Momba ahy
jentilisa

Malagasy mipetraka eto Antananarivo Madagasikara. Roboka tanteraka amin'ity aterineto sy serasera ity. Tia mamoaka vaovao sy hevitra momba ny zavamisy eto Madagasikara. Tia ary tsy leo miresaka politika.

search
calendar
« Febroary 2010 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28            
Nampidirina farany
Sokajy
Rohy
Tahiry
Syndicate
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox

Ny zoko tsy hitovy hevitra aminao

2010-02-06 @ 12:14 in Politika

Efa ela aho no te-hanoratra ho anareo saingy sampona mahazo ny fahakamoana hampita ny hevitra indraindray. Mbola ao anaty krizy koa angaha hany ka raha manana hevitra tsy iraisana amin'ny besinimaro loatra dia heverina ho mpamadika avy hatrany. Efa zatra ny nanoratra ny hevitro aho ka mitandro hatrany ny fahafahako miteny amin'ny alalan'ny bolongana angaha. Be ihany ny hevitro no toa notanterahina ihany am-bolana manaraka. Tojo firehana misedra na mifanohitra ny an'ny besinimaro indray ny tena ankehitriny... nefa tsy ataoko ho sakana velively raha hifanohitra izay mety ho hevitrareo ny soratako etoana.

Izay no ela fa dia atao toy ny donak'afon'Analakely izy ity ka avy hatrany dia any am-bovonana. Mpitandro ny fandriampahalemana araka izay fetran'ny azo atao aho, efa tsinjonareo amin'ny fomba fanoratro ihany. Tsy te-hahita olo-tsotra tra-boina toy izay nitranga tamin'ny 7 febroary 2009 intsony aho... ka hoe tsy raharahiana intsony ny ain'olona noho ny fitiavam-pahefana sy voninahitra ary seza, na an'iza izany na an'iza. Mazava loatra aho raha nankasitraka ny Loa-bary an-dasy notanterahina tetsy amin'ny Carlton Anosy tamin'ny fiandohan'ity volana ity. Fitadiavam-bahaolana  hanerena ny ankolafy efatra hifampidinika hampandeha ny tetezamita hizorana amin'ny Repoblika tsy misy ra mandriaka intsony no atao, raha mbola azo atao ihany koa izany. Nahoana no andrandraina ny hiavian'ny tafika vahiny raha mba mety ho voavaha eto an-toerana ihany ny olana? Saingy maro loatra no tsy te-hahalala intsony izay fitadiavam-bahaolana avy amina Malagasy... ary lazaiko indrindra ny mpanao politika avy amin'ny ankolafy efatra mihitsy ka tsy niraharaha izay antso ho amina fifampidinihana izay.

Fijeriko dia te-hijoro ho toy ny "ray aman-dreny" te-ho ambonin'ny fironana misy tokoa Atoa Fetison Rakoto Andrinirina, raha nandray iny fanapahan-kevitra iny, ary mametraka fa mendrika azy tokoa ny nanendrena azy ho filoha mpiara-mitantana, izay nanasa na dia ireo mpifanandrina aminy ara-politika aza. Lalana nankany amin'ny tetezamita iraisana tokoa no nokasainy, saingy ny omby indray mandry moa tsy indray mifoha. Tsy nahay nanararaotra iny fotoana tokana nampananontanona ny fahitana vahaolana iny ny ankamaroan'ny mpanao politika malagasy fa nifampibaiko tsy hisy hahazo manatrika ny fotoana sy ny filazana fa tsy manaiky ny hanatontosana iny hoe ny lehibe no naverimberina. Tsy nisy nandre mivantana izany baiko izany ka manahirana ny mieritreritra azy. Atao ahoana moa fa dia izay izany no izy. Noho izaho mpandala ny tsy fampiasana herisetra dia tsara amiko ny fanapahan-kevitra toy ireny fa tsy manao toy ny rafotsibe very laona ka hiandry izay igadonany. Tsy vahaolana mihitsy ny tsy fandraisana andraikitra. Hatreo ihany aloha.




Jentilisa, 06 febroary 2010 amin'ny 13:19


Ny fandrika natao tamin ny tolona...

2010-01-20 @ 23:49 in Politika

Misy tohiny ny lohateny fa averiko tsara indray mandeha: "Ny fandrika natao tamin'ny tolona indray no mety hahatafavoaka azy!" Toa hafahafa ihany  ilay lohateny saingy taratra avy amin'ny zavatra notantaraina tamiko ny 20 janoary 2010 no nahatonga ahy hametraka io lohateny io. Tolona ataon'ny ankolafy telo no lazaiko eto fa tsy ny an'ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana.


