Avy nanatrika ny fivorian'ireo bilaogera maromaro aho androany asabotsy 24 marsa 2018 no andeha hody, efa maizina ny andro saingy mbola be olona eny an-dalana. Tao amin'ny toeram-pisakafoanana iray teo Ambohijatovo no nanaovana izany fivoriana izany, ary mba nahatratra 20 ny isan'ny nanatrika. Anisan'ny betsaka izany raha oharina tamin'ny fivoriana efa natrehiko hatramin'izay. Tsy dia any loatra anefa no tena tiako hosoratana fa ny tranga iray hitako teny an-dalana hody no nahavariana ka hotantaraina kely.
Efa maizina ny andro, be ny mpivezivezy eny an-dalana amin'iny Ampasapito eo amin'ny rond-point iny ary mitohana ihany koa ny fifamoivoizan'ny fiara. Somary 50 metatra mizotra ho any amin'ny gare routière iny anefa dia nisy tangoron'olona be dia be, ary nisy polisy maromaro koa teo tamin'izany. Vinaniana fa nisy mpanendaka tratra teo amin'io toerana io, sady fiantsonan'ny fiara fitaterana ihany koa ilay izy. Afaka 50-100 metatra miala eo indray dia misy zatovolahy iray ety ivelany midaroka mpamily taxi ao anatin'ny fiara 4L. Misesisesy ny totohondry nataon'ilay tovolahy, heveriko avy hatrany fa mpanendaka naman'ilay tratra nolazaiko teo io mitifitra tsy ankitsahatra mpamily taxi io.
Mitohana ny fifamoivoizana, tsy afaka nandositra ilay taxi, mitohy hatrany ny daroka ataon'ilay zatovolahy. Tsoriko fa raha azoko natao dia nadonako tamin'io tovolahy io no moto-ko no mandositra aho avy eo satria efa misy tovolahy maromaro koa hanenjika ilay taxi, ary saika nataoko izany ho fiarovako ilay mpamily taxi. Fa tsy afaka nisongona ireo fiara teo alohako mihitsy aho noho ny hateren'ny lalana azo isongonana (fantatsika anefa fa midadasika mihitsy iny arabe avy eo amin'ny rond-point mankany Ampasapito iny). Efa saika hivadika taty amin'ny toerana anilan'ilay mpamily hanao ny fanendahana mihitsy ilay tovolahy no afa-nitsoriaka tampoka ilay taxi ka nandositra.
Ny zavatra azo marihana dia ny olon-dratsy indray eto amin'ny tanàna no manana firaisankina fa ny hafa kosa tsy mba afa-mifanavotra. Efa mifankafantatra angamba ry zareo ary lazaiko anareo fa misy hatramin'ny 10 taona monja ireo tovolahy manao andiany handeha hamely ilay mpamily taxi io. Maninona re no dia avelantsika hanjaka toy izao ny ratsy? Dia hiaritra izay ataony fotsiny ve izany isika? Manjombona tanteraka ny hoavy raha betsaka amintsika no tsy manao izay tokony ho adidy ho firaisankina hanoherana ireo olon-dratsy ireo.
Manaraka izany moa dia iarahan'ny rehetra mahita fa tsy hita nanjavonana ilay tranonkala nakan'ny olona ireo lahatahirin'ny fandaniam-bolan'ny fitondram-panjakana malagasy. Vao maika moa nanamafy ny ahiahin'ny besinimaro izany toe-javatra izany. Endriky ny fikoropahana ihany koa.
Eto ny tena dia mangataka fiaraha-miasa aminareo izay manana ireo tahirin-kevitra maro tamin'io tranonkala io, Anomezo izay rehetra anananareo hatramin'ny 2007 ka hatramin'ny taona 2016 any raha manana ianareo
Saika hijery ny tranonkalan'ny armp hitsikera indray ny tamin'ny taona 2008, hay nikatona na tsy nety nisokatra tampoka ilay habaka. Mandra-pahoviana hitsikerako an-dRavalomanana sy ny CCPREAS? #modyataoanizany#armpgate
Fanavaozana ny lalana Ivato-Tsarasaotra 184 083 839 989 ariary Fanavaozana ao amin'ny hopitalin'i Tambohobe Fianarantsoa 157 704 210 000 ariary Fanamboarana ny fefin'ny Paositry ny polisy Mahazoarivo Antsirabe 102 964 661 000 ariary Fananganana ny paositry ny polisy Ambaniala Itaosy 79 966 665 000 ariary Fanavaozana ny tranobe "LDS"/telecom zandary Antranobozaka Antsiranana 79 430 000 000 ariary
Inona indray ireo nanaitra ny tena manokana?
