Tsy azon'ny vahiny mpampita vaovao ny fizotran'ny toe-draharaha

2018-04-22 @ 01:20 in Politika

...Na inian-dry zareo tsy soratana ny vaikan'ilay nahazo ny kianja manoloana ny Lapan'ny Tanànan'Antananarivo (13 mey 1972) eo anatrehan'ny Malagasy, tononina manokana ireo nanao ny fitolomana teny amin'io kianja io. Izay mahazo na mifehy io toerana io no mahazo ny lakaben'ny fanorona mora ahazoana indrindra ny fahefana eto Madagasikara, na fiandohan'ny faharavan'ny fitondrana nitana ny fahefana. Izay ilay antsoina hoe mivadika ny rasa.

Volana maro na vitsy izay teto Madagasikara, izay manohana ny fitondrana ihany no afa-mamory olona araka izay tiany. Raha ny hafa no manao izany dia sarotra dia sarotra ho an'izany olona izany ny hanangona olona am-pilaminana. Nanomboka ny 21 avrily 2018 kosa, noho ny fanentanana tamin'ny haino aman-jery, nihamaro ny olona sahy niatrika ny mpitandro ny filaminana sy ny fandravana fivorivorian'olona. Fotoana fohy mialoha ny heverina ho fanombohan'ny tatitra hataon'ny depiote amin'ireo vahoaka nifidy azy, fika iray nentina namoriana ny olona ho eto Antananarivo nefa hita mazava eo anatrehan'ny rehetra fa fanomanana fihetsiketseham-panoherana izany na tsy lazaina mivantana aza, nanomboka sahady ny fandefasana ny baomba mandatsa-dranomaso teo Analakely sy ny manodidina azy. Efa marika sahady izany fa maro tsy tahaka ny mahazatra (nandritra ny fitondran'ny filoha Rajaonarimampianina) ny olona tonga haneho ny tsy fahafaliany.

Zavatra iray hafa voamarika, saika mari-potoana ihany koa ny depiote niainga avy ao amin'ny tranon'ny kaominina iray etsy Ambohijatovo natao ho fonenan'izay Ben'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra, araka ny fahafantarako azy, hamonjy ny toerana voatondro, saingy efa niandry teo akaiky teo ihany koa ny Emmo hanakana azy ireo. Heverina fa niara-nivavaka tamin'ny mpiandry vitsivitsy ry zareo mialoha ny hizorana ho any Analakely raha ny fanombanana. Mihazakazaka ny ho lohalaharana ireo depioten'Antananarivo ireo raha ny fijery azy, noho ny sao dia ilazàna hoe miafina ambadiky ny olona ve? Angamba noho ny fihazakazahana hoe iza no tonga aloha eo amin'ny toerana kendrena hahatongavana.

Raha niompana be dia be tamin'izay fandravana ny fihetsiketsehan'ny olona izay ny tati-baovaon'ireo gazety sy haino aman-jery vahiny, ny mason'ny Malagasy mpanara-baovao kosa mitodika any amin'ny hoe azo ve sa tsy azo ny kianjan'ny 13 mey... ny tokotanin'ny Lapan'ny Tanàna no marina kokoa. Raha ny hitady ny isan'ny maty sy ny maratra no mahamaika ny gazety na mpanara-baovao, tsy dia mahaliana loatra izay nandray anjara tamin'ny fitokonana izany rehefa tratra ny tanjona. Mihevitra ny mpitolona avy eo fa efa azony sahady ny fandresena na dia nisy aza izany maty sy maratra izany. 
Raha manao fihetsiketsehana izany ny Malagasy eto Antananarivo, tsy ny midina eny an'arabe  hanehoam-pahatezerana no maika fa ny handrombaka ilay fahefana araka ny lalaon'ny Malagasy hatramin'ny taona 1972 teo amin'io toerana io.