Fiantsoana ho eny an-dalambe

Nanomboka tamin'ny Asabotsy teo dia eny Anosy indray no hanatanterahan'ny ankolafy telo ny fihetsiketsehana izay ataony. Azo lazaina fa tsara fanombohana sady nahagaga indrindra io fotoana io satria tsy noravana tamin'ny alalan'ny baomba mandatsa-dranomaso io fivoriana an-dalambe io. Ny niantsoana ny olona moa dia ny hoe hametraka ny mpikambana ao amin'ny parlemanta etsy Anosy. Fomba nenti-niantso io fa efa nazavazava ihany fa eny no hamoriana ny olona rehefa tsy ho eny Ankorondrano anatin'ny kianjan'ny ara-dalàna intsony. Tsy hisy velively izany fametrahana mpikambana izany fa fiomanana ny fahatongavan'ny mpanelanelana avy any ivelany amin'ity herinandro ity no tanjona voalohany. Malalaka sady be toerana azo ivoriana eny ka azo atao tsara ny mifindrafindra.


Fisovohan'ny mpanakorontana

Hatramin'ny andron'ny Asabotsy io indrindra dia nanomboka ny nataony ihany koa ny mpanakorontana izay mazava loatra fa manaraka ny baiko hanapotehana amin'ny fomba rehetra ny tolona sy ny fanasoketana azy. Azo heverina ho olona tsy voafehy ihany koa izy ireo saingy ny zavatra efa hitako no tsy dia maharesy lahatra ahy ka milaza fa manana "atidoha" manakarama mihitsy izy ireo. Tsikaritra voalohany, hariva amin'ny enina hariva, izany hoe efa lasa adiny iray raha haingana indrindra ny mpitolona teny vao nanomboka ny fanendahana vahiny Eoropeana sy ny fitorahana fiara nataon-dry zalahy ireo. Efa taratara angaha ny baiko sy ny fanangonana an-dry zalahy ka izay vao nanaomboka ny "action" ry zalahy.

Ny andro manaraka kosa, ny alatsinainy io, dia efa tonga alohaloha sy nifangaroharo tamin'ny tena mpitolona amin'izay ry zalahy ka dia manana fotoana hanasoketana tsara ny mpitolona saingy mbola vitsy moa ka tsy voamarika loatra. Nahavariana tamin'io alatsinainy io fa na dia efa feno miaramila aza ny toerana nivoriana farany dia mbola afa-nanao ny fihetsiketsehana sy ny kabary teo ihany ny mpitarika rehefa tonga ny tolakandro. Nitombo avo roa heny noho ny Asabotsy ny hamaroan'ny mpitandro ny filaminana saingy tsy nahoan'ny olona izany. Nihanitsiry ny fanantenan'ny olona fa misy zavatra mitranga matoa tsy sahy nanapoka baomba mandatsa-dranomaso ihany ny mpitandro ny filaminana teo.

Ny andro fahatelo, mpitandro ny filaminana 15 kamiao be izao miampy ireo anaty fiara tsy mataho-dalana sy fiara avy amin'ny sampana manokana (FIS) no nanemitra ny toerana. Nihabetsaka ny olona nandrangitra azy ireo amin'ny fitaovam-piadiana eny ampelatanany indrindra fa ny mpampiasa lalana noho ny fibahambahanan-dry zareo na fiedinedin'izy ireo eny afovoan'arabe. Hay efa vonona avokoa ny ekipa sy ny teknikam-pandravana ny tolona. Tany amin'ny toerana nivorivorian'ny vehivavy no nandefasan-dry zalahy ny baomba mandatsa-dranomaso iray dia raikitra amin'izay ny famotehana ny fananana iombonana teny amin'ny manodidina ka ny nivandravandra voalohany indrindra dia ny fandravana ireo sezavato teo amin'ny zaridainan'i Mahamasina. Tetika efa vita omana ireny ary olona efa voaomana no nanao azy. Ny fahadisoana nataon'ny mpitolona dia ny tsy nandrara ireo olona ireo fa namela fotsiny amin'izao. Io sy ny toratora-bato natao no nahafahan'ny mpitandro ny filaminana nandrava amin'izay ny tolona. Ny tetika ambadik'izay dia ny tsy hampazoto intsony ireo izay mbola mpankeny Anosy-mahamasina. Manginy fotsiny moa ny fahitana fa tena niova mihitsy ireo karazan'olona mandrafitra ny ankamaroan'ny mpitolona fa tsy mitovitovy intsony tamin'izay teny amin'ny kiaanjan'ny ara-dalàna Ankorondrano.


By the river on Babylone

Noheverina amin'izay fa ho lao tsy hazoto intsony ny mpitolona ny andro fahaefatra, izany hoe olona vitsivitsy tsy manaiky lembenana nefa tsy ho afa-maneho ny heviny ankahalalahana intsony no sisa ho tazana eny amin'ny manodidina an'Anosy sy Mahamasina. Nahomby tamin'ny ampahany ihany izany tetika izany fa nisy olona nanana aingam-panahy tamin'ireo tsy nanaiky lembenana ireo. Lasa nihirahira indray ny olona ka ny hiram-pivavahana (Be indray no tsy hahazaka ny filazana izany) sy ny hiram-pitiavan-tanindrazana ary ny hiram-pampihavanana toy ny "Mifankativa ihany" no nanakoako tamin'iny toerana iny. Tsaroako ilay hira malaza nataon'ny tarika Boney M fahiny, izay notsilovina avy amin'ny Fitarainan'ny Jiosy natao sesintany tany Babylona voasoratra ao amin'ny baiboly (Jeremia), rehefa reko tamin'ny Radio Fahazavana ny akony. Tsy miteny ny hamaroan'ny olona mihitsy aho eto fa ny fahasahiana nataon'izy ireo kosa. Tsy voatery hoe niara- nivorivory  nifanizina tamin'ny toerana iray ireo mpihira fa niparitaka teny rehetra teny. Tsy nisy intsony ny fihantsiana ny miaramila nefa tafala tanteraka ihany koa ny tahotra ireo mampideradera fitaovam-piadiana. Nitsimoka tsikelikely tokoa ilay hoe ny Hery tsy mahaleo ny fanahy. Lasa nihatakataka indray ireo mpitandro ny filaminana efa nanatomotra dia nanatomotra teo, tsy hitany izay tokony atao. Izany no tolona ampilaminana !

Raha nandinika izany rehetra izany aho dia tonga ho azy tamin'ny fieritreretana fa hifindra lasy manoloana ny Carlton amin'izay ny mpitolona "hampiseho" amin'ny vahiny ny heviny. Efa hain'ny olona ny mifindrafindra toerana ka tsy hananosarotra ho azy ireo ny hankeny. Hay moa ka nisy antso nataon'ny mpihaino ny Radio Fahazavana iray nanao izay fanentanana izay ihany koa. Be hoaho ny mitovitovy sainina ny olona ka azo inoana fa mahafantatra avy hatrany ny tokony hataony ny tsirairay. Dia samy hanara-baovao isika hahafantatra izay mitranga amin'ity tontolo andron'ny Alakamisy 21 janoary ity.


Jentilisa, alakamisy 21 janoary 2010 amin'ny 00:55


Sambatra ianareo miaramila fa tambatambazana hatrany

2009-12-12 @ 00:17 in Politika

Fanamarihana voalohany, dia arahabaina izany ny miaramila fa nisondrotra indray ny karaman'izy ireo tamin'ity volana desambra ity. Mbola anaty krizy ihany ny firenena fa tsy mahalala izany ianareo. Efa nampanantenaina anareo manko, hono, nyhampakarana avo dia avo ny karamanareo koa dia tontosa izy ankehitriny. Hita tokoa fa nandray anjara mavitrika tamin'ny tolona ianareo ka dia azonareo ny valin- kasasaranareo. Heveriko fa manantena ny mpitondra nanondrotra ny karamanareo fa fantatrareo avy hatrany ny andraikitra ankinina aminareo amin'izao toe-java-misy eto Madagasikara izao.

Matoa anefa nankinina aminareo izany andraikitra izany dia mety ho tsy moramora velively ilay izy fa mety iangonan'ny fialonan'ny hafa rehetra tsy nahazo fanondrotan-karamana ianareo. Manahy aza aho fa hitombo bebe kokoa ny fankahalana anareo saingy inona moa no iraharahianareo izany? Impiry impiry no mahazo tambin-karama midangana, izao indray fanondrotan- karama mihitsy! Ny tsy azoko tsara dia hoe 50% hoe ny fisondrotana? Toa tsy mampino kosa izany, afa-tsy hoe nidina dia nidina angaha ny sandam-bola malagasy... nefa azo tanterahina soa amantsara kosa raha ho anareo irery ihany ny fanondrotana ny karama ka.

Ankehitriny, tena antoka tsara tokoa ianareo tsy hahafaha-manozongozona ny fitondrana tokony arovanareo. Araraoty tsara fa tsy misy fitondrana toa ity amin'izao fotoana izao ity ka hitsinjo anareo. Izaho kosa, lasan'eritreritra fa mizotra amin'iny lalana iny izay nodiavin'i Alzeria tamin'ny fotoan'androny ny fiainana politika eto Madagasikara. Potehina tanteraka ny endri-panoherana rehetra, lazaina ho mpampihorohoro izy ireny, mpanakan-dalana. Tsy mandehandeha foana tsy akory ireny aferana basim-borona tratra teny Ivato sy ireo hafa saiky halefa aty kanjo hita IHANY tany Paris ireny. Niniana notratrarina ve ireny fitaovam-piadiana ireny sa tratra tsinahy? Nahavariana moa tao amin'ny Tvplus fa sary tahiry ka mampiseho basy Kalakhnikov no naverimberina fa tsy ireo basim-borona tratra tanaty baoritra (mba matanjaka mahazaka be mihitsy kosa ireo baoritra ireo an!). Toa karazana paika Saikolojia ireny, te-hanambarana fa nisy nikotrika fanonganam-panjakana indray teto e!

Fa angaha vitan'izany ihany. Miverina indray ny lazan'izao tsahotsaho rehetra izao fa METY hisy amin'izay ny mpikarama an'adin-d Ravalomanana (famerimberin'i Randy-do-it hoe Ravolomanana). Dia ambenana avokoa ny karazana sisintany rehetra na an-dranomasina na an'habakabaka. Efa nanendrikendrehana io filoha teo aloha io moa izany hoe fakana mpikarama an'ady vahiny izany. Oadray nisy tokoa ka! tsy tadidinao angaha ireny mpiambina azy taloha fony vao nirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena voalohany ireny izy? Sa moa tsy mpikarama an'ady intsony ry Jean Marc Koumba ireny? Fa ilay izy fotsiny no adino no nilaza azy tamin'ireny fotoana ireny e!

Etsy ankilan'izany koa, ny fidradradradrana fa misy ny manakarama ny ambany tanàna indray handroba sy hamotika ary handoro tahaka ilay indray alatsinainy tamin'ny fiandohan'ny taona iny. Dia hampangaina ny sasany ho tena mpandroba fa mody milaza tena ho zanaka hendry mankahala fandrobana. Samborina avokoa izay miseho ho basivava rehetra. Dia tsy hisy intsony ny herim-panoherana, na dia hery tsy manana fitaovam-piadiana aza izany. Tsy ny famongorana ny mpanohitra velively anefa no lalana ahafaha-mampandroso an'i Madagasikara fa ahafahana  mitoetra maharitra eo amin'ny fitondrana izany, eny fa na dia amin'ny alalan'ny fandrahonana sy ny fampihorohoroana aza no itondrana ny firenena, rehefa milamina tsy misy mikofoka dia izay no tadiaviny.

Fa iza aminareo no mbola hieritreritra fa hisy fifidianana izany eto Madagasikara ao anatin'ny dimy taona raha ny fitohizan'izao toe-javatra izao no jerena e? Tsy maintsy ao anaty firenena milamina anie no hanaovana ny fifidianana. Noho izany, izay kandidà tsy miteraka korontana ny firenena, indrindra indrindra tsy manohintohina ny tombotosan'ny miaramila, ihany no afa-mirotsaka. Fa na izany aza mbola misy olona mety ho andrasana ho ampy 40 taona eto vao mety hisy izany fifidianana ho filoham-pirenena izany (izay ilay hoe afaka dimy taona).

Fa antony iray mampitarazoka ity toe-draharaha ity ihany koa ny fihazohazoan'ny vondrona iraisam-pirenena tsy mety hanasazy ny tsirairay amin'ireo mpanongam-panjakana  fa mbola variana mandrahona fotsiny. Ny an'ny olona jereo fa tonga dia tsy navelany hiditra teo Madagasikara fotsiny izay manelingelina azy dia vita kabary, sahirana avokoa ny nitady vahaolana tsy hanjerana ny sazy amin'i Madagasikara hanapahana ny AGOA miaraka amin'ny Amerikana. Faly ery ny mpanohana azy mitehaka amin'izao fahasahiana ananan'ny mpitarika azy izao. Araka ny nambarako moa dia ilaina fantarina tsara ny tanjona kendreny ahafahana manohitra tsara ny fikasany. Ny tiako marihina aloha izao dia ny tsy tokony ivoahany mankalaza ny fetin'ny faran'ny taona any amin'ny Reny Malala nefa andro mandalo fotsiny izany fa tsy manakana ny hanohizany iny lalana iny, izay feno hazofijaliana.

Farany: Lasa maharikoriko aoka izany ho'aho ny miresaka politika eto Madagasikara ary tsy maha-te-hanoratra intsony, satria raha mbola tsy mihetsika avokoa ny antokon'olona iharan'ny tsy rariny sy ny tsindry hazolena rehetra tsy misy na inona na inona azo atao hanoherana basy mihitsy eto. Efa tsy mila fifampiresahina intsony ireo olona ireo, nefa na dia maharikoriko tahaka izany aza ilay miresaka politika dia mbola lerako ihany. Fa na eo aza izany, Happy Birthday to You Mr President Ravalomanana!


jentilisa, 12 desambra 2009 amin'ny 01:22

Ompa sa faminaniana ilay hoe Fozaorana?

2009-11-27 @ 00:16 in Politika

Tena mandeha ihany ny fotoana. Raha namadibadika ny tahiry aho dia toy ny efa an-taonany maro sahady no nampalaza izany biby foza orana izany. Hay moa ka vao tamin'ny taona 2008 iny no nampirongatra azy io! Izaho anefa nieritreritra iny tantara iny ho tantara efa ela dia ela. Tsy mba tahaka ny fahatsapako ny firimorimon'ny fotoana ka gaga ihany rehefa mieritreritra fa ankatoky ny faran'ny volana novambra 2009 sahady isika. Volana febroary 2008 no tena nampalaza ilay biby fozaorana teto Antananarivo, efa lasa hafa ny dikany amin'izao fotoana izao ary lasa miendrika ompa aza matetika. Henika azy i Betsimitatatra, potehiny tanteraka ny sisindrano, nolavahiny ny tany ka mety ho goana tsotra izao no itsahinao raha tsy mitandrina ianao. Dia namidy nanerana ny tsena ireo biby maramara, ary nananika hatramin'ny amin'ny trano fisakafoanana maro aza. Nanambara anefa ny fitondram-panjakana tamin'izany fotoana izany fa hofongorina tanteraka ity karazam-biby mpanimba voly sy mpihinanan zanatrondro ity. Ankehitriny, iza no mbola mieritreritra na mahatsikaritra ihany ny fisian'izany biby fozaorana izany? Efa nihena dia nihena angamba ny isany na irariana ho lany taranaka tanteraka na dia mbola tsy nandrenesako tamin'ny fomba ofisialy aza ny hoe fongana tanteraka ilay biby mandeha mihemotra (biby mi-tourne hoy ny fiteny andavanandro manafangaro ny teny malagasy amin'ny tenin'ny mpanjanatany taloha).

Dia nitodika tamin'ny tantaram-pirenena indray ny eritreritra. Herintaona latsaka taorian'ny nampirongatra ny biby fozaorana no nidina an-dalambe ny maro an'isa tamin'ny tanora teto Antananarivo. Nanana ny lazany ny faramparan'ny vola janoary sy iny volana febroary 2009 manontolo iny. Vokany, rava tanteraka ny seha-piharian'ny filoham-pirenena teo aloha, ary misimisy ihany koa no rava fihariana, potika fihariana, may ny tranom-panjakana ary niongana tamin'ny toerany hatramin'ny filoha Ravalomanana. Nanomboka tapaky ny volana martsa teo, tsy ara-dalàna intsony ny governemanta mijoro ary mbola tsy voatsangana hatramin'izao. Nirangorango ireo lazaina fa mpitondra, tsaroanareo ve ny ady ambava teo amin'ny Minisitry ny Toe-karena sy ny PDS Fianarantsoa rehefa ho lany ny vary nangalarina tao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina? Toa fanapotehina ihany no tena hay sanatria, ahatsiarovana ny fikikisan'ny fozaorana ny sisandrano na ny lalandrano falehan'ny olona etsy Betsimitatatra.

Fa hatramin'izao hafa dia hafa ny fomba fisainan'ny mpitondra izay nanonganm-panjakana. Rehefa migafy araka izay tratra ny heverina ho governemanta iraisana izy dia milaza avy eo fa tokony ho izay efa misy ihany no aleo manohy ny asa. Dia nobaikoana ny mpiasam-panjakana hitokona amin'ny fanohanana ny filoha sy hitazona ny minisitra izay notendreny teo aloha ihany. Dia nohetsehina indray ny miaramila hiditra an-tsehatra amin'ny fitenenana hanomezana vahana an'ilaikely. Izaho kosa rehefa nahita fa matoa nampitenenina hatramin'ny miaramila dia efa io no bala farany hanerena ny hafa hanaiky ny fitondrany tsy ifampizarany amin'ny hafa. Dia notairina amin'izay ny filankevitry ny Minisitra tsy nisy fakan-kevitra tamin'ny filoha mpiara-mitantana sy ny Praiminisitra. Efa fantatra izao fa tsy manara-dalàna fa mbola atao ihany. Manana tetika ambadika tsinona. Tsy raharahiana ny fiaraha-miasa amin'i Etazonia sy ny hafa na dia hamotehina asan'olona aza izany fa aleo miankin-doha tanteraka amin'i La Frantsa ny Malagasy. Rehefa ny toe-karena no potika nefa eo ampelatanany ny akora fototry ny harena... ho inona intsony moa ianao?

Fa izaho kosa toy ny te-hampitaha ny taona 2008 amin'ny taona 2009 ka mitodika amin'ny taona 2010 sahady na dia tsy mbola tafatsangana aza ny governemanta. Biby nirongatra tamin'ny febroary 2008 indrindra indrindra, toa tsy fantatra intsony ny fisiany fa efa toy ny tantara taloha elabe rehefa tonga ny volana novambra 2009. Koa raha hetsika nirongatra dia nirongatra tamin'ny febroary 2009 ka nahazo fitondrana tamin'ny marsa 2009... enga anie ho tsy fantatra intsony ny fisiany fa efa toy ny tantara taloha elabe rehefa tonga ny volana novambra 2010. Nofy ve sa revin-gadra? Izaho aloha, na tsy misy aza ny baiko dia miezaka ny manongotra ny herin'ny fandravana sy ny fandrobana araka izay vitako fa mety ho tanteraka ihany izany raha maro no manao toa ahy. Fa oviana moa ilay fifidianana? Fa mbola hisy ve izany fifidianana izany? sao dia ny ampolo taonany no isaina? Izaho kosa manankina ny zavatra rehetra amin'ilay Tsitoha fa heveriko fa lesona ho an'ny rehetra, indrindra ho an'izay nitady ny sitrany ahay izao toe-java-misy ankehitriny izao.



Jentilisa 27 novambra 2009 amin'ny 01:21

Ny miaramila mahatsapa adidy sy ireo ve no mandrafitra ny governemanta?

2009-11-20 @ 23:40 in Politika

Mitaintaina avokoa ny mpanara-baovao politika miandry ny fivoahan'ny  mpikambana ao amin'ny governemanta iraisan'ny rehetra. Samy nanana ny paikany ny tsirairay tamin'ny fandrombahana ny toerana tsirairay. Nisy toerana nahitako ny lisitra manko ary rehefa notopazako maso dia tsy kisangisangy ilay izy fa azo heverina tsara (na sanatria mety ho tsy marina aza!). Somary nahavariana ihany ny filazana mialoha nataon'ny ankolafy sasany fa tsy azo soloina intsony ny minisitry ny fampianarana ohatra satria tsy mety ny manolo minisitra antenantenam-pianarana izany. Fantatra ihany fa tao anatina taom-pianarana no nanaovany izay tiany natao teto amin'ny firenena. Misy tetika ambadika tao anatin'io fifikirana minisitera tsy fiandrianam- pirenena io. Heveriko avy hatrany fa tiana ampiasaina ny mpiasam-panjakana ao amin'ny fampianarana hanao fampielezan-kevitra sy hitatitra haingana ny voka-pifidianana ka avy amin'izay no mety hanamboamboarana ny voka-pifidianana. ny minisiteran'ny fampianarana tsinona no maro mpiasam-panjakana (mpiasam-bahoaka) indrindra sy mieli-patrana mahazo hatramin'ny fokontany rehetra manerana an'i Madagasikara.

Izay no nanoratako tao amin'ny famahanam-bolongana fohy (twitter user jentilisa) ny tsy tokony ampiarahana velively ho ana ankolafy tokana ireo minisitera roa samihafa ireo dia ny fampianarana sy ny atitany. Ao amin'ilay tombatombana moa dia tsy tafaraka aloha ilay izy. Ny tena marina no tsy fantatra na hanao ahoana na hanao ahoana. Ny minisiteran'ny fahasalamana kosa indray dia mbola an'ny ankolafy hafa tsy iretsy ankolafy manana ireo minisitera roa tian-kotondroina etsy ambony. Azo heverina ho mahenika ihany koa an'i Madagasikara iray manontolo io minisitera iray io, na dia ekena tokoa aza fa tsy tonga hatrany amin'ny fokotany rehetra. Azo lazaina fa samy manana hafetsena mihitsy ireo ankolafy tsirairay na izaho no lasa lavitra loatra ny fisainako amin'ny hoe fanomanana fifidianana ho hatao mandritra ny tetezamita ka ireo fitsinjarana minisitera ireo no natao dia mba hanomanan'ny ankolafy indrindra indrindra izany fifidianana izany na dia eo aza ny andraikitra sahaniny ho an'ny vahoaka. Efa nisy ihany moa ny fetsifetsy nanao filazana tamin'ny mpiasam-panjakana rehetra any amin'ny sampan- draharaham- panjakana  any fa ny filohan'ny tetezamita irery ihany na ny fiadidian'ny tetezamite irery ihany no tokony hotoaviny sy handraisany baiko. Atsahatra eo aloha ny amin'iny satria atao hoe tombana ihany no misy hatreto fa omena anao etsy ambany ihany izany lisitra hitako izany.


Fa ahoana ny resaka miaramila?

Toe-draharaha nanamarika ity herinandro ity ny fanambarana samihafa nataona manamboninahitra miaramila vitsivitsy. Nisy ireo manamboninahitra no mitady hanindry fa misy ny manana zo tsy azo ifampizarazaran'ny filoham-pirenena. Mba nijery rakibolana teny vahiny (na dia teny ofisialy aza) ihany ny tena ka nahita fa toy ny hoe tombontsoa manokan'ny Mpanjaka (nahavariana ahy io teny io fa naninona no tsy ny filoha no noraisiny?) io resaka zo tsy azo ifampizarana amin'ny hafa io. Soa ihany fa nisy ny manamboinahitra hafa avy hatrany dia nahasahy nijoro nilaza fa tsy voatery araka izay heverin'iretsy voalohany no andikana izany zo tsy azo ifampizarana izany. Ireo voalohany izay notarihan'ny Lt-Kl Charles Randrianasoavina sy Lt-Kl Lylison de Roland moa tao amin'ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra no nanao ny fanambarany. Ireo nanohitra azy dia ny Kmdà Roger Luc sy ny Kp Mbohoazy Lahinilainy izay fantatra fa avy ao amin'ny 1°RFI kosa tsy fantatro mazava ny toerana nanaovany fanambarana.

Zava-mahavariana ireo fanamabarana ireo. Iretsy voalohany mety hihevitra fa ry zareo sy ny tariny no mahery ka tsy hisy ny hahasahy hanohitra azy ireo. Karazana fanindriana ny hafa rehetra no nataony. Etsy ankilany ihany koa anefa dia mety ho hevitra farany nataon'izy ireo ny fanambarana nataony hanavotany ny olona arovany mba hanandanja kokoa eo amin'ny firenena fa tsy ho vasok'ilay hoe tsy maintsy nifampizara fahefana. Nisy tampoka ny miaramila namaly ny fanambaran'izy ireo, nahasahy naneho ny heviny, nefa tsy voatery hanambara ny heviny manohitra ireo nanao fanambarana tao amin'ny Lapam-panjakana ka hampiseho hoe mizara ny tafika. Teny tsy zakan'ny ao amin'ny miaramila rahateo izany hoe "mizara" izany. Ny roa tonta nanao fanambarana dia samy tsy naka alalana tamin'ny Lehiben'ny etamazaoron'ny tafika na ny minisitry ny Fiarovana. Raha ny tokony ho izy izany dia mendrika ny hosaziana avokoa ry zareo rehetra ireo. Efa nanambara ny Kaomandà Roger Luc fa efa naharay ny saziny saingy tsy ahoany loatra izany rehefa tsapany fa nanao ny adidiny izy ary tsy manenina tamin'izay nataony. Izaho manokana dia mendri-piderana ny nataony, na dia ny hahatonga saina ireo mpanao fanambarana tsy nahazoana alalana ihany aza no mety ho tanjony. Te-hamerina ny Tafika amin'ny sehatra tokony hisy azy izy fa tsy hitsabaka amin'izay tsy tokony ho tsabahiny. Olona firy re no mba mahasahy ny manao ny tahaka azy ireo? Mandika ny lalàna hiarovana ny rariny sady manaiky ny sazy mifandraika amin'ny fandikan-dalàna nataony. Misy manko ireo mandika lalàna nefa tsy te-hanaiky ny sazy tokony hampiharina aminy tamin'izay nataony. Endrika fanajana ny lalàna amin'ny fomba hafa.


Ireto ary ny lisitra nisy namoaka izay lazaiko hatrany fa mbola miandry fanamarinana ofisialy:

Eugène Mangalaza, Premier Ministre
Ny Hasina Andriamanjato, VPM Economie
Manandafy Rakotonirina, VPM Fonction Publique
Manoro Régis, VPM Enseignement Sup. et Recherche
José Andrianoelison, Ministre Finances et Budget
Gal Noel Rakotonandrasana, Ministre Forces Armées
Serge Zafimahova, Ministre Transports et météorologie
Henri Roger Ranaivoson, Ministre Affaires Etrangères
Josiane Robiarivony, Ministre Energie
Julien Razafimanjato, Ministre Education Nationale
Miandrisoa Marcel, Ministre Enseignement Tech. et Formation prof.
Serge Radert, Ministre Commerce
Gal Organès Rakotomihantarizaka, Ministre Sécurité intérieure
Rafatrolaza Bary, Ministre Mines et Hydrocarbures
Serge Ranaivo, Ministre Jeunesse et Loisirs
Montfort Enselme, Ministre Pêche et Ressources Halieutiques
Augustin Andriamanoro, Ministre Télécommunication, Postes et NTIC
Manantsoa Victor, Ministre Tourisme et Artisanat
Sophie Ratsiraka, Ministre Environnement et Forêt
Rolland Ravatomanga, Ministre Agriculture et élevage
Gal Claude Ravelomanana, Ministre Gendarmerie
Ramisandrazana Rakotosoa, Ministre Justice
Nirhy Lanto Andriamahazo, Ministre Eau
Guy Rivo Randrianarisoa, Ministre Travaux publics
Tabera Randriamanantsoa, Ministre Intérieur
Rapelanoro Rabenja, Ministre Santé
Azaly Ben Marofo, Ministre Sports
Nathalie Rabe, Ministre Communication
Randriamandranto Ihanta, Ministre Décentralisation
Dr Joseph, Ministre Population et Affaires Sociales
Julien Reboza, Ministre Aménagement du Territoire
Tina Rasamimanana, Ministre Industrie
José Vianey, Ministre Culture et Patrimoine

Raha raisina isaky ny ankolafy kosa dia tahaka izao:

Ankolafy Rajoelina
Ny Hasina Andriamanjato, VPM Economie
Julien Razafimanjato, Ministre Education Nationale
Serge Ranaivo, Ministre Jeunesse et Loisirs
Augustin Andriamanoro, Ministre Télécommunication, Postes et NTIC
Gal Noel Rakotonandrasana, Ministre Forces Armées
Gal Organès Rakotomihantarizaka, Ministre Sécurité intérieure
Gal Claude Ravelomanana, Ministre Gendarmerie

Ankolafy Ravalomanana
Manandafy Rakotonirina, VPM Fonction Publique
Henri Roger Ranaivoson, Ministre Affaires Etrangères
Rafatrolaza Bary, Ministre Mines et Hydrocarbures
Rolland Ravatomanga, Ministre Agriculture et élevage
Guy Rivo Randrianarisoa, Ministre Travaux publics
Rapelanoro Rabenja, Ministre Santé
Randriamandranto Ihanta, Ministre Décentralisation

Ankolafy Zafy
Manoro Régis, VPM Enseignement Sup. et Recherche
Serge Zafimahova, Ministre Transports et météorologie
Miandrisoa Marcel, Ministre Enseignement Tech. et Formation prof.
Serge Radert, Ministre Commerce
Manantsoa Victor, Ministre Tourisme et Artisanat
Tabera Randriamanantsoa, Ministre Intérieur
Dr Joseph, Ministre Population et Affaires Sociales
José Vianey, Ministre Culture et Patrimoine

Ankolafy Ratsiraka
José Andrianoelison, Ministre Finances et Budget
Josiane Robiarivony, Ministre Energie
Montfort Enselme, Ministre Pêche et Ressources Halieutiques
Sophie Ratsiraka, Ministre Environnement et Forêt
Ramisandrazana Rakotosoa, Ministre Justice
Azaly Ben Marofo, Ministre Sports
Tina Rasamimanana, Ministre Industrie

Ankolafy hafa
Nirhy Lanto Andriamahazo, Ministre Eau
Nathalie Rabe, Ministre Communication
Julien Reboza, Ministre Aménagement du Territoire




jentilisa, Asabotsy 21 novambra 2009 amin'ny 00:45
 

1 2 3 ... 32 33 34  Manaraka»