Fikojakojana WC na kabone any Itasy: 1 000 000 ariary Fandokoana, fanoloana vachette sy karetsaka sns faritra Anosy: 4 700 000 ariary Fikojakojana sy fanavaozana ny kabonen'ny minisiteran'ny vola porte 301: 4 997 000 ariary Fikarakarana fefin'ny MAE: 5 000 000 ariary Fananganana (fandavahana) vovo iray Minisiteran'ny Fanajariana ny Tany Morafeno-Antsiranana: 7 500 000 ariary Fandokoana ny ivon-ketran'i Antsiranana 7 999 553 ariary Fikojakojana efitry ny mpiandry raharaha sy biraon'ny "courier" 7 999 788 ariary Fanavaozana ny kabonen'ny DSI minisiteran'ny fahasalamam-bahoaka 14 984 100 ariary Fanavaozana WC/SLAB 15 990 900 ariary Fanavaozana ny kabonen'ny minisiteran'ny fahasalamam-bahoaka Ambohidahy 19 916 700 ariary Fananganana vovo-paompy fokontany Morarano-Fiadanana CU Betroka 20 000 000 ariary Fananganana Chateau d'Eau (iray) Magnitsevo, Berano, dis Amboasary 21 850 516 ariary Fikojakojana ny biraon'ny Minisitry ny Fizahantany ao Tsombazaza 30 000 000 ariary Asa fiarovana ny Rovan'Atongona 36 438 353 ariary Asam-panavaozana ny lakozian'ny sekolin'ny polisy 39 995 400 ariary Fikojakojana ny kabonen'ny D°G Fitsinjaram-pahefana 39 998 500 ariary Fametrahana fatsakana (vovo?) efatra ao Ambato-boeny 41 981 243 ariary Trano fisasana sy fidioavana ao Scama Diego 42 500 000 ariary Fametrahana fatsakana (vovo?) efatra ao Soalala 49 499 071 ariary Fametrahana vovo roa sy fanitarana fametrahana rano azo sotroina Antsalova 49 647 696 ariary Fanavaozana ny biraon'ny distrikan'Ihosy 49 800 000 ariary Fametrahana fatsakana miisa enina ao Manja 49 946 690 ariary Fanavaozana ny biraon'ny distrikan'i Vatomandry 49 959 550 ariary Fametrahana fatsakana miisa enina ao Manja (olona hafa) 49 961 100 ariary Fametrahana tetezan-kazo kely iray distrikan'i Maintirano 49 963 368 ariary Fametrahana fatsakana telo ao Bemahatazana sns 49 978 560 ariary Fametrahana fatsakana miisa telo ao Manja 49 981 550 ariary Fametrahana fatsakana miisa telo ao Belo sur mer 49 985 000 ariary Fanavaozana ny trano ipetrahan'ny minisitry ny Taozava-Baventy 49 989 640 ariary Asa fiarovana ny Rovan'Ilafy 51 298 350 ariary Asa fampidiran-drano ao amin'ny Sekoly Ambonin'ny Zandary Moramanga 59 904 540 ariary Asa fiarovana ny Rovan'Ambohidratrimo 65 625 518 ariary
Asa fiarovana ny Rovan'i Tsinjoarivo 87 298 982 ariary Fanatsarana ny Villa Elisabeth 88 898 050 ariary
Fametrahana ny tambajotra LAN minisiteran'ny harena ankibon'ny tany sy ny solitany 94 649 210 ariary Famefena ny trano ipetrahan'ny minisitry ny filaminam-bahoaka 99 944 326 ariary Fandokoana ny ivelan'ny CCI Ivato 120 000 000 ariary
Fanavaozana ny fanaka-drihan'ny minisiteran'ny toekarena 129 990 717 ariary Fanoloana ny tafon'ny CEG Avaradrova 133 968 725 ariary Famitana ny asam-pananganana ny FJKM Mandritsara 137 548 7323 ariary Fanavaozana ny FJKM Ambohitrombihavana 138 500 000 ariary
Asa na nampifanandrifiana tamin'ny raharaha 7 febroary 2009 na ahoana fa dia navoakan'ny sasany indray ny fanafintohinana amin'ny fandaniam-bolam-panjakana taona 2016.
Niarahan'ny maro nahita ireo tena niteraka fanafintohinana fa izaho kosa nijery ny rohy hatrany ambany, satria mijotso manko ny maribola ka ny any no heveriko ho tsy dia misy mpahita loatra, vao miakatra any ambony any amin'ny mora tazantsika rehetra. Tsy hilaza izay minisitera aho izany fa anjarantsika tsirairay no mijery sy manamarina hoe taiza sy tao amin'iza no nisy ilay maribola nanaitra ahy. Ataoko hoe nanaitra ahy satria tsy nahazatra ahy ny nahita azy.
Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.
Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.
Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!