Tahaka ny fihetseham-po fandrenesan'ny vahoaka amin'ny firenena iray  ny hiram-pireneny redonina mandritra ny fanolorana medailin'ny lalao olaimpika, na fahitan'ny vahoaka iray ny sainam-pireneny mitsatoka voalohany sy avo indrindra amin'ny toerana iray no fihetseham-pon'ny Malagasy raha naharesy tosika ny mpitandro ny filaminana nanemitra ny toerana ry zareo ka afa-mijoro sy mipetraka ary mitsinjaka sy mihiaka. Tsy tokony atao mahagaga, noho izany, raha naharitraritra ihany ny horakoraky ny olona teo amin'io toerana io rehefa azon-dry zareo ny sehatra. Tsy tokony atao mahagaga ihany koa raha tsy manao na inona na inona intsony ny mpitandro ny filaminana raha vao mby eo amin'io toerana io ny maro an'isa satria izay ilay ao an-tsaina. Tsy tokony atao mahagaga raha miantso ny hanaovana fifampiresahana amin'izay ny eo amin'ny fitondrana satria efa very ny hasiny, saingy efa tara loatra izany ho an'ny maro, tara loatra ny antso avy amin'ny praiminisitra sy ny filohan'ny antenimieran-doholona.


Hafahafa noho izany ny mahita fampahalalam-baovao na malagasy na vahiny raha mampiseho ny sarin'ny fihetsiketsehana ka tsy mamoaka sy mitatitra ny fahazoana na tsia ilay kianja manan-tantara sy ivon'ny hasin'ny politikan'i Madagasikara. Manomboka izao: an-dalan'ny (mahita ny) famadihana ny pejin'ny tantaran'i Madagasikara indray isika.

 

 

Ravalomanana Marc: Sao voafandrika ao ianao?

2016-09-15 @ 17:53 in Politika

Raha ny marina dia tsy te-hiditra politika politisiana, na politika miresaka na manonona anaran'olona intsony aho. Fa indraindray dia tery ihany ny hanoratra sy hanoro hevitra. Tsy voatery ho marina izay soratako fa mba eritreritra fotsiny ihany. Efa mba noteneninao ihany fa tsy ekenao ny resaka fanonganam-panjakana, itovizantsika hevitra ny amin'iny zavatra iray iny. Fa na inona na inona hevitra tsy itovizana dia tsy mety amintsika ny fanonganam-panjakana afa-tsy amin'izay fomba eritreretiko mbola tsy holazaiko izay, fa avelako eo ny amin'iny.



Misy ny andian'olona miezaka mafy hanao izay hamaranana ny fitondrana ankehitriny, nefa ry zareo ihany no niezaka mafy ny hametraka azy teo tamin'ny fomba rehetra na tsara izany na ratsy, efa tsy niteny loatra intsony izahay tamin'ny fomba famoahana ny valim-pifidianana izay miharihary fa fanamboaran-tsaina fotsiny fa efa vita lamina ny hala-bato tamin'izany fotoana izany. Koa na tena tsy ankasitrahana mihitsy aza ny ataon'ny eo amin'ny fitondrana amin'izao fotoana izao, ny kiantranoantrano ataon'ireo olombitsy, ny fanafihan-jiolahy ataon'ireo tompon'ny fitaovam-piadiana eto amin'ny firenena, dia tsy hahatonga ahy hiantoraka any amin'ireo nahazo toerana tamin'ny tetezamita vokatry ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 2009 velively izany.



Raha misy andrakandrana fidinana an-dalambe nanehoan'ny mpitondra ny heriny tamin'ny fandefasana mpitandro ny filaminana an'arivony teny amin'ny araben'ny fahaleovantena, dia efa manana tetipanorona ireo vondron'olona ireo. Tanjona voalohany ny isintonana ny fon'ny olona hoe ry zareo no mitarika ny mpanohitra ny fitondrana amin'izao fotoana izao. Mety mahafantatra tsara ihany koa ireo olona ireo fa tsy haharesy ny eo amin'ny fitondrana mihitsy raha vao fifidianana izany no resahina eto Madagasikara. Koa tsy maintsy ampîasaina ny loha amin'ny hahazoana indray ny fitantanana ny fitondrana amin'ny fomba rehetra na tsara izany na ratsy. Noho izany, tsy ho fantatrao mihitsy izay tena tanjon'ireo vondron'olona ireo ary, amiko manokana, dia fandrika mety ahafahana mandoto anao ny fanarahana azy ireo na fanatevenan-daharana azy ireo. Afaka miditra na manatevin-daharana ianao raha hainao tsara ny tanjony ka ahitanao tombontsoa ao anatin'izany, fa lasa sorona avy hatrany kosa ianao raha tsy hainao akory izay kendreny amin'izao fihetsiketsehana ataony izao (Sady efa malaza ho tsy tia anao daholo ireo olona ao rehetra ireo).



Koa dia izay no hamaranana ny hafatro hoe: Sao voafandrika ao ianao raha mijabajabaka ao?

Te-hiverina eo amin'ny fahefana ny mpivarotra amoron-dalana

2016-08-24 @ 20:55 in Politika

Tsy te-hiresaka ady politika loatra aho na dia mankafy io taranja iray io aza. Mampizarazara izy io ary mampiady ny olona mpifanerasera sy tokony hifandray isan'andro noho ny asa aman-draharaha. Fa misy kosa ny tanjona izay tsy tiako mihitsy ny kendreny satria dia fanakorontanana ankitsirano ny fampandrosoana ny tanàna.

Misy fahitalavitra malaza amin'ny fanoherana ankehitriny ary manambava tokoa. Sady tsy tiany ny filoham-pirenena no tsy tiany ihany koa ny Ben'ny Tanànan'Antananarivo. Mampiditra tsikelikely ny fanakorontanana sy ny fandranitana io fahitalavitra iray eto Antananarivo io. Gaga ny tena raha nanaraka tsy fidiny ny vaovao an-tsariny tamin'ny 19 aogositra 2016 lasa teo mahita ny famoahany ny heviny amin'ny alalan'ny feon'ny mpivarotra amoron-dalana. Te-ho mpitondratenin'ireo mpivarotra amorony sy anaty lalana ireo angamba izy no tena marina.

Fa inona no nataony tamin'ny 19 aogositra 2016? Raha tsy maharaka ianao dia tamin'io fotoana io no niantsoan'ny antoko iray te-hiseho masoandro antsoina hoe Antoko Fanavotam-Pirenena na AFP ny olona hidina eny Analakely hanala ny Filoha fa "izay ihany no vahaolana tokana amin'izao toe-java-misy izao". Raikitra ny fifanasana vangy talohan'io daty io. Tsilian-tsofina no nandrenesana fa 3000 any ho any ny mpitandro ny filaminana nahetsika teo Analakely hanosehana izay mpanao fihetsiketsehana hoavy eo. Tankina teo ny amin'iny resaka iny. Fa ny tohim-baovao no nahaliana:

Naka ny feon'ireo mpivarotra amorondalana na anaty lalana ity fahitalavitra, inona ny hevitra nivoaka? Firaisana tsikombakomba eo amin'ny fitondrana Rajaonarimampianina sy ny Ben'ny Tanàna Lalao Ravalomanana izao fanakatsakanana ny asan-dry zareo tsy hivarotra eny amoron-dalana izao. Saribakoly fotsiny io Lalao Ravalomanana io fa lohan'i "Dada" ihany no tena mitondra. Ny nampihomehy irery ahy moa dia ilay resaka tsy misy ifandraisany dia raikitra ny famelezana ilay Ben'ny Tanàna. Inona no idiran'ny Ben'ny Tanàna amin'ny fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana sakanan'ny mpitandro ny filaminana?

Andro vitsivitsy taty aoriana, omaly talata, niditra fiara fitateram-bahoaka, dia nandre resaka tamin'ny radio iray tarika sy anarana amin'ilay fahitalavitra nitatitra ny resaka teo ambony ihany. Fandraisana vahiny sy fanehoan-kevitry ny mpihaino no fizotrany fa dia kapoka iray tamin'ilay resaka mpivarotra amoron-dalana ihany. Ny mahavariana dia mody feon'ny mpihaino na olona anontaniana hatrany ilay izy fa dia mitovy ny hafatra, tsy rariny mihitsy ny sakatsakana ataon'ny Ben'ny tanàna amin'ny mpivarotra amoron-dalana: "Fa maninona no eo Analakely sy Ambodifilao sy Soarano irery ihany no enjehin'ny Ben'ny Tanàna nefa feno eran'Antananarivo?", "Raha tsy zakan'ny Ben'ny Tanàna ny isian'ny Mpivarotra Amoron-dalana dia mialà fa aza ny vahoaka madinika no atositosika!"

Tsy mahagaga ianareo raha nandre na nahita amin'ny vaovao androany alarobia itakian'ny mpivarotra amoron-dalana tarihan'ingahy antsoina hoe Filohan'ny Mpiaro ny Mpanjifa ny fialan'ny Ben'ny Tanàna. Indray fotsiny no niserana ny masoko ilay fahitalavitra, ary indray no niserana ny sofiko ilay radio fa ireo no tena nisongadina. Tsy azo visavisaina noho izany ny fandrisihana sy ny fanasana atidoha nataony nandritra ny fotoana maharitra hatramin'ny fikendrena hanesorana ireo mpivarotra tsy manara-dalàna ireo. "Izahay mpivarotra no nametraka ny Ben'ny Tanàna eo ka anjaranay mpivarotra ihany no manaisotra azy eo!" hoy ny hita sy re androany. Tsy mivoaboaka foana izany teny izany fa raha izaho manokana dia sahy milaza fa tsy nisy nifidy an'i Lalao Ravalomanana ho Ben'ny Tanàna izany ireo na ny iray aza fa ilay kandidà nilaza ny hamerina ny tsena eo Analakely no nofidiany tsy misy hambahamba.

Izany no ohatra iray ataon'ny fampitam-baovao iray eto Antananarivo sy azo renesina sy jerena any amin'ny faritra sasany amin'ny alalan'ny fantsona fahitalavitra andoavam-bola. Tsy atao mahagaga loatra noho izany raha mandeha any amin'ny tsy izy ny fisainan'ny olona omena vahana eto an-drenivohitra. Soratra natao ho vavolombelona izao soratako etoana izao.

Jentilisa 24 aogositra amin'ny 11 ora alina.

Tia Tanindrazana ve ity olo-malazan'ny tantara malagasy ity?

2016-07-21 @ 15:48 in Politika

Ity lahatsoratra ity dia eritreritro manokana momba ny hoe fitiavan-tanindrazana ka raisiko ho raharaha manokana Ralaimongo. Misy zavatra tsy azoko tsara manko ny amin'ny antony nampidirana azy ho tia tanindrazana nefa tsy reko loatra ho niady ho amin'ny fahaleovantenan'i Madagasikara izy. Ny notakiany dia ny hanaovana ny teratany Malagasy rehetra hizaka ny zom-pirenena Frantsay, mba hitovian'ny Frantsay sy ny Malagasy eo anatrehan'ny lalàna sy ny fitsarana amin'ny zo rehetra.


Fony aho namaky ny tantara dia karazam-panesoana ny Frantsay mpanjana-tany na mpiasam-panjakana miseho ho manambany Malagasy no tena fanaony, vasohany hitam-bahoaka ireo mpiasam-panjakana manindry fiteny any amin'ireny biraom-panjakana ireny. Ny tena nahatonga saina aho tampoka dia ny anaran'ny fikambanana nisy azy ho Ligy Ho amin'ny Fizakan'ny Malagasy ny Zom-pirenena Frantsay. Endrika fitiavan-tanindrazana tamin'izany fotoana izany tokoa ve no notakiany? 


Inona no nampidirana azy ho ao anatin'ny Tantaram-pirenena ho Maherifo? Noho izy nitaky ny fitovian-jò ve fa tsy ny fahaleovantena? Raha tontosa tamin'ny andron'ny Krizy lehibe tokoa (1929-->)ary ny fitakiany ka nizaka ny zom-pirenena Frantsay ny Teratany Malagasy rehetra, moa ve nisy intsony ny fitakian'ny fikambanana hafa nolazaina ho tia tanindrazana? Ka sao dia maherifon'ny fitovian-jò no toerana misy an-dRalaimongo fa tsy maherifon'ny firenena malagasy?


Fa iza no tena nampiditra azy ho ao anatin'ny Tantara noho izany?

Ikotofetsy sy Imahakà sa Mapar sy Tim?

2015-05-27 @ 23:08 in Politika

Efa tsy te-hiresaka adilahy politika intsony aho, fa tsy hanary ny resaka politikam-pandaminana sy fandalinana fotokevitra politika, saingy tsy avelan'ny toe-draharaha eto amin'ny firenena hipetrapetraka sy ho zary mpitazana fotsiny, na dia maharikoriko aza ilay izy.

Iray volana teo ho eo izay dia nisy ny zaikaben'ny fampihavanam-pirenena. Anisan'ny nivoaka tao, na tsy voatery arahina aza, ny fandravana ny andrim-panjakana rehetra ankoatra ny Filohan'ny Repoblika. Lasibatra manokana amin'izany fangatham-pandravana izany ny antenimieram-pirenena izay nampikoropaka ireo mpikambana tao anatiny sy nampanaovan-dry zareo valan-dresaka hitsipahana izany fikasana izany. Efa namaly ankolaka izany ihany ny tao amin'ny presidansa saingy tsy mbola maty lolo ireo depiote ireo. Manantomotra ny fisokafan'ny fotoam-pivoriana ara-potoanan'ny antenimiera indrindra io fotoana io ka alaim-panahy ihany ry depiote hivondrona.

Mifanindran-dalana amin'izany dia naka fanapahan-kevitra, hanaisotra ny hitsivolana nandidy ny fiambenana an-dRavalomanana amin'ny toerana manokana noho ny "fidirana an-tsokosoko" teto an-tanindrazana, ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Nahatezitra tanteraka ireo nanongam-panjakana tamin'ny 2009 izany fanapahan-kevitra izany, satria ny fototra ijoroany voalohany tsy azon-dry zareo anaovana adivarotra dia ny famafana tanteraka izany anarana Ravalomanana izany amin'ny sehatra politika. Bala faharoa hiantefa any amin'ny filoha Hery Rajaonarimampianina ihany koa io fanapahan-kevitra io satria ilay tolona nimatesaka tamin'ny fiandohan'ny taona 2009 mihitsy no montsana tanteraka. Nanomboka teo dia napoapoaka fa fitondrana hvm-tim izao fitondrana mijoro izao rehefa hiara-miasa amin-dRajaonarimampianina Atoa Ravalomanana.

Tamin'ity herinandro mamarana ny volana mey ity anefa dia tontosa tampoka ny fivorivorian'ny depiote hanongana ny filoham-pirenena. Ny gazety vahiny mitabataba ny "destitution" moa ry mpanao lalàna sy ny eto an-toerana miezaka ny miteny ny "déchéance". Fa na "destitution" io na "déchéance" toa voahongana ihany no dikan'izany amin'ny teny malagasy fa tsy haiko loatra indray raha amin'ny teny frantsay. Ny niantefan'ny eritreritra voalohany raha vao tontosa ilay izy dia hoe ny Mapar no nitarika io fombafombam-panonganana io noho ny nanonganana ny Birao Maharitra voalohany nibahanan-dry zareo ny sehatra, ny nialàn'ny filoha tanteraka amin'ny fiarahana tamin'ny Mapar, ny tsy nahazoan'i Andry Rajoelina na olona hafa ao amin'ny Mapar ny toeran'ny praiminisitra ary ny nanomezana fahalalahana miriaria ho an'ny filoha teo aloha Ravalomanana. Nodradradradraina amin'izay ny taimbava hoe tsy mahay afa-tsy ny manongana ve no ataon-dry Mapar sy ny tariny. Tonga amin'izay ny fanaterana ny fangatahana fanonganana teny amin'ny Lapan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalapanorenana vao kepoka ny Zanak'i Dada fa hay anisan'ny nikononkonona mangina tamin'ny fanonganana ny filoha ihany koa ny Tim. Fa inona no nitranga?

Azo heverina fa mora takarina ihany ny fahagagana mahazo ny Olon-tsotra Zanak'i Dada satria raha ny fotokevitra amin'izao dia tsy tia ilay fanonganam-panjakana amin'ny endriny rehetra mihitsy izy ireo. Maharesy lahatra kokoa ny Zanak'i Dada ny hoe mitady fitoniana sy fahamarinan-toerana ara-politika ny firenena fa efa mijaly loatra ny vahoaka. Mandeha ho azy ny fanondroana ireo depiote Tim hita sary nanatitra dosie teny Ambohidahy ho mpamadika, nefa tsy nitsahatra ny hagagana rehefa re fa toa ny depiote tim rehetra mihitsy no nanaiky ilay fanonganana. Tsy manana eritreritra mihitsy ny Zanak'i Dada fa mety hiara-dia izany tim sy mapar izany, aleon-dry zareo aza ilay fiaraha-miasa hvm sy tim no lefitra kokoa fa tsy ilay vondron'olona nanongana ny olona notohananao indray no iarahanao. Hatreto dia vondron'olona tsy hanaiky ny fahalalahan-dRavalomanana izany Mapar izany ary tsy mbola nisy fitenenana avy amin-dry zareo fa avelany ho afa-maina fotsiny amin'izao ny filoha efa nahongany. Amin'izao fotoana aza moa dia esoeso no azon'ny Zanak'i Dada avy amin'ireo mpandrangitra avy amin'ny mpanohana an'i Andry Rajoelina. Mbola maro noho izany no mihevitra fa diso lalana sy diso paika Ravalomanana raha sioka tokana avy aminy no nanaovan'ny depiote tim ny latsabatom-panonganana.

Dia miezaka ny tena hamantatra hoe inona no ahasahian'ny tim hiaraka hanongana amin'ny mapar. Tsy mbola ananana ny antony fa azo atao kosa ny manombatombana. Voalohany, andro vitsy dia vitsy taorian'ny Zaikabe tim no nanaovana ny latsabato ary nisy ny nanoratra fa naroso io zaikabe tim io, ho fanomanana ny fifidianana kaominaly ho avy. Faharoa, mbola nanatontosa ilay teniny tamin'ny fotoana nahatongavany ihany Ravalomanana hoe tsy mahandry ny 2018 izy "hananganana firenena vanona". Fahatelo, tsy hahasahy handrava velively ny Antenimieram-pirenena Rajaonarimampianina, rehefa fantany fa tsy mbola hahazo ny maro an'isa izy, fa ireto vondron'ny nanongana ireto no samy manantena handrombaka ny fandresena raha hisy indray ny fifidianana depiote. Ny mahavariana dia tsy misy fanazavana avy amin'ny depiote tim hatreto ilazany ny antony nanaovany ny latsabato fanekena fanonganana, ka lasa mampihevitra fa mpanara-driandrano fotsiny ry zareo fa tsy tompon-kevitra. Hafa indray ny fandehan-javatra raha hoe hanangana antenimieram-panorenana tendrena fa tsy hofidiana Rajaonarimampianina, saingy amiko manokana dia tsy hahavaha olana velively izany antenimiaram-paorenana hotendrena izany, tsy maintsy ho lalampanorenana sadasada hatrany no hivoaka avy eo noho ny marimaritra iraisana. Raha avy amin'ny fifidianana kosa indray dia azo vinaniana ihany ny fotokevitra tian'ilay voafidy nandritra ny fandresendahatra nataony.

Eto dia miankina tanteraka amin'ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana ny tohin'ny raharaha. Ny tena manokana dia mihevitra fa azo tsipahina tsy amin'ahiahy ity fangatahana fanesorana ny filoha ity satria sady tsy lasa adala no mbola afa-mandeha sy afa-miresaka mitombina tsara ny filoha. Tsy maintsy manova fihetsika sy manova ny ekipa ny filoha raha tafavoaka amin'izao sedra izao, ho hentitra ary tsy hanao kinanga amin'ny fitantanana ireo orinasa tantanin'ny fanjakana na ananan'ny fanjakana malagasy petrabola ampahany betsaka. Mety ny fanapahan-keviny tsy handrava ny antenimieram-pirenena mba tsy hanisy menaka ny afo narehitry ny sasany, ary hitony tokoa ny toe-draharaha rehefa tsy mamaly fihantsiana amin'ny fihantsiana. Hitonitony ratsy araka ny fiteny moa izany fa tsy hoe handry fehizay tsy akory. Hatreto aloha dia miditra anaty savorovoro indray ny fiainam-pirenena ary tsy afa-bela ao anatin'izay ilay toekarena efa marefo dia marefo.


Jentilisa 28 mey 2015, amin'ny 01:05 a.m. ora eto Antananarivo.


Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aprily 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox