatrehany ny fianarana ny alatsinainy mialoha ny talata matavy dia mbola nahena 40 ihany koa ny isa ankapobeny azo tamin'ny fanadinana. Izany hoe mihena 80 izany ny isa ankapobeny tamin'ny fanadinana andrana nataony. Efa nilaza mialoha izy fa izay ankizy tsy mahazo ny salan'isa ampy dia tsy maintsy manao ny suivi ary tsy karakaraina ny taratasy hanalany fanadinana. Tonga dia hoy ny eritreritry ny renin'ny zaza hoe: "Angamba nahazo isa ambony be ny zaza dia ahintsana ny isa ankapoben'ny zaza". Mifanindran-dalana amin'izany kosa dia nolazainy fa omena fanampin'isa 40 tamin'ny fanadinana natao ireo ankizy nahafinaritra ny fomba fiakanjony tamin'ny fetin'ny talata matavy. Dia izay no zava-misy mba tiana nampitaina fa afaka mitsikera na ramatoa mpampianatra isika na ny renin'ny zaza...

 

Ilay fitafiana nahavoasazy

 

Jentilisa 20 febroary 2013

Taratasy misokatra setriny [2]

2011-04-18 @ 21:51 in Kolontsaina

Ny mpamaky ny Maharesaka Veto tsy tapaka dia mety ho nahatsikaritra ny fisian'ny taratasy misokatra ho an'ny mpikabary malagasy rehetra. Noho ny fifanarahana an-trano teo amin'ny mpianakavy taorian'ny fivoriana fanindroany misesy ny alatsinainy alina rehefa nahatontosa ny asany avokoa ny mpianadahy avy dia nekeko ny fanesorana ny lahatsoratra, saingy soloiko hafa midadasika kokoa izany ka tsy asiana loatra ny zavatra niainana. Misy ihany koa ireo namaly tany amin'ny sehatra samihafa koa dia apetrako etoana izany ankoatra ny tena anarany angaha. Azontsika rehetra hatrany anefa ny mbola manohy ny adihevitra.


Toy izao aloha ny ambangovangon'ny lahatsoratra nofafana : 


1. Fanivaivana olona eo amin'ny samy mpikabary no tena nampisendaotra ny mpanoratra. Hoy aho tamin'izany hoe :

Raha izaho manokana raha hanivaiva olona sy hanamboniako ny tenako no hanaovako kabary dia aleoko tsy miditra amin'izany fa tsy manefy ahy ho olom-banona velively izany.

Fanivaivana fa tsy mahay mikabary aloha, avy eo indray fanivaivana fa tsy mahay fomba rehefa hita ny fahaizan'ilay mpikabary. Mbola mitoetra hatrany ny adihevitra amin'izay olona tokony handray anjara fitenenana.


2. Efa tsy fanajana olona ihany koa araka ny hevitro raha ora maromaro vao ampidirina ny olona. Satria tsy hoe tsy misy atao afa-tsy fambolena sy fiompiana tamin'ny taonjato faha-17 sy 18 intsony ny olona. Nasiaka mihitsy aho nanoratra hoe:

Raha mbola tsy vita tokoa ny fiomanana dia tsy maninona loatra ilay fampiandrasana fa raha hoe isan'ny fandondonana varavarana no amohana na tsia azy io dia tazony ho anareo ny anareo ka aza tsiny raha ilaozan'ny hafa ianareo ary mety ho anisan'ny antony goavana mahataraiky ny Malagasy mihitsy ny zavatra tahaka itony.

Na izany na tsy izany, misy ny milaza hoe ilaina ny ijerena lazon'ady ny olona te-hiditra ho fianakaviana koa. Tena mety ho an'ny fianakaviana mpiompy sy mpamboly miandry ny vokatra am-bolana ny lazon'ady fa ny vanim-potoana ankehitriny anie efa ny isam-bolana na ny isan'andro no mikaonty nefa mbola hevitro ihany izany fa inona kosa no tena lafy tsaran'ilay fampiandrasana olona ary?


3. Ao anatin'ny "lalao" ilay mody miala rehefa tsy ampidirina an-trano ka tokony anaty lalao ihany koa ny miala maina satria resy ny mpikabarin'ny tena saingy nihazakazahan'ny mpikabarin'ny mpamoaka moa ny mody nanasohaso kely ilay zazalahy na nisy teny maharary nataon'ilay mpikabary tamin-drazazalahy ihany aza. Nanontany aho ny anton'ny fandoavam-bola vao miditra mialoha ny idirana an-trano fa ny fahazoako azy tsy mahay ilay "fomba" dia saran'ny fafa trano angamba iny. Efa novaliana mpikabary etsy ambany etsy ny tena dikany ary izay rahateo no notadiaviko.

Saingy izay angaha moa ilay fomba ka dia naloa ny sara na tsy nisy tapakila nandoavana azy aza. Izany hoe eto aho dia mitady fanazavana ny dikan'iny fandoavam-bola mialoha ny hidirana ao an-trano iny satria matoa natao iny dia tokony fantarina ny antony ho fakan-desona


 4. Misy ny adin'ny mpikabary ka eny imasom-bahoaka vao manao ny ataony amin'izay. Manaiky izany ny ankamaroan'ny mpikabary nifampiresaka tamiko. Averiko eto izay nosoratako hoe:

Anjaranareo mpikabary mpitana ny fomba amam-pitenenana malagasy ary azafady indrindra no manazava aminay ny anton'ilay fifanevatevana eo amin'ny samy mpikabary misy fiantraikany amin'izay mety ho fifandraisan'ny fianakaviana roa tonta. Toa misy fifanenjehana tahaka izany, hono, eo amin'ny fikambanana mpikabary samihafa sa diso izany? Izany ve no kolontsaina tianareo ampitaina amin'ny taranaka efa tsy mahalala intsony ny hasin'ny kabary sa fitaratra ihany ireny fa tena tia nifanevateva sy nifanambanimbany tokoa ny Malagasy teo aloha ka tonga hatrany anaty kabary izany? Sao fomba tokony ilaozana kosa e? Lasa tsy nisy dikany mihitsy manko na dia voateny tao aza ilay fitenenana hoe raha misy izay mangidy nolazaina dia aza ny tenako no ariana fa ny teniko


Indreto manaraka tsy misy ahitsiko ireto kosa ny setriny izay misy avy amina mpikabary mihitsy:


A. avy amin'i Naritsimba izay namana ao amin'ny serasera:


Mahay mikabary ve?


Miarahaba an'i Jentilisa ny tenako, efa ela tokoa tsy nihaona ary na mamaky matetika izay voasoratra aza dia izao vao hanampy fanazavana momba ny Kabary Malagasy. Mpikabary moa ny tena ary efa maromaro izay kabary naleha sy ny toerana nikabariana izay raha teo @ fanaterana vodiondry.


Misy tokoa ny fomban-tany izay mbola tena manaja feno ny fomba teo aloha izay nahatonga ny fitenenana hoe: Izay resy an-kabary, very vady aman-janaka." Amin'ireto faritra ireto no mbola tena mitana azy raha manodidina an'Antananarivo: Arivonimamo miankandrefana sy ny manodidina azy, Zafindravoromanga any Ambohitrolomahitsy (Talatan'Ivolonondry).

Ny mifamaly an-kabary dia fanao izany hoe fampisehoana ny hakanton'ny teny Malagasy, ny tsy fampandrosoana ny vahiny ao an-trano ela loatra dia tsy fomba fanao fa ny fandonana im-pito na in-tsivy izany hoe isa tsy an-kasa dia tokony ho vita ao anatin'ny 15mn-30mn raha ela indrindra.

Ilay hoe misy sara-pidirana ao an-trano, tsy hoe vola aloa iny fa, raha misy eo am-baravarana na eo an-tokonana satro-bory, dia androtsahana vola iny fa tsy sanatria raisina ilay satroka dia ariana, izany dia midika fa manaja izay zavatra hitanao ianao rehefa any an-tananan'olona fa tsy manilikilika ny hafa na handray ny tsy an'ny tena, ary io dia izay foy no atao ao, mety 100ariary na 200 ariary, tsy azon'ny tompon-trano lavina izay vola voarotsaka ao ary tsy misy ady varotra.

Ankoatra izay ireto avy ny karazam-bola fandoa:

Ala-fady tany= atolotra ilay mpikabary ary miala-tsiny noho ny tsy fahafantarana ny fomban-tany, mety ho vola io mety ho toaka;

ala-diso = atolotra ny mpikabary mpamoaka an-drazazavavy alohan'ny tena hidirana @ ranja-kabary mba tsy hisian'ny tsikera hahazo ny mpitondra teny avy aty amin-drazazalahy, indrindra raha misy teny diso voalaza. Ny vola amin'ireo dia tsy azo iadiam-barotra fa izay foy.

Toy izany koa ny "tampi-mason'anadahy" tsy azo iadiam-barotra, raha mbola tsy vita tamin’ny fiantranoana.

Ny vola manaraka moa dia ilay atao hoe SOLOMBODIONDRY miaraka @ ireo sakeliny maro: ala-volofotsy solon-tsakarano, hasim-bosarin-jaza ... io kosa dia tsy maintsy feno 7 rehefa tononina, azo atao anaty valopy tokana miaraka @@ solombodiondry, na valopy 8 isa ka ny valopy iray vodiondry ary ny 7 ambiny ireo sakeliny 7. Ny sakeliny 7 dia tsy azo iadiam-barotra ihany koa.

Misy tokoa ny mpiady varotra vodiondry fa io dia ny fahaizan'ny mpikabary mandresy lahatra ny havan-drazazavavy no hisian'ny ady varotra na tsia, ary mety hisy teny toy izao hivoaka hoe: "izahay tsy hividy olona, ary ianareo koa tsy hivarotra olona", zon'ny fianakavian-drazazavavy ny manokatra ny valopy misy ny vodiondry ary isainy, eo no raikitra ny ady varotra. Izao kosa anefa raha vao sokafana ny valopy misy ny vodiondry dia azon'ny mpikabarin'drazazalahy atao ny milaza fa, raha toa ka tsy hainareo ny mizara an'iny dia aleo izahay no hizara azy fa tsy sanatria hampiady anareo mianakavy no antony hahatongavanay eto fa handrindra fihavanana sy hanori-tokantrano, miampy ohabolana sy hainteny isan-karazany io mba handresy lahatra ireo tompon-trano. Koa raha vao raikitra ny fanokafana valopy, ka mandeha ny ady varotra dia efa tokony hiomana ny mpikabarin-drazazalahy fa raha vao raikitra ny fizarana dia tsy maintsy mahazo amin'iny daholo izay olona manatrika eo rehetra na avy @ lehilahy na avy @ vehivavy, ary ny zaza vao minono hatramin'ny antitra indrindra.

Tokony hiomana amin'ny vola madinika izany ny mpikabarin-drazazalahy, fa tsy azo atao ny mitondra ny vodiondry mivoaka ny trano atakalo fa dia tsy maintsy izy no mitady izay fomba hizarana an'iny eo imason'ny rehetra, izay fizarana izay no midika fa ampy tokoa ilay vola natokana ho solombodiondry, ampy mizara fa tsy voatery hitovy ny anjaran’ny tsirairay, ary matetika dia ny mpikabary avy amin-drazazalahy no mahazo betsaka indrindra. Ary hamafisina @ hoe : hitanareo fa tsy mba manao tombo sy hala ny zanakay lahy satria mitovy na ny havan’ny lahy na ny havan’ny vavy.

Momba ny adin’ireo sekoly mampianatra kabary indray dia tsy miafina izy io ho an’izay manana io toe-tsaina io.Ny tenako moa dia anisan’ny efa nianatra ary nampianatra, fa dia misy tokoa ny fifanenjehana eo @ fikambanana maro samihafa, toy nyfikambanana nisy ahy izao dia nolazaina fa mpanimba tsena satria maimaim-poana ny saram-pianarana na ny fandehanana mikabary, fa ny sara-dalana sy ny sakafo kosa dia anjaran’izay maka hikabary.

Amiko ny mpikabary manao toy izay voalazan’ny jentilisa dia tsy mpikabary ireny fa azo lazaina hoe : Mpanao adin’androvolahy, masiaka ambo an-kadivory ka mandany zara ny ao an-tanana. Tsy ao an-tsainy mantsy fa mety hiteraka zavatra hafa ny fihetsika nasehony rehefa tonga any an-tokantranony izy roa kely(sanatria anie izany)

Misaotra an’i Jentilisa nizara, ary nanao fanamarihana.
Mirary soa jentilisa


B. Avy amin'ny namana iray ao amin'ny vondrona yahoogroupes hoe serasera:


Miarahaba ny mpisera rehetra,
Tena lalina be ny zavatra apetrak'i Jentilisa eto ka tsy naharitra ny tena ny tsy isaotra azy. Tena mila fandalinana lalina tokoa ny momba ny fomba amam-panao. Tsara fantarina tokoa ny hevitr'izy ireny, ijerena ny soatoavina malagasy. Izay hita fa tsy mety dia ariana.

 
Ho antsika tokoa ny teny dia manan-tompo, natao ho an'ny zokiolona ny ray aman-dreny. Manan-jina ka tsy mety ny miteniteny foana sao mandratra olona, na misalovana ny anjaran'ny sasany ka dia sorohina ety am-piandohana amin'ny alalan'ny fialan-tsiny. Misy fanetren-tena tokoa izany. Tsy manao rano dingain'ny zinga velively e.


Ary io no tena adinontsika Malagasy fa manana io toe-tsaina tia fanetren-tena io isika. Tsy lavorary akory isika na izany aza. Fa fifampitaizana no atao e. Tsy resaka arifenitra io (protocole) fa tena fanajana, fanomezana hasina ny tsirairay mihaino anao.

Olombelona tahaka ny olombelona rehetra anefa isika ka mba misy koa ao amintsika ao te hanambony tena, te hizahozaho. Fianarana ny zava-drehetra, ka izao no fiteninay  hoe : "Mianara any am-pilalaovana, fa aza milalao ao am-pianarana" ! Isika Malagasy koa moa dedaka indraindray ka maka tahaka be fahantany fotsiny dia manjary manaonao foana (io ilay mimitisme e), manao randrana tsy manendrika ny tena fa lamaody hono e. Ny mpanao politika sy ny mpanao gazety indraindray tratran'io "mimitisme" io. Randjazanamihoatra dia niteny hoe "Mahavariana isika Malagasy, fa isika no manahaka ny vahiny, fa tsy ny vahiny no maka volontany".


Fa ny tenako dia isan'ireo mpametraka fanontaniana hoe : "Mety ve raha tovolahy na tovovavy vao misandratra ( 20 taona any aho any) no mikabary am-panambadiana ?"  Tokony hiandry ny fotoanany izy. Mahafinaritra tokoa ny mahita zazakely manao tsianjery kabary, mitehaka be isika. Fampisehoana kolontsaina iny. Fa zava-dehibe izany fanambadiana izany fa tsy fampisehoana, ny kabary am-panambadiana dia tena misy lanjany tsy ny zavatra ho tenenina ihany fa ilay olona miteny koa. Koa tokony asiana an-tanan-tohatra ny momba io. Misy hasina fototra itoviantsika rehetra amin'ny maha-olona. Fa ny hasin'ny dada sy neny tsy mitovy ny ahy zanaka, mba fijeriko azy.

Mbola mety ifanakalozantsika eto momba ny hoe : ray amandreny sy raiamandreny sns.... Fianakaviana roa no afatotry ny fifankatiavana ireo mpifamofo. Koa hafatra be no ampitaina. Tenierana no atao. Koa aoka tsy ho fombafomba fotsiny na endriky ivelany e. Dia manjary hatrany ambavahady avy no mifampiandry. Toa mampihomehy ihany izy izany. Raha hiteny ny mpangataka hoe : "...vory ve ny mpianakavy e", dia mamaly ny mpamoaka hoe : "...mbola mampirina trano izahay fa andraso ao ivelany ao e !!!...". I Jentilisa aza niteny momba ny portable !!!
Izay no mba tsetsatsetsa tsy aritra e. Aloavy izay mangidy e.
Tahian'Andriamanitra. Ho Herinandro Masina tsara daholo ho an'izay manao izany.
XXXXX Liva


D. Olona iray hafa ao amin'ilay vondrona nolazaiko etsy ambony ihany


manahoana  

Hoy Jentilisa hoe dia tena @ "fanalikana" olona no hitany. Io moa @ kabary, fa voamariko koa, fa rahefa mijery sarimihetsika malagasy aho (sy izay miara-mijery eo) dia vaky vava fa dia feno resaka mivindavinda sy mifampivazavaza sy mifanabaty @ireto tantara. Dia variana hoe, ataok'ity ny firesahana, ny fifampitondra-tena, ary indrindra koa @ kabary MALAGASY dia feno fialan-tsiny sy fialam-pondro ary fifandeferana sy fifanajana, ary rahefa tena hoe "hamely" akory aza @ kabary, dia atao anatina teny kisarisary faran'izay lalina sy mihodina... 

Dia izao indray, averina sy ahitatra ny resaka.

Dia variana ho'a zahay fa rahefa mijery sarimihetsika frantsay, na koa ohatra ny boky avy any frantsa, dia ny vazavaza sy esoeso sy fanapepoana dia be dia be. Io aloha dia avoitrako lava amin-janako, ary efa takany tsara, ohatra rahefa mijery ireny Bill Cosby na Fresh Prince taloha ireny izy, dia avy eo boky na film frantsay, koa na ohatra fotsiny hoe Boule et Bill.  ka dia tsoriko aloha ny ahy, fa raha ny fahitako azy dia "francisé" ny any amintsika, fa dia izay izany... Enga anie ny tanora aty aoriana @izao fanatontoloana izao, mba mahatakatra mihoatra ny ataon'ireto "francisé" ireto..  mandrapiresaka

 haja


E. Mbola afaka manohy sy maneho ny hevitrareo avokoa ianareo rehetra: marihina fa tao amin'ny Facebook dia nisy amin'izay ny nahasahy naneho ny heviny ny tsy fankasitrahany mihitsy ny kabary satria maro ny tokantrano efa ravan'ny mpikabary sy ny domberina avy amin'ilay andro iray niova ho faka mangidy tamin'olona. Ninia nangina ireo noho ny tahotra lazaina ho mpanevateva ny fomba saingy fotoana iray nanararaotany nilazany ny alahelony ilay lahatsoratra avy eo satria tokony hisy hatrany araka ny fahalalahan'ny tsirairay ny mamoaka izay ao am-pony.


F. Azo atao ve ny mampisaina ny rehetra/tsirairay amin'izay mety ho fiantraikan'ny fomba mampisaraka na mampiady? Ahoana ny tokony atao hampivoarana ilay fomba hiara-dalana amin'ny fandrosoana sa tsy azo atao mihitsy fa ny tamin'ny taonjato maromaro lasa ihany no tsy maintsy arahina?


Jentilisa, Alatsinainy 18 avrily 2011 amin'ny 23:50

Manjakamiadana an-tsary

2010-11-06 @ 22:33 in Kolontsaina

Nitsidika ny Lapan'i Manjakamiadana ny tena ny andron'ny Asabotsy 6 novambra 2010 izay androm-pahatsiarovana azy rahateo. Maimaipoana ny fankanesana teny sy ny fahazoana naka sary ka dia nanararaotra ny tena. Indreto sary vitsivitsy no aseho anareo.

 

Ireo olona liana nijery fandaharana tamin'ny fanarenana ny rova araka ny ahafantarana azy. 

 

Ny eo an-tokonam-baravarana kosa. 

 

Endrika andohalambo eny

 

Varavarambe mivoaka miatsinanana

 

Ahitana an'i Mahitsielafanjaka

 

Avaratra kosa ny tranomanara 

 

Na ny Lapan'Andafiavaratra 

 

Nakisaka ho avaratra atsinanana ny Fitomiandalana raha atsinanan'ny Lapa taloha 

 

Aseho avy amin'ny Andohalambo indray 

 

Fa ny any atsimo manakory? 

 

Fanatazan-drano hatraty anatiny

 

Nasiana tohatra hatrao anatiny rihana voalohany

 

Lafiny atsinanana

 

Ary ny vavahady andrefan'i Mahitsielafanjaka 

